21 C
Antananarivo
Fri 8 Dec 2023 23:06
Home Pub rehetra Sehatry ny mpanohitra

Sehatry ny mpanohitra

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
few clouds
21 ° C
21 °
21 °
78 %
4.6kmh
20 %
Fri
21 °
Sat
31 °
Sun
29 °
Mon
28 °
Tue
29 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

08/12/2023. COLLECTIF DES CANDIDATS
FANAMBARANA
... TohinyFintinina

5 ora lasa

08/12/2023. COLLECTIF DES CANDIDATS
FANAMBARANA

Comment on Facebook 08/12/2023. ...

Manambara indray ny antokon ny resilava

Pacifique tsy izy tson Mila manova stratégie

Raha tianao hazava @ nolo izany dia ataovy tamberina eto na @ TV misianareo NY zava niseho s'y mbola misy aminizao ohatra fanakanana NY hafa tsy hamory olo ,NY fanambanana basy amon'ny izay tsimitovy hevitra,NY fiskarany vidipihainana izay tsimitsahatra izany averimberenana mandra pisiny marimaritra hiraisana

Misaotra tompoko dia miandry ny vahoaka eh

Taïro Ary e....

Niverina tolon'ny Cc11 indray fa tsy tolom-bahoaka ,ajanony ny kajikajy politika nareo fa tanindrazana jerena

Fanambarana isanandro zao atao nefa tss vokany aiza ery zalah tsy anao zay tiany atao eto!

Ny pacifique efa tsy nahomby ary ny fanambaràna isan'andro koa tsy mahavita azy fa raha tsy mitandrina nareo dia ho alohan'ny vahoako koa

Manameloka, mitsipaka,manamafy mitohy ny tolona😂😂😂Loza

View more comments

07.12.2023 - Andry Rajoelina nanatrika ny fihaonambe iraisampirenena momba ny toetrandro (COP28) any Dubai miaraka amina delegasiona tsy tambo isaina. Tsara ny manamarika fa tsy afaka misolo tena ny firenena malagasy amimpomba ofisialy mialoha ny fianianana ity kandidà lany tamim-pomba amboletra. ... TohinyFintinina

1 andro lasa

07.12.2023 - Andry Rajoelina nanatrika ny fihaonambe iraisampirenena momba ny toetrandro (COP28) any Dubai miaraka amina delegasiona tsy tambo isaina. Tsara ny manamarika fa tsy afaka misolo tena ny firenena malagasy amimpomba ofisialy mialoha ny fianianana ity kandidà lany tamim-pomba amboletra.

Comment on Facebook 1764140243706142_860872326038434

Tena mahatsiravina ka...

Efa tsy misy irahirahianay an'izany lalana izany intsony! Efa hitsahany hatrany an-tampon-doha Ramalagasy!

Ho tsimponinareo fozaorana tsirairay daholo ve izay rehetra manelingelina ny sainareo e! ... TohinyFintinina

1 andro lasa

Ho tsimponinareo fozaorana tsirairay daholo ve izay rehetra manelingelina ny sainareo e!

Comment on Facebook 1764140243706142_860813496044317

Raha ny fahitako aloha dia raha mahita ity mpanao gazety ity aho dia tsy mipetrka @ maha mpanao Gazety azy fa mpanohitra raha ny fametrahany fanontanina,fa indrindra fa raha mpomba an'i Rajoelina no vahiny asainy ao.

MATAHOTRA ADINA AM-BAVA ?

Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Ka dia matahotra hadinina am-bava?
Sa tena governemanta miveraka
Sy efa tsy zatra ny lala-mazava?

Ireo olom-boafidy no tena atahorana
Fa maro loatra ireo ratsy efa vita?
Mampiaiky ny lotonareo fozaorana,
Ka dia afenina mba tsy ho hita?

Dia any amin’ny adina an-tsoratra sisa
No indreo mifanoro, manomana paika,
Mba hoenti-manarona ny disadisa,
Sy ny fanakianana mahery vaika?

Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Nony mba mihaona amin’ny olom-boafidy?
Sa be ny natao ka manomboka ho reraka,
Dia mitsoatsoaka mandositra adidy?

…Jereo i Gasikara fa io miady gisitra,
Ny olana koa dia tsy misy voavaha.
Mba mieritrereta ianareo ry minisitra,
Sy ny mpanohana filoha vazaha!

IRINA HO TAFITA (06-12-23)

(sary Tia Tanindrazana)

www.gvalosoa.net/2023/12/07/matahotra-adina-am-bava/
... TohinyFintinina

1 andro lasa

MATAHOTRA ADINA AM-BAVA ?

Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Ka dia matahotra hadinina am-bava?
Sa tena governemanta miveraka
Sy efa tsy zatra ny lala-mazava?

Ireo olom-boafidy no tena atahorana
Fa maro loatra ireo ratsy efa vita?
Mampiaiky ny lotonareo fozaorana,
Ka dia afenina mba tsy ho hita?

Dia any amin’ny adina an-tsoratra sisa
No indreo mifanoro, manomana paika,
Mba hoenti-manarona ny disadisa,
Sy ny fanakianana mahery vaika?

Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Nony mba mihaona amin’ny olom-boafidy?
Sa be ny natao ka manomboka ho reraka,
Dia mitsoatsoaka mandositra adidy?

…Jereo i Gasikara fa io miady gisitra,
Ny olana koa dia tsy misy voavaha.
Mba mieritrereta ianareo ry minisitra,
Sy ny mpanohana filoha vazaha!

            IRINA HO TAFITA (06-12-23)

(sary Tia Tanindrazana)

http://www.gvalosoa.net/2023/12/07/matahotra-adina-am-bava/

Marary tanteraka ny fiaraha-monina malagasy… diso masiso loatra ny lohany! ... TohinyFintinina

1 andro lasa

Marary tanteraka ny fiaraha-monina malagasy… diso masiso loatra ny lohany!

Comment on Facebook AMPONDRALAVA ...

Narcisca Razafy

Merci rajoelina! Mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona!

Nandritr ' izay nitondran - dRajoelina izay dia miseho daholo izao loza sy tranga hafahafa izao. Noho izany, samia mivavaka fa mandrovi - tsihy i Satana, satria fantany fa kely sisa ny androny. Mirary fihononana feno ho an 'ny vady aman - janaky ny ben 'ny tanàna sy ny fianakaviany .

Indrisy! Ilay vazimba tapak’amponga jiolahimboto fitondran-tena no natao handimby an’itompokolahy Honoré Rasolonjatovo (Papa Solo). ... TohinyFintinina

1 andro lasa

Indrisy! Ilay vazimba tapak’amponga jiolahimboto fitondran-tena no natao handimby an’itompokolahy Honoré Rasolonjatovo (Papa Solo).

Comment on Facebook ANTENIMIERAMPIRENENA:...

Fety izany miaraka @ gros bras isany!… dia vao maika hibontsina sy hanao deba be izany i tapak’amponga!

hatrany ve mangalatra

Loza ! Halatra , Halatra n'aiza n'aiza!

Institut Supérieur manimba mpianatra : mpianatra lalàna

Andriamasy Leon : mpianatra lalàna ve izao ? Dia tena manimba mpianatra, mpianatra lalàna mihitsy ity Institut Supérieur ity.

Paramedy Ralibera : simba ny fampianarana eto!

William Ramboatiana : mahamenatra, institut supérieur tsy mendrika ny hisokatra mihitsy, averina T3 ny mpampianatra namoaka io sujet io.

Marc Olivier Ratsisalovanina : tsy ny mpampianatra ihany fa na ny tompon'andraikitra aza hita fa tsy manana ny fari-pahaizana akory.

Hubert Alison RAkotoarivony : fahafaham-baraka tanteraka. Izao ve zany ilay hoe "l'exemple vient d'en haut" ?

William Benala : ireo CFP, sns… maniry ohatrin'ny anana ireo anie ka fanambakana zanak'olona ny ankamaroany e !

Luc Razakamahefa : na ny fond na ny forme: tsisy ilana azy. Mila fanarenana tanteraka. Fa tsy hoe rehefa mioeraoera dia mandroso izay.

Carlo Randrianantoandro : tena kivy aho, mahonena ianao ry Gasikara. Kely karama loatra e. Miala manao zavatra hafa ny mahay.

Dani Randriantsoa : mila jerena haingana, fa toy ny tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra.

Voangy Nirina Charline : tokony hitandrina isika mpampianatra.

Mirza Rakoto-Andriambalo : mila mamaky boky koa ny olona rehetra amin'ny fitenin-drazana na vahiny hampitomboana ny fahalalana, fahaizana indrindra ny fanoratana, ny fampianarana homen'ny mpanabe dia fototra fampianarana amin'ny ankapobeny ihany ! Mahereza daholo tompoko.

Irène Ravalison : Institut Supérieur! Tena henjana kosa izao an! Na any anelakelatrano ary dia misy Université Privée! Nahazo alalana ve ny nanokafana azy ireny sa faoany faoany fotsiny?

Nary Solofo Rajohnson : tsy misy descente mihitsy angambany natao fa tonga dia OK ny dossier.

Aimé Dewa : Irène Ravalison : anelakelan-trano no izy tompoko.

Luc Razakamahefa : izaho mino fa mahay bé zareo fa corrections automatiques ireo.

Pasco Martin : mampalahelo eh !

Tsoavina Randriamanalina : l'avenir de la justice en général et de la HCC en particulier est rayonnant.

Voahirana Ramaroshon : d mpampianatra firy no nandalovan’ io sujet io d tsy misy iray ni- corrigé v alohan’ny examen, mampalahelo !
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Institut Supérieur manimba mpianatra : mpianatra lalàna
 
Andriamasy Leon : mpianatra lalàna ve izao ? Dia tena manimba mpianatra, mpianatra lalàna mihitsy ity Institut Supérieur ity.

Paramedy Ralibera : simba ny fampianarana eto!

William Ramboatiana : mahamenatra, institut supérieur tsy mendrika ny hisokatra mihitsy, averina T3 ny mpampianatra namoaka io sujet io.

Marc Olivier Ratsisalovanina : tsy ny mpampianatra ihany fa na ny tomponandraikitra aza hita fa tsy manana ny fari-pahaizana akory.

Hubert Alison RAkotoarivony : fahafaham-baraka tanteraka. Izao ve zany ilay hoe lexemple vient den haut ?

William Benala : ireo CFP, sns… maniry ohatrinny anana ireo anie ka fanambakana zanakolona ny ankamaroany e !

Luc Razakamahefa : na ny fond na ny forme: tsisy ilana azy. Mila fanarenana tanteraka. Fa tsy hoe rehefa mioeraoera dia mandroso izay.

Carlo Randrianantoandro : tena kivy aho, mahonena ianao ry Gasikara. Kely karama loatra e. Miala manao zavatra hafa ny mahay.

Dani Randriantsoa : mila jerena haingana, fa toy ny tongo-bakivaky sady maharary no mahamenatra.

Voangy Nirina Charline : tokony hitandrina isika mpampianatra.

Mirza Rakoto-Andriambalo : mila mamaky boky koa ny olona rehetra aminny fitenin-drazana na vahiny hampitomboana ny fahalalana, fahaizana indrindra ny fanoratana, ny fampianarana homenny mpanabe dia fototra fampianarana aminny ankapobeny ihany ! Mahereza daholo tompoko.

Irène Ravalison : Institut Supérieur! Tena henjana kosa izao an! Na any anelakelatrano ary dia misy Université Privée! Nahazo alalana ve ny nanokafana azy ireny sa faoany faoany fotsiny?

Nary Solofo Rajohnson : tsy misy descente mihitsy angambany natao fa tonga dia OK ny dossier.

Aimé Dewa : Irène Ravalison : anelakelan-trano no izy tompoko.

Luc Razakamahefa : izaho mino fa mahay bé zareo fa corrections automatiques ireo.

Pasco Martin : mampalahelo eh !

Tsoavina Randriamanalina : lavenir de la justice en général et de la HCC en particulier est rayonnant.

Voahirana Ramaroshon : d mpampianatra firy no nandalovan’ io sujet io d tsy misy iray ni- corrigé v alohan’ny examen, mampalahelo !

Comment on Facebook Institut Supérieur ...

Otrin zao dhl ny zavamisy @ fampianarana fa tsy io ihany Sekoly iray lehibe eto Tana koa no nahitako faute grave ataon’ny mpampianatra 😭

Fa ilay sujet tsy teto Madagasikara

Indrisy 😭

Tany Alger io fa tsy teto Mada

Simba isika eh Tsy misy sahy mitsabo ny aretina

Raha teny Malagasy diso ve izany de mba mety ahoana koa ny réactions hita teto ?

Inthox io

Hoy ny sarababembahoaka izay hoe ianareo koa dia misahirana fa angaha io tenin-drazana fa rehefa azo dia izay no zava-dehibe 😢

Tsy eto Mscar io fa tany ivelany.

Nandalo tao ry Bebeto uprim!

Honteux

Tena n'a any @primaire kely ireny kosa aza ve?5phrases d'efa plus de 10fautes?De eritrereto @zany n'y mpianatra mivoaka avy ao! Looza

View more comments

MADAGASIKARA AN’NY MALAGASY

Hiverina ho zanatany indray i Madagasikara,
Io no sary mahonena izay manomboka ho tazana.
Efa indreo mihirahira ny olona tsivalahara,
Efa indreo mitehatehaka ny mpivaro-tanindrazana!

Miomankomana daholo iretsy mpiaraka miletra,
Ny mpanohana andry boboka sy ‘reo olona voavidiny,
Ary hitohy ny asa maloto sy ny bizina voretra
Ka vao mainka hitombo isa ireo mahantra faraidiny!

Tsy ny ho an’ireo vahoaka na ny hikendry izay hiadanany
No imasoan’ireo mpitondra sy ireo manan-toerana avo,
Fa dia tena ny hampitombo ireo harena sy fananany,
Ka handeha indray ny herisetra miampy ny tsindrio fa lavo!

…Hiverina ho zanatany indray i Madagasikara
Ka dia miantso anao izay mbola mihevi-tena ho malagasy.
Mijoroa f’aza matory, ‘ndao hanova ny tantara,
Na hidoboka ny baomba, na hirefotra ny basy!

Na hitohy ny herisetra sy karazam-pandrahonana,
Na hiseho ny fanambazana sy ny fividianana olona,
‘Ndao hanandratra ny marina, ao ve ny fahavononana?
Aoka tsy hikoso-maso, ‘ndao hiaraka hitolona.

Firenena tan-dalàna, miaina anaty fahamarinana,
Izay no ‘ndeha hiombonantsika ka mifanolora tanana.
Aoka tsy hitazam-potsiny, ampy izay ny fahanginana,
Fa i Madagasikara firenena iaraha-manana.

Ka holavina tanteraka ny olon’ny mpanjanatany,
Tsy hisetrasetra intsony na hibahana eto an-dasy.
Raha izay hoe filoha vazaha dia tena tsy azo ekena izany.
Isika tsy baikoin’ireny, olona afaka ny gasy!

TSIMIMALO (05-12-23)

www.gvalosoa.net/2023/12/07/madagasikara-anny-malagasy/

http://www.gvalosoa.net/2023/12/07/madagasikara-anny-malagasy/

Nosy-Be – Hanohy ny tolona nataon’i Ninie Donia ny zanany

Stefa

Nanambara ny zanak’i Ninie Donia tao amin’ny kaontiny amin’ny tambazotran-tserasera sosialy, fa hanohy ny tolona nataon’ny reniny. Tolona ho an’ireo vahoaka nalain’ny sasany ny taniny no ho tohizany amin’izany, tolona iadiana amin’ny tsindry hazolena mahazo ireo mponina any amin’ny Nosy Manitra ataon’ny mpanambola vahiny sy tompon-tany miray petsapetsa aminy any an-toerana. Nanambara i Jean de Dieu zanak’I Ninie Donia fa: “nianiana teo anoloan’ny fasan’i Mama aho ho tohizako ny tolona izay nataony, hamafisiko fa hiasa aho hamita izay natombony. Tahaka ny reniko, ny fahafatesana ihany no mahasakana ahy. Ho avy tsy ho ela aho ry vahoakan’i Nosy-Be. Mitohy ny tolona”, hoy ny fanambarany.

www.gvalosoa.net/2023/12/07/nosy-be-hanohy-ny-tolona-nataoni-ninie-donia-ny-zanany/
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Nosy-Be – Hanohy ny tolona nataon’i Ninie Donia ny zanany

Stefa

Nanambara ny zanak’i Ninie Donia tao amin’ny kaontiny amin’ny tambazotran-tserasera sosialy, fa hanohy ny tolona nataon’ny reniny. Tolona ho an’ireo vahoaka nalain’ny sasany ny taniny no ho tohizany amin’izany, tolona iadiana amin’ny tsindry hazolena mahazo ireo mponina any amin’ny Nosy Manitra ataon’ny mpanambola vahiny sy tompon-tany miray petsapetsa aminy any an-toerana. Nanambara i Jean de Dieu zanak’I Ninie Donia fa: “nianiana teo anoloan’ny fasan’i Mama aho ho tohizako ny tolona izay nataony, hamafisiko fa hiasa aho hamita izay natombony. Tahaka ny reniko, ny fahafatesana ihany no mahasakana ahy. Ho avy tsy ho ela aho ry vahoakan’i Nosy-Be. Mitohy ny tolona”, hoy ny fanambarany.

http://www.gvalosoa.net/2023/12/07/nosy-be-hanohy-ny-tolona-nataoni-ninie-donia-ny-zanany/

Comment on Facebook Nosy-Be – Hanohy ...

ISAORANA NY FIJOROANA - TANDREMO FA " TSY VOAVIDY VOLA IZANY IENDRI-NAREO IZANY ! "

De aza mitaraina raha igadragadra fahatany

Ninie Donia irery ianao tao anatin'ny fahafatesana. Saingy mijanona ao am-ponay (au fond de notre coeur) ianao mandrakizay. Ary iny fahafatesana iny no hampandresy ny tolona nataonao. Tolona mitovy otran'ny "la marche de Nicola Sacco et Bart Vanzetti". www.youtube.com/watch?v=SWM6gvFBWiE

Mbola malalaka fonja ao fa mahazo manao ka so mamono biby ts mafaty eo

Tsy vitan’ny ven’ny tanàna Vazahabe – Mantsina tsy laitra iainana Antananarivo Renivohitra

Helisoa

Nandritra ny fitondràn’ny ben’ny tanàna Vazaha be Naina Andriatsitohaina, nandritra izay 4 taona izay dia miaina ao anaty fako misavovona Antananarivo Renivohitra. Hafa anefa ny teny natao nandritra ny propagandy tamin’ny fotoan’androny, fa sahy nilaza ampahibemaso fa tompon’andraikitra ny ben’ny tanàna raha misy fako eto andrenivohitra. Nilaza mihintsy izy tamin’izany fa atero any amin’ny lapan’ny tanàna ny fako raha toa ka misy. Antananarivo madio sy milamina no ataontsika rehefa tonga eo amin’ny fitondràna aho hoy izy. Inona no misy ankehitriny? fako masiso tsy laitra iainana no misy manerana ny faritra maro .

Izay andehanan’ny mpitondra teo aloha mba nesorina ihany ho takon-kenatra, fa ny any amin’ny tsy hita maso dia tena mampiteny ny moana. Nisy ny mpanao politika efa nitondra fako teny amin’ny lapan’ny tanàna, fa valy boraingina sy teny mamazivazy no nambaran’i Vazahabe tao amin’ny tambazotran-tseraserany. Izao milaza hitondra fako eny amin’ny lapan’ny tanàna koa ny Apostoly Tsaratsara, ka asa izay ho fandehany? Nandritra ny fitondràn’i Vazahabe dia toy ny tsy misy mpitondra Antananarivo Renivohitra, nefa samy volomboasary ny mpitondra foibe sy ny tenany. Toa manome lalana ho an’i Andry Rajoelina amin’izay tiany atao sisa ny andraikitra ataony, fa tsy misy mihitsy ny fampandrosoana ny tanàna. Izao ka lasa Antananarivo “masiso” no teny filamatra ilazan’ny maro ny Renivohitr’i Madagasikara. Resin’ny ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana mihitsy amin’ny lafiny fampandrosoana ny amin’izao, na vehivavy tsy mba nahazo famatsiana ara-bola tamin’ny fitondràna foibe aza ny tenany tamin’izany.

www.gvalosoa.net/2023/12/07/tsy-vitanny-venny-tanana-vazahabe-mantsina-tsy-laitra-iainana-antanan...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/07/tsy-vitanny-venny-tanana-vazahabe-mantsina-tsy-laitra-iainana-antananarivo-renivohitra/

Comment on Facebook Tsy vitan’ny ...

Vazah maloto re'olono oh !!!

Ho an’ny vahoaka maro an’isa – Tsy maintsy hihodina ny kodiaran-tsarety

Sôh’son

Maneho ny heriny sy fahefany ary ny volany ankehitriny ry Rajoelina Andry sy ireo miray petsapetsa aminy rehetra nampandany azy, tamin’ny fifidianana amboletra teo, izay tsy madio ary tsy eken’ny rehetra. Nampiasain’izy ireo ary natao fitaovana araka izay nitiavany azy ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila, mba hamoritra ny vahoaka nitaky ny hamerenana an’ity firenena ity ho tany tan-dalàna. Dia niharihary tsara ireny ny fihetsik’ireto tsy afaka hisaina afa-tsy ny baiko omena azy, ka nampiasa hery niharo habibiana mihitsy tsy hiahotra na handratra na hamono na hisambotra sy hanagadra.

Ankoatra ireo fanimbana fitaovan’olona izay hetraketraka fotsiny izao, ary tsy toy ny Malagasy intsony tao anatin’izany ny tenan’izy ireo. Tsy teto an-drenivohitra na Antananarivo ihany no nisian’izany fihetraketrahana izany, fa hatrany amin’ny faritra samihafa nanerana ny Nosy. Ny tanjon’izy ireo amin’izany, dia ny hibeda mandrakariva ny fahefana sy ny fitondrana amin’ny alalan’ny famoretana ny vahoaka malagasy, indrindra ireo manohitra izao fakàna fahefana ao anaty tsy fahamarinana izao, ka manao izay fomba rehetra hampangina azy. Anisan’izany ny fanaovana ramatahora ireo mpitarika sendikà eto amin’ny firenena, dia ireny nisy fampiantsoana sy natao fandihadiana teny amin’ny tobin’ny zandary manadihady ny heloka bevava ireny, sy taorian’izany nampiakarina fitsarana mihitsy. Hatramin’ny mpitondra tenim-bahoaka aza, solombavany, noritina sy nosamborina toy ny jiolahy sy notanana teny amin’ny tobin’ny zandary nandritry ny andro maro, kanefa ao anaty fotoam-pivoriany, sy ireo tranga maro samihafa izay niaraha-nahita sy niaina.

Mihevitra tanteraka Rajoelina sy ireo mpomba azy rehetra, fa azy ireo ny hery sy ny fahefana ary ny vola, ka tsy misy mahatohitra azy. Afaka manao izay maha diavolana ny sainy sy ny danin’ny kibony izy ireo ao anatin’izany, ary atao izay hampanarahana ambokony ny vahoaka ka tian-kano, tsy tian-kano, fa efa voageja tanteraka, sy efa voasaratsaraka amin’ny resaka politika. Heviny manokana izany, fa an’ny vahoaka ny teny farany, satria izy no tompon’ny fahefana. Mihevitra sy manao izay hitoerana eo amin’ny fitondrana ireo olom-bitsy ireo, kanefa tsy ho mandrakizay izany. Toy ny kodiaran-tsarety izy ity, izy ireo eny ambony, fa ny vahoaka tsy manara-dia sy indrindra ireo manohitra azy eny ambany. Tsy maintsy hihodina io kodiarana io na tiana na tsy tiana, fa tsy kodiarana mihitsoka akory io. Tsy azo amboamboarina ho lasa efamira, ohatra io. Tsy maintsy hivadika ny rasa, satria tsy mbola izao no farany. Ary raha mbola misy koa ny farany tsy ho foana ny fanantenan’ny maro. Misy fotoanany ny zava-drehetra.

www.gvalosoa.net/2023/12/07/ho-anny-vahoaka-maro-anisa-tsy-maintsy-hihodina-ny-kodiaran-tsarety/

http://www.gvalosoa.net/2023/12/07/ho-anny-vahoaka-maro-anisa-tsy-maintsy-hihodina-ny-kodiaran-tsarety/

EDITO 7 Desambra – Ho fametrahana amboletra an-dRajoelina – Hiverina ho zanatany amin’ny endriny maoderina i Madagasikara

Isambilo

Hiverina ho zanatany amin’ny endriny maoderina i Madagasikara, raha ho tafapetraka amboletra amin’ny fomba ofisialy ihany ny filoha napetraky ny CENI sy ny HCC tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna Andry Rajoelina, amin’ny 16 desambra ho avy izao. Ny antony dia satria olona tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony no ho filoha.

Araka ny lalàna misy eto amintsika tokoa ary efa averimberina hatrany, very ny zom-pirenena Malagasin-dRajoelina, satria ninia nangataka zom-pirenena Frantsay izy. Ny fitsarana misy eto amintsika dia ninia nikimpy ka mbola namela ny Vazaha Andry Rajoelina nirotsaka hofidiana ihany tamin’iny fifidianana amboletra vita iny. Ny ankamaroan’ny Malagasy mpifidy dia tsy manaiky an’izany, nasehony izany tamin’ny tsy fahatongavana nifidy tamin’iny andron’ny 16 novambra lasa teo iny. Vitsy ny taha-pandraisan’anjaran’ny mpifidy manerana ny Nosy, saingy nabontsin’ny CENI sy ny HCC izany tamin’ny alalan’ny rindram-baiko, izay fitaovana efa nentin’izy ireo hanovana ny tena vokatra marina tamin’iny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany iny.

Amin’ny vondron’ny kandidà 11 toy ny tsy misy iny fifidianana iny ary mitohy ny tolona hoy izy ireo hamerenana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna eto amintsika. Ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka tokoa ny firenena amin’izao fotoana, raha tsy hilaza afa-tsy i Andry Rajoelina any Dubai, mbola tsy vita fianianana akory dia efa misolantsolana tonga any amin’ny fihaonambe iraisam-pirenen’ny COP 28 any amin’ny Emirat Arabo Mitambatra izy, milaza fa mitarika ny delegasiona Malagasy hono.

Amin’ny maha-Frantsay taratasy an-dRajoelina amin’izao fotoana, tsy hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy izany mihitsy ny tenany, fa ny tombontsoan’ny firenena nanome azy zom-pirenena no tsy maintsy lolohaviny an-tampon’ny loha. Tsy hanaiky izany Vazaha Frantsay hitondra azy izany ny Malagasy rehetra tia ny tanindrazany, sy manaja ny tolona nataon’ireo ray aman-dreny tamin’izany fotoana tao amin’ny Jina, ny Panama, ny VVS, Ny Menalamba, ny MDRM,…

www.gvalosoa.net/2023/12/07/edito-7-desambra-ho-fametrahana-amboletra-an-drajoelina-hiverina-ho-z...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/07/edito-7-desambra-ho-fametrahana-amboletra-an-drajoelina-hiverina-ho-zanatany-aminny-endriny-maoderina-i-madagasikara/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO Alakamisy 7 Desambra 2023.

Azonao vakiana eto:
www.gvalosoa.net/2023/12/07/alakamisy-7-desambra/

Tranonkala :
www.gvalosoa.com na
www.gvalosoa.net

Serasera FB Valosoa: m
gvalosoa.net/FB-Valosoa

Tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/

Fikarohana: gvalosoa.net/?s=
... TohinyFintinina

1 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO Alakamisy 7 Desambra 2023.

Azonao vakiana eto:
http://www.gvalosoa.net/2023/12/07/alakamisy-7-desambra/

Tranonkala :
http://www.gvalosoa.com na
http://www.gvalosoa.net

Serasera FB Valosoa: m
http://gvalosoa.net/FB-Valosoa

Tahirin-gazety: http://gvalosoa.net/tahiry/

Fikarohana: http://gvalosoa.net/?s=

IREO MPITANDRO FILAMINANA

Raha tsaraina ny asa vitan’ny mpitandro filaminana,
Dia ho maro, tena maro ireo tsy ho afa-panadinana,
Fa ny fomba amam-panaony, tena mahavaky vava,
Tsy sokajin’ny mpandamina fa ny sefon’ny mpandrava!

Ireo heverina ho lohany sy miravaka girady
No mazàna misy toetra hita ho mamoafady.
Ilay « ho an’ny tanindrazana », tena zary tsy ao an-tsainy,
Fa ny hanompo mpanambola, izany izao no tena hainy!

Raha ireny no miteny hoe ‘ndeha lelafo ny maloto,
Dia manaiky an-tsitrapo ireo efa zatra lohamboto!
Ny hany masaka ao an-tsainy,vola ihany, vola hatrany,
Tsy ahoany ireo vahoaka efa mandady amin’ny tany!

Mihamitombo tsy mijanona ireo dahalo sy malaso,
Misy ireo mangala-taova sy manendaka voamaso.
Tena ilaina ireo bebasy hiaro ny eny ambanivohitra,
Saingy Analakely no hitany hihazàna ny mpanohitra!

Tsy ny hiaro ireo vahoaka, tsy izany velively
No manesika azy hijoro raha ny feo sy sary miely,
Fa ny hiaro ireo mpitondra efa tsy manana fanahy,
Ka indro miaraka mitsindroka amin’iretsy jiolahy!

Tsy ny « ho an’ny tanindrazana », tsy izany intsony aloha
No tarigetran’ireo sasany efa tena maivan-doha,
Fa ny hiray tsikombakomba dia hiaraka hihinana,
Izany sisa ankehitriny ireo mpitandro filaminana!

DADAN’i ZINA (03-12-23

www.gvalosoa.net/2023/12/05/ireo-mpitandro-filaminana/
... TohinyFintinina

4 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/ireo-mpitandro-filaminana/

Comment on Facebook IREO MPITANDRO ...

Sady raha tena LEHILAHY fa tsy SARIM-BAVY ka MAFY BE ireto TAFIKA ireto, mandehàna MIADY @ DAHALO izahana azy

Nanao ny nataony ny herim-pamoretana – Voatohintohina indray ny fahalalahana maneho hevitra tany Diégo

LW

Voatohintohina indray, ny fahalalahana maneho hevitra tany Antsiranana faritra Diana ny alahady teo. Voasakana tsy afaka nivory tao amin’ny foiben-toeran’ny Tiko Antsiranana ny Jeune TIM any an-toerana. Rakotra mpitandro filaminana ny foiben’ny TIKO Place Kabaro Diégo, izay misy ny Radio MBS Antsiranana ihany koa ny alahady tolakandro teo. Nikasa hivory tao ny Jeunes Tiako i Madagasikara Antsiranana, saingy tsy afaka nanatanteraka izany izy ireo. Fanampenam-bava izao hoy ny mpitarika ireo tanora any an-toerana, satria samborina izay mihetsika, sakanana ireo manao fivoriana politika nefa amin’ny toerana mifefy. Noho izay antony izay voasakana koa ireo olona tokony handefa annonces na filazana samy hafa, dédicace na hira namelan-kafatra, publicité na dokam-barotra tao amin’ny Radio MBS Diégo. Voabahana tanteraka ny vavahady fidirana tao amin’ity onjampeo tsy miankina akaiky ny mpanohitra ity, saingy misokatra amin’ny sokajin’olona rehetra.

www.gvalosoa.net/2023/12/05/nanao-ny-nataony-ny-herim-pamoretana-voatohintohina-indray-ny-fahalal...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/nanao-ny-nataony-ny-herim-pamoretana-voatohintohina-indray-ny-fahalalahana-maneho-hevitra-tany-diego/

Kandidà filoha Rajaonarimampianiana – Mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona

Niaina

Manoloana ny sarintsarina voka-pifidianana navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny herinandro lasa teo, nisy ny fanambarana nataon’ny kandidà filoha Hery Rajaonarimampianina, izay ao anatin’ny vondron’ny kandidà 11 ihany koa. Mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona hoy izy. “Anjarantsika no mametraka lova tsara ho an’ny taranaka, mametraka Firenena vanona ho lovain’izy ireo. Tsy hiray tsikombakomba amin’ny famotehana ny Tanindrazana, tsy ho mpiray antoka amin’ny fanimbana ny hoavin’ny taranaka sy ny Firenena isika, fa hijoro hatramin’ny farany, hiady sy hitolona, hanavotra sy hanarina ny Tanindrazana sy ny Taninjanaka. Antsika malagasy i Madagasikara fa tsy an’olon-tokana. Mitohy arak’izany ny tolona ataontsika, koa miantso ireo hery velona rehetra eto amin’ny Firenena hitsangana sy handray ny andraikitra tandrify azy avy. Tsy maintsy mandresy isika ary tsy maintsy firenena tena mahaleotena amin’izay i Madagasikara.’’ Manana 11 andro ny vondron’ny kandidà sy ny tolom-bahoaka hatao, ka ho hitantsika eo ny ho tohin’izany.

www.gvalosoa.net/2023/12/05/kandida-filoha-rajaonarimampianiana-mitohy-ary-tsy-maintsy-mandresy-n...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/kandida-filoha-rajaonarimampianiana-mitohy-ary-tsy-maintsy-mandresy-ny-tolona/

Fiainam-pirenena – Hanohy ny fampihavanana ny FFKM

Isambilo

Nanatanteraka komity Foibe-45 ny herinandro teo, tao amin’ny EEM Katedraly Santa Marka Fosarato Fianarantsoa, ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. Loha-hevitr’izany komity Foibe-45 ny tenin’ny Soratra Masina ao amin’ny Matio 5 : 9 :’’sambatra izay mampihavana fa izy no hantsoin’Andriamanitra hoe zanany.’’ Arak’izany, hanohy ny fanelanelanana sy ny fampihavanana eto amin’ny firenena ny FFKM. Hiantso izy ireo ny zanany rehetra izay manam-pahaizana momba ny lalàna handinika ny tsy fitovian-kevitra, hamaritra paikady mazava ho fanabeazana ny olom-pirenena izay ampianarina eo anivon’ny FFKM ny Andrimaso, amporisihana ny fiangonana rehetra hanao 5minitra ho fanabeazana ny olom-pirenena. Tokony hampiharina ihany koa ny sehatry ny fahamarinana eo amin’ny politika hoy ity fiombonambe ara-pinoana ity. Miantso ny rehetra hijoro hiady amin’ny fahalovana eo anivon’ny ankohonana, sy ny fiarahamonina ary ny firenena. Ny Komity Foibe-46 dia hatao any Morondava amin’ny 20-24 novambra 2024. Nanasonia ny fanambaran’ny FFKM tany Fianarantsoa izao ireo filohampiangonana ao amin’ny FFKM: ny avy amin’ny FJKM: ny mpitandrina Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, ny avy amin’ny EKAR: Mgr Raoelison Jean de Dieu, ny avy amin’ny FLM: Pastora Dr Rakotozafy Denis, ny avy amin’ny EEM: Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.

www.gvalosoa.net/2023/12/05/fiainam-pirenena-hanohy-ny-fampihavanana-ny-ffkm/

http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/fiainam-pirenena-hanohy-ny-fampihavanana-ny-ffkm/

Comment on Facebook Fiainam-pirenena –...

Tena tsy mety izany: Religion #Politique

Tohizo ra bola mety ,,mahakivy manjaka tanteraka n'y asany dévoly eto Mada

FAMPIHAVANANA????? Mitondra inona ny fampihavanana???? Fanjakana efa TSY MISY DIKANY, TSY MISY FOTONY, FANJAKAN'ANDEVO, FANJAKANA MAFIA. Atao ahoana no hihavana amin'izany????TSY AZO ATAO NY MIHAVANA @ FANJAKANA MASIRASIRA. 😡😡😡😡😡😡😡😡😡😡 ZARAO 2 'LAY FANJAKANA DIA SAMIA MANANA NY LALANY! Izay no TENA TSARA!!!! IZAHAY TSY MILA HCC sy CENI ary TAFIKA MPAMAROTRA TANINDRAZANA, FILOHA MALAGASY FA TSY VAZAHA TARATASY NO ILAINAY.

Departemantam-panjakana Amerikana – Ento amin’ireo rafi-pitsarana mahefa ireo fitarainana momba ny fifidianana

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny sarintsarina voka-pifidianana tamin’ny fifidianana filohampirenena teto Madagasikara ny herinandro teo iny, nanao fanambarana ny faran’ny herinandro teo Andriamatoa Matthew Miller, mpitondra tenin’ny Departemantam-panjakana amerikana:

“i Etazonia dia mankasitraka ny vahoaka Malagasy nampiasa ny zo maha-olom-pirenena azy sy ny zony ara-politika nandritra ny fifidianana filoham-pirenena natao ny 16 novambra lasa teo. Voarainay ny fanambarana amin’ny fomba ofisialy ny voka-pifidianana nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana (HCC), manamafy ny fahalanian’ny Filoha Andry Rajoelina indray. I Etazonia dia manamafy ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny Filoha voafidy Andry Rajoelina, ny governemanta, ary ny vahoaka Malagasy ho fampandrosoana ny firenena sy ho fampanajana ny zo fototra ho an’ny tsirairay.

Mankasitraka ihany koa ny governemanta sy ny vahoaka Malagasy niantoka androm-pifidianana nilamina sy tony tamina faritra maro. Na izany aza anefa, niteraka ahiahy izay tokony harenina ny zotram-pifidianana ho fiantohana ny filaminana sy ny ho avin’ny firenena. Maro ireo mpiantsehatra, na olom-pirenena na mpanaramaso ny fifidianana avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena, izay nahatsikaritra tsy fahatomombanana samihafa nandritra ny zotram-pifidianana. Ankoatr’izay, maro amin’ireo sosokevitra fanatsarana ny zotram-pifidianana naroso taorian’ireo fifidianana natao ny 2018 sy 2019, no tsy mbola tanteraka.

Miantso ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana CENI izahay hamaha ireo olana ireo, ary miantso ny governemanta Malagasy hanadihady amin’ny antsipiriany ireo tsy fahatomombanana sy ireo voalaza fa hosoka, ka hiroso amin’ireo fanavaozan-drafitra samihafa navoitran’ireo mpanaramaso ny fifidianana malagasy sy iraisam-pirenena, ary hijery akaiky ireo filàna sy fanirian’ny olom-pirenena ao Madagasikara.

Mangataka an’i Madagasikara i Etazonia, mba haneho fahavononana hatrany hanaja ny zotra demokratika, ny lalàm-panorenana sy ny tany tan-dalàna. Mendrika sy miandrandra fifidianana malalaka sy madio, tanterahina ao anaty filaminana, ary fanjakana tsara tantana, ny vahoaka Malagasy. Miantso ihany koa ny governemanta Malagasy hampitombo ny fahatokisan’ny vahoaka ireo rafi-panjakana ao aminy, sy hiantoka ny fahamarinan’ireo fifidianana ho avy.

I Etazonia dia manameloka ny herisetra amin’ny endriny rehetra ary miantso ny vahoaka Malagasy, hitondra ireo fitarainana mahakasika ny fifidianana manoloana ireo rafi-pitsarana mahefa ao Madagasikara.”

Raha ity fanambarana nataon’ny ao amin’ny ministeran’ny raharaham-bahiny Amerikana ity, tsy mahefa ve izany ny fitsarana nitsara ny fifidianana filohampirenena teo dia ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC)? Heverina fa hitory amin’izany fitsarana tena mahefa izany ny vondron’ny kandidà 11, sy ny olom-pirenena rehetra nahita tsy fahatomombanana sy hosoka ary tsy fetezana maro tamin’iny fifidianana tamin’ny 16 novambra lasa teo iny. Tantara mbola mitohy.

www.gvalosoa.net/2023/12/05/departemantam-panjakana-amerikana-ento-aminireo-rafi-pitsarana-mahefa...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/departemantam-panjakana-amerikana-ento-aminireo-rafi-pitsarana-mahefa-ireo-fitarainana-momba-ny-fifidianana/

Comment on Facebook Departemantam-panjakana...

Ohatra ny hoe misy zavatra anankiroa mifanohitra.

Fitsarana ve tsisy azo antenaina

AIZA, IZA ireo rafipanjakana mahefa!!!? Ny CENI sy ny HCC ve??

Ka efa ilay rafim-pitsarana mits no corrompue. Efa hifiran-drzalah sy dorany ftsn zay fati-taratasinareo any. Efa tsy zany intsony ny démarche fa milolalola b ry be kitana, manaiky an-kolaka izy fa mba mahatakatra amzay oa isika Malagasy.

RMDM sy ny TIM – Fanavotana ny Malagasy rehetra no maika fa tsy toerana

Isambilo

Nivory tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM Bel’Air omaly, ny lohandohan’ny mpisorona sasany ao amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sy ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny mahakasika ny fanohizana ny tolona ho tolom-bahoaka, no anisan’ny nodinihana tamin’izany, tolom-bahoaka izay iarahana amin’ny vondron’ny kandidà 11, sy amin’ny sokajin’olona samy hafa: mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, sendikan’ny mpiasa, na mpiasam-panjakana izany na tsy miankina, mpianatra, olon-tsotra, sy ny maro hafa,… Nambran’ny kandidà filoha Marc Ravalomanana nandritra izany fa:”tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika sy maika, fa ny fanavotana ny vahoaka Malagasy rehetra. Ny zavatra rehetra dia eken’Andriamanitra hiseho, fa tsy ny zavatra rehetra no sitrapon’Andriamanitra,’’ hoy izy nandritra izany. Ankoatra izany, nivory nikaton-trano teny Andraharo ny vondron’ny kandidà 11 ny faran’ny herinandro teo, niketrika ny ho tohin’ny tolona, heverina fa tsy ho ela izy ireo dia hanambara ny tohin’izany: ady amin’ny tsy fahamarinana, sy ny ady amin’ny fanjanahana amin’ny endriny maoderina.

www.gvalosoa.net/2023/12/05/rmdm-sy-ny-tim-fanavotana-ny-malagasy-rehetra-no-maika-fa-tsy-toerana/

http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/rmdm-sy-ny-tim-fanavotana-ny-malagasy-rehetra-no-maika-fa-tsy-toerana/

Comment on Facebook RMDM sy ny TIM – ...

Mila mijoro hatramin'ny farany isika .Tsy mahazo mora kivy.Homba antsika Andriamanitra.

Mba olo hafa ahay fa tsy Nareo 🥴🥱

Ataovo @ manaraka zan fa decembre isika zao

Miandry ary mahatoky anao zahay Dada

Raha tianao hazava @ nolo izany dia ataovy tamberina eto na @ TV misianareo NY zava niseho s'y mbola misy aminizao ohatra fanakanana NY hafa tsy hamory olo ,NY fanambanana basy amon'ny izay tsimitovy hevitra,NY fiskarany vidipihainana izay tsimitsahatra izany averimberenana mandra pisiny marimaritra hiraisana

Avotana@inona de@Fomba ahina????

Marina izany Dada a !

Zahay ts mila fanavotana av amnareo

Tairo fa ela loatsy Vava no be

aza manakorotana andro fety mihintsy aloha fa manomboka janvier any vao tokon anakorotana

EFA tara loatra

View more comments

Fitondran-dRajoelina sy ny forongony – Mandeha ila toy ny kiraron’i Beminahy

Sôh’son

Miharihary ankehitriny ny zava-misy eto amin’ny firenena, fa mandeha ila. Misy ampahany vahoaka, izay vitsy an’isa, manohana izao fitondrana izao, miohatra amin’ny maro an’isa manohitra azy. Niaraha-nahita tsara izany tamin’ny fiatrehana iny fifidianana amboletra iny, sy ny fitsara-mitanila nampanaovina tian-kano tsy tian-kano ny vahoaka malagasy. Dia nisy nihorakoraka nifaly ireo olom-bitsy teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena ny andro sy fotoana namoahan’ny HCC mitanila, namoaka ny voka-pifidianana.

Hay azo idirana ihany izany kianjan’ny 13 mey izany rehefa ho an’ny mpomba an-dRajoelina sy ny forongony, satria tsy nisy lakrimôzena nidoboka, hetsika politika anefa izany, fa tsy nisy nanakana. Tetsy ankilan’izany, nisy maro an’isa nangina, sorena sy tezitra sy tsy faly mihitsy, satria tsy araka ny notakiana, dia ny fifidianana madio sy eken’ny rehetra no nisy, fa ny mifanohitra amin’izany: sarintsarim-pifidianana, sy sarintsarina voka-pifidianana no nivoaka sy navoakan’ny HCC. Niaraha-nahita ny tsy fitovian’ny herijika teo amin’ny kandidà, ary nisy aza ny mbola naratra notsaboina tany ivelany, nefa nisy ny nangalatra fiaingàna hatrany am-boalohany tamin’ny fampielezan-kevitra, sns…

Ankehitriny, navoakan’ny HCC ny didy, fa Rajoelina no lany. Natao maimaika novonjivonjena toy ny tsinain-kena ny famoahana ny vokatra, ary ho toy izany koa, araka ny re, ny hanatanterahana ny lanonana fametrahana azy amin’ny toeran’ny filohan’ny Repoblika, izay voalaza fa hatao ny 16 desambra ho avy izao. Maro no tsy miraika, ao ny tsy faly, ao ny manohitra satria tsy nifidy azy no sady tsy manaiky marindrano frantsay hitondra ny firenena malagasy, tsy eken’ny sainy velively izany.

Raha tombanana amin’isambato azon-dRajoelina ka hametrahana amboletra azy fotsiny izao, dia zara raha ampahafolon’ny vahoaka malagasy, ary iray ampahadimin’ny tokony hifidy. Eken’ny HCC, sy ireo lazaina ho mpitsara ambony manam-pahalalana amin’ny fahaizana lalàna eto Madagasikara anefa izany. Hita miharihary araka izany anefa, fa tsy mifandanja ny mpanohana nifidy azy sy ireo mpanohitra azy eo amin’izao toerany izao, ary ireto farany iaraha-mahalala, fa maro an’isa. Izay indrindra no ilazana hoe, handeha ila toy ny kiraron’i Beminahy ny fitondrany. Tsy hahasoa ny firenena velively anefa izany, ary tsy hampandroso azy ihany koa. Misy aza ny milaza fa vao hijoro dia hidaraboka izao fitondrana izao, tsy hahavita izany taom-piasana 5 taona izany indray, satria ho avy ny tolona tena tolom-bahoaka mitsipaka ny tsy fahamarinana rehetra, sy ny fiverenan’ny fanjanahana indray eto amintsika, noho ny haha-filoha an-dRajoelina izay Frantsay, efa nanary ny maha-Malagasy azy.

EDITO 5 Desambra – Tsy hiadana sy tsy ho finaritra i Madagasikara

Helisoa

Mbola hisy fanantenana ve ny ho havin’i Madagasikara raha izao zavamisy eto amin’ny firenena izao no sainina sy eritreretina? Tany tan-dalàna ve no misy eto Madagasikara sa tsia, satria toa izay tian’ireo tompom-pahefana no hampiharina hitondràna ny firenena? Tena manao ny danin’ny kibony izy ireo, misy fetrany anefa izany. Mbola hanana ny ho aviny mamiratra ve ireo tanora izay lazaina fa ho avin’ny firenena? Mihàtra eto Madagasikara ve ny soa toavina maha Malagasy dia ny fanajàna ireo ray amandreny eto amin’ny firenena, sy ireo izay nampalaza antsika hatramin’izay dia ny fihavanana? Ireo no santionan’ny fanontaniana miverimberina eny ambavan’ny olom-pirenena maro na eny an-dalambe na eny amin’ny tambazotran-tserasera amin’izao fotoana izao, indrindra taorian’ny fifidianana izay tsy nandraisan’ny rehetra anjara teo, ka nampandresen’ny CENI sy HCC an’i Andry Rajoelina.

Ny fanirian’ny rehetra dia hiadana sy ho finaritra i Madagasikara, saingy indrisy mizotra mankany anaty lavaka isika raha jerena amin’ny zavatra misy. Izay tian’ny tompom-pahefana no atao eto ary ataony amin’izay mampetipety azy ny itondràna ny firenena na tsy ao anaty lalàna aza. Aiza ve ka mpitondra lazaina fa lany, tsy nisy fianianana ny fametrahana azy amin’ny fomba ofisialy dia efa midedaka sahady misolo tena an’i Madagasikara any ivelany. Mazava ny voalaza fa tsy filoha izy raha tsy vita ny fianianana amin’ny 16 desambra.

Niditra antsehatra nandamina ny ray amandreny filohan’ny Antenimierampirenena Christine Razanamahasoa sy ny FFKM amin’ny disadisa eto amin’ny firenena, kanjo ny tenany indray no nahazo loza. Fanajana ray amandreny ve izany araka ny soatoavina maha Malagasy? tsia ny valiny. Dia miandry ny ho tohiny ny vahoaka Malagasy 70% mahery tsy nifidy an’i Andry Rajoelina, eo mahita izy hoy ny fiteny iray izay.

www.gvalosoa.net/2023/12/05/edito-5-desambra-tsy-hiadana-sy-tsy-ho-finaritra-i-madagasikara/

http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/edito-5-desambra-tsy-hiadana-sy-tsy-ho-finaritra-i-madagasikara/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO Talata 5 Desambra 2023.

Azonao vakiana eto:
www.gvalosoa.net/2023/12/05/talata-5-desambra/

Tranonkala :
www.gvalosoa.com na
www.gvalosoa.net

Serasera FB Valosoa: m
gvalosoa.net/FB-Valosoa

Tahirin-gazety: gvalosoa.net/tahiry/

Fikarohana: gvalosoa.net/?s=
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO Talata 5 Desambra 2023.

Azonao vakiana eto:
http://www.gvalosoa.net/2023/12/05/talata-5-desambra/

Tranonkala :
http://www.gvalosoa.com na
http://www.gvalosoa.net

Serasera FB Valosoa: m
http://gvalosoa.net/FB-Valosoa

Tahirin-gazety: http://gvalosoa.net/tahiry/

Fikarohana: http://gvalosoa.net/?s=

LAORANJY LO TSY AZO EKENA

Tena tsisy mahataitra ny amin’ny voka-pifidianana,
F’efa hita tany aloha ireo tsy fahatomombanana.
Kandidà tsy nahafeno izay voalazan’ny lalàna
No nanaovana amboletra mba handray ny fiaingàna!

Vokany dia tsy mitombina ary tokony hofoanana
Fa manimba saina fotsiny ity nambara ho fifidianana.
Ny mpitsara dia efa tazana fa nanana ny niandaniany,
Ny komity koa mampiaiky fa indreo manao izay tiany!

Irony vokatra navoaka, na dia mbola vonjimaika,
Dia efa hita fa maneho ny teti-dratsy sy ny paika.
Indreo ny kandidà rehetra fa nezahina nantsoina,
Saingy Rainilainga irery no indro hita fa nanoina!

Ary dia nisolantsolana naka seza teny aloha
Fa efa dodona sy maika hisalotra ny maha-filoha.
Kinanjo indrisy tsy hahazoany voninahitra aman-dera,
Fa mihosina maloto ka dia maro mpitsikera!

K’aoka isika tsy ho taitra ny amin’ny voka-pifidianana,
F’efa indreo mandrovi-tsihy ireo ho very fihinanana!
Ny vahoaka tsy hanaiky fa tsy maintsy hampiaka-peo,
Raha mbola hoe « laoranjy lo » no atao an-tery hapetraka eo!

TSIMIMALO (29-11-23)

www.gvalosoa.net/2023/12/02/laoranjy-lo-tsy-azo-ekena/
... TohinyFintinina

7 andro lasa

http://www.gvalosoa.net/2023/12/02/laoranjy-lo-tsy-azo-ekena/

Fampisakafoanana – Tafarina tamin’ny fahamaizany ny Phô Resto Bel’Air

Aly

Ahiana ho nisy nandoro avy ao amin’ny sekoly izay mifanila aminy ny toeram-pampisakafoanana Phô Resto etsy Bel’Air Ampandrana. Tafarina tamin’izany fahamaizany izany ity orinasa ity amin’izao fotoana, ka nisokatra nanomboka omaly. Manan-tantara ny datin’ny androany 1 desambra 2023 hoy ny tompon’andraikitra satria fiaingana vaovao, fahaterahana vaovao taorian’ny loza mampiahiahy nahamay tanteraka ny lakozia sy ny toerana manodidina azy, tao amin’ity trano fampisakafoanana ity ny alin’ny zoma 27 hifoha sabotsy 28 oktobra lasa teo. Nahandro tena Malagasy toa ny henankisoa sy amalona, hen’omby ritra, saosisin’i Sambaina no hita ao, sy ny maro hafa, fa mbola eo ihany koa ny sakafo vahiny toa ny lasopy Phô vietnamianina. Efa 4 taona no nisokafan’ity toeram-pampisakafoanana ity.

www.gvalosoa.net/2023/12/02/fampisakafoanana-tafarina-taminny-fahamaizany-ny-pho-resto-belair/
... TohinyFintinina

7 andro lasa

Fampisakafoanana – Tafarina tamin’ny fahamaizany ny Phô Resto Bel’Air

Aly

Ahiana ho nisy nandoro avy ao amin’ny sekoly izay mifanila aminy ny toeram-pampisakafoanana Phô Resto etsy Bel’Air Ampandrana. Tafarina tamin’izany fahamaizany izany ity orinasa ity amin’izao fotoana, ka nisokatra nanomboka omaly. Manan-tantara ny datin’ny androany 1 desambra 2023 hoy ny tompon’andraikitra satria fiaingana vaovao, fahaterahana vaovao taorian’ny loza mampiahiahy nahamay tanteraka ny lakozia sy ny toerana manodidina azy, tao amin’ity trano fampisakafoanana ity ny alin’ny zoma 27 hifoha sabotsy 28 oktobra lasa teo. Nahandro tena Malagasy toa ny henankisoa sy amalona, hen’omby ritra, saosisin’i Sambaina no hita ao, sy ny maro hafa, fa mbola eo ihany koa ny sakafo vahiny toa ny lasopy Phô vietnamianina. Efa 4 taona no nisokafan’ity toeram-pampisakafoanana ity.

http://www.gvalosoa.net/2023/12/02/fampisakafoanana-tafarina-taminny-fahamaizany-ny-pho-resto-belair/

Comment on Facebook Fampisakafoanana –...

Arahabaina e. Arahabaina naharina indray

Fanapahan-dalana teo Ambohidahy – Ny tahotra no lehibe indrindra

Niaina

Tapaka ny lalana teo Ambohidahy manodidina ny HCC: fitsarana avo momba ny lalampanorenana omaly, noho ny famoahana ny vokatra ofisialin’ny sarintsarim-pifidianana natao teto amintsika ny 16 novambra lasa teo. Ny tahotra no lehibe indrindra, nahatonga ny tompon’andraikitra nanapaka izany lalana izany hoy ny mpanara-baovao maro, tahotra ny hisian’ny hetsika ho fanoherana izany sarintsarim-pifidianana izany sy ny vokany.

Noho ny tsy fahatomombanana sy ny hosoka tamin’iny fifidianana iny, tsy vitsy ireo milaza ny tokony hanafoanana iny fifidianana iny. Niteraka fitohanana goavana tamina toerana maro teto an-drenivohitra anefa izany fahatapahan-dalana teo Ambohidahy izany: toy ny teny Andavamamba, Ampefiloha, Anosy, Anosibe, Ankadimbahoaka, Ambohijatovo. Nitombo vokatr’izany ny fandaniana solika, ho an’ny mpitatitra sy ny mpampiasa fiara.

www.gvalosoa.net/2023/12/02/fanapahan-dalana-teo-ambohidahy-ny-tahotra-no-lehibe-indrindra/

http://www.gvalosoa.net/2023/12/02/fanapahan-dalana-teo-ambohidahy-ny-tahotra-no-lehibe-indrindra/

Filoha napetraky ny HCC – Tokony handray fepetra hifampitokisana ho amin’ny fifampidinihana hoy ny Ambasady 9

Isambilo

Tao aorian’ny famoahana ny vokatry ny sarintsarim-pifidianana natao teto amintsika, ka namoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) ny sarintsarim-boka-pifidianana ofisialy omaly, nanao fanambarana ireo Ambasady miisa 9 eto amintsika dia ny Vondrona Eropeana, ny OIF : fikambanam-paritry ny Francophonie, i Allemagne, i Korea, i Etazonia, i Frantsa, i Japon, i Royaume-Uni ary i Suisse, fa tokony handray fepetra hifampitokisana ho amin’ny fitohizan’ny fifampidinihana ny filoha vaovao napetraky ny HCC, indrindra ho amin’ny ho avy amin’ny fanaovana ny fifidianana ben’ny tanàna, sy ny mpanolotsainan’ny kaominina ary ny fifidianana depiote.

Izany fepetra izany dia tokony hisy ny soso-kevitra sy fanakianana nataon’ireo mpanara-maso avy eto an-toerana sy avy any ivelany amin’ny fanatevenana ny lafiny lalàna sy ny fanatsarana ny tontolon’ny fifidianana. Hiara-hiasa amin’ny filoha napetraky ny HCC izy ireo, ho amin’ny fampandrosoana maharitra an’i Madagasikara ary handraisan’ny rehetra anjara, ao anatin’ny filaminana sy ny fanajana ny zon’olombelona.

www.gvalosoa.net/2023/12/02/filoha-napetraky-ny-hcc-tokony-handray-fepetra-hifampitokisana-ho-ami...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/02/filoha-napetraky-ny-hcc-tokony-handray-fepetra-hifampitokisana-ho-aminny-fifampidinihana-hoy-ny-ambasady-9/

Comment on Facebook Filoha napetraky ny ...

Simple remarque objective: dans les démocraties occidentales, être élu par même pas le 1/4 de la population d'électeurs inscrits ne peut aucunement être reconnu comme partenaire de travail valable...

Vondron’ny kandidà 11 – Fanafanan-tena no vita, hiditra amin’ny tena tolom-bahoaka amin’izay

Isambilo

Fanafanan-tena no vita tamin’ny volana novambra teo iny, fa hiditra amin’ny tena tolom-bahoaka amin’izay manomboka eto, hoy ny vondron’ny kandidà nanao fihaonambe teny amin’ny QG an’i Siteny Randrianasoloniaiko teny Andohan’i Mandroseza ny alakamisy teo.

Tsy ho an’ny vondron’ny kandidà 11 irery intsony ny tolona hoy ihany ny mpitondra tenin’izy ireo, fa hitatra amin’ny sokajin’olona rehetra ary hitohy hiitatra manerana ny Nosy, miainga amin’ny fokontany, kaominina, distrika, mipaka amin’ny faritra. Nambara koa, voaporofo fa mitombona ary azo raisina ny fangatahana nataon’ny olom-pirenena rehetra sy ny vondron’ny Kandida, noho ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna rehetra hita, tsy azo raisina ary tsy mitombona kosa ny didy izay ho avoakan’ny HCC.

Misokatra ary miantso ny hery velona rehetra ny Vondron’ny Kandida 11 hitsangana sy handray ny andraikitra tandrify azy. Mijoroa ry mpiasam-panjakana, satria ianareo no tena fanjakana, fa tsy ireo manome baiko anareo hikarakara sarintsarim-pifidianana. Ho an’ny Mpitandro filaminana, aoka izay ny fanapoahana grenades, ilay hiranareo hoe “Feon’anjomara” no tianay ho re manomboka izao, satria ianareo no tandroka aron’ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena sy ny vahoaka fa tsy ny mifanohitra amin’izany, miaro filoha vazaha, mamono vahoaka maneho hevitra. Voalaza fa: “mitohy ny tolona, tsy maintsy mandresy ary tsy maintsy firenena tena mahaleo-tena amin’izay i Madagasikara“

www.gvalosoa.net/2023/12/02/vondronny-kandida-11-fanafanan-tena-no-vita-hiditra-aminny-tena-tolom...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/02/vondronny-kandida-11-fanafanan-tena-no-vita-hiditra-aminny-tena-tolom-bahoaka-aminizay/

Comment on Facebook Vondron’ny ...

Izahay tokony ande itolona fa ataovy matotra lay programe eee,,, tsy manaiky hatram farany eee,,, andao hiray hina isika vahoaka fa tena leo tanteraka eee,, ndao takiana hatram farany ny hisian'ny marina sy mangarahara ,,alefa 💪💪💪💪💪💪💪💪💪💪

Mila atao mafy2 amin izay n'y tologna fa raha vo milamina io de lasa n'y fonja no ho fenoin ireo eto💪💪

Efa tsy kandida intsony,fa olona tsotra.

Efa milamina nareo e! AFA tsy Dada irery. Dia mody zany eo! Raha tena anao 'areo tsy ireny zav-nisy.

Toga d droit au but zn tong d action fa ra ts zn d aleo o vazah io.adih rer eo

Tsy vahaolana intsony ny pacifik fa fa MAFIA ny adva

Inona marina kay no tena nitifirana ho faty an'i RATSIMANDRAVA Richard igny fa tsy azoko . Aleo hilamy e!

Ovina ihany e ,efa tady ankaleo

Sao ho mbola pacifique tena izy? Ho volosana fa tsy mahazo mamaly

Ela loatra .

Tairo e

Mankadoa s'y marikoriko n'y vavany dangena reto tena Léo , fampisehona n'y fahendretsika Malagasy n'y hetsika Pacifique nefa ,efa miaopapana n'y fahendretsika ,ka aleo ,miezaka kely miotra

Aza ajanona pacifique intsony fa aleo tsika mampiasa force amzay,tsy maharesy herim-bahoaka izany ireo

11 candidats sa 11 olon-tsotra?

Efa tokony atao aingana fa efa tena latsaka lalina n'y ferenena

Tonga dia atao pacifique fa teo mbola nilalao averina @ 2009

....lambamena

Efa ela izahay no niandry...ts hiady irer ianareo

tsy maintsy mandresy ny tolona

Tokony hanaraka anareo fa ts aiko zay lohany sy vodiny. Toa marina mitavozavoza ny anareo

Motraka

Andrasana ho feno ny fonja sy efa mitolefika daholo ny vahoaka vao hanomboka ve lay tolona sa zany marina politika mifandrebireby eto fotsiny fa tsy misy rah mazava 😠😠😠😠

Fa raoviana ihany ny bevohoka no ho teraka e ? 🤔🥱

Tairo mitsy ranga a.Tsy Rajoel no probleme fa reto vazah manjanaka reto

Izay sahy...

View more comments

Sarintsarim-pifidianana nanome sarintsarim-boka-pifidianana

Andry Tsiavalona

Araka ny efa niaraha-nahita sy nandre, ny vokatry ny sarintsarim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni) herinandro lasa izay, fa mandresy amin’ny salan’isa 58,9% ny kandidà frantsay Andry Nirina Rajoelina. Ny Vondron’ny kandidà iraikambinifolo etsy an-kilany dia nanao ny ezaka rehetra nanamafy fa toy ny tsy nisy iny fifidianana iny, noho ny tsy fahatomombanan’ny fikarakarana izany.

Nihaona tamin’ireo Vondrona Iraisam-pirenena ihany koa izy ireo nanaporofo ny tsy fanarahan-dalàna nialoha sy nandritra ary aty aorian’ny fifidianana. Ny alarobia lasa teo dia nanome ny porofo rehetra momba ireo hala-bato sy tsy fitoviana ao anatin’ny fitanana an-tsoratra fanovana tany amin’ireo biraom-pifidianana maro, ka nangataka ny fampitahana izany (confrontation) teo anivon’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana, kanefa dia nolavina izany. Nitsikera ireo tsy fanarahan-dalàna sy fanaparam-pahefana nitranga tany amin’ireo biraom-pifidianana ihany koa ny Fikambanana nanao fanaraha-maso Safidy. Nanao fandrahonana ny « mpitandro ny filaminana nasionaly », fa tsy azo atao ny mivorivory sy maneho hevitra tamin’ny ankatoky ny famoahan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny sarintsarim-boka-pifidianana ofisialy.

Ny sarintsarim-pifidianana tokoa raha ny lojika dia manome sarintsarim-boka-pifidianana. Tsapa avy amin’izany ankehitriny, fa tsy miaro ny Firenena sy ny vahoaka ny foloalindahy, fa miaro ny kandidà frantsay ary hiray tsikombakomba amin’ny fanjanahana an’i Madagasikara indray. Tsy misy ary tsy hisy vazaha frantsay hiaro ny tombontsoan’ny olompirenena Malagasy, sy ho saropiaro amin’ny harena eto Madagasikara izany. Nanao fianianana i Andry Nirina Rajoelina fa hiaro ny tombontsoan’i Lafrantsa rehefa nomen’ny frantsay ny zo maha olompirenena frantsay azy, rehefa ninia nangataka izany. Voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenena Malagasy, fa tsy maintsy mizaka ny zompirenena Malagasy izay mirotsaka ho filoham-pirenena koa raha fanjakana tan-dalàna ny mijoro eto Madagasikara dia tsy ho kandidà mihitsy i Andry Nirina Rajoelina ary tamin’ny fanambarana ny voka-pifidianana nataon’ny Hcc dia tokony ho foanana ny vatony. Ny farafaharatsiny azo ekena dia ny fampitahana ny vokatra voarakitra ao amin’ireo fitanana an-tsoratra voarain’ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (Ceni), sy ny eo am-pelatànan’ny kandidà nandray anjara tamin’ny fifidianana. Tsy nifanalavitra tamin’ny tarehimarika navoakan’ny Ceni ny navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Na inona na inona didy tsy azo ivalozana avoakan’ny Hcc amin’ny fomba ofisialy dia « ara-dalàna » angamba izany, fa tsy hahazo ny fankatoavan’ny Malagasy (légitimité) na rahoviana na rahoviana. Entina manaporofo izany ny olona « nandatsa-bato » ho an’i Andry Nirina Rajoelina (tsy resahina ny fanovana ny biletà tokana sns,…). Na tiana na tsy tiana dia tsy hilamina ity Firenena ity raha mbola miziriziry hizotra amin’izao làlana mamarina ny Firenena any an-kady izao ny mpitondra. Marary ny toekarena, ny fiainana ara-tsosialy ary ny sehatra politika. Tsy afaka misaina ny tena fampandrosoana ny Firenena mihitsy ny mpitondra, fa variana amin’ny fifikirana eo amin’ny fahefana sy ny fangoronam-bola. Tsy izao fitondrana izao no manana ny fahaizana sy traikefa entina mitsabo ny Firenena, satria ao amin’izy ireo mihitsy ny viriosy ka miezaka izy ireo hamindra izany amin’ny olompirenena maro. Tsy hanaiky izany ny olompirenana Malagasy saropiaro amin’ny fiandrianam-pirenena sy ny fiverenana amin’ny firenena tan-dalàna ary ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana sy ny Fitsipiky ny Zompirenena. Ho mafy ny tolona, izay miofo ho tolom-bahoakaka ary ny hery rahateo tsy mahaleo ny fanahy.

www.gvalosoa.net/2023/12/02/sarintsarim-pifidianana-nanome-sarintsarim-boka-pifidianana/

http://www.gvalosoa.net/2023/12/02/sarintsarim-pifidianana-nanome-sarintsarim-boka-pifidianana/

Mazava izay! Avoahy miaraka amin’ny vava miteny! ... TohinyFintinina

7 andro lasa

Mazava izay! Avoahy miaraka amin’ny vava miteny!

EDITO 2 Desambra – Tsy vitan’ny mpitandro filaminana ny asany – Mankany amin’ny habibiana tanteraka ny herisetra mitranga

Sôh’son

Tsy misy andro na alina tsy andrenesana asan-jiolahy eto amin’ny firenena, na ambanivohitra na an-tanàn-dehibe, amin’izao fotoana izao. Mitatitra isan’andro ny haino vaky jery maro. Mirongatra ny asan-jiolahy sy dahalo. Ratsy tanteraka ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena, tsy lavina efa nisy tato anatin’ny taona maro izany, na tato anatin’ny folo taona farany, na indrindra tao anatin’ny dimy taona farany nitondran-dRajoelina. Ilay asan-jiolahy na dahalo ao anatin’izany dia feno habibiana matetika, izany hoe ahenoina vono olona mahatsiravina. Tsy mbola fahita taona maro tany aloha tany, izany hoe fikapahan-doha olona izay miseho lany izany, ny fakàna takalon’aina sy herisetra amin’ny endriny samihafa toy ny fanolanana, fakàna voamaso, fakàna taova, sns… Efa tena mankany amin’ny habibiana tanteraka ny herisetra mitranga.

Iza no tompon’andraikitra voalohany amin’izany ? Ireo lazaina ho mpitandro filaminana, dia ny polisy ny zandary ary miaramila. Ireo no nilaza sy nianiana ho an’ny tanindrazana, ho tandroka aron’ny vozona ary hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Miharihary tanteraka fa tsy nahavita ny asa sy ny andraikitra nampiandreketina azy izy ireo matoa tonga amin’izao tranga izao ny toe-javamisy. Ny nanakaramaina an’ireo anefa dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Azo lazaina mihitsy ho maty antoka ny vahoaka fa ny olona ampiasainy iandraikitra ny fiarovana azy tsy mahavita ny asany, ny mpitondra hala-bahoaka sy ny vahiny indray no toa arovany. Iaraha-mahalala, fa feno jeneraly eto amin’ity firenena ity, ary i Madagasikara angamba no anisan’ny firenena be jeneraly indrindra. Niha-nitombo isa izy ireo tao ambadiky ny taona 2009 – 2010 nisian’ny fanonganam-panjakana notarihan-dRajoelina. Miharihary anefa fa tsy nahavaha olana amin’ny tsy fandriampahalemana izy ireo, izao iaraha-mahita sy miaina izao ny fijalian’ny vahoaka malagasy. Karazany very fotsiny ny volam-bahoaka.

Ny manorisory ny olom-pirenena maro, dia mivangongo eo afovoan-tanàna: manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo na ny Kianjan’ny 13 Mey sy Analakely fotsiny ary mandany andro mitango lalitra eo, na milalao finday, na milalao fotsiny no ataon’izy ireo isan’andro. Ny baiko nomena azy ireo: hiandry vahoaka haneho hevitra hidina an-dalambe ho eo. Vahoaka mitondra tanam-polo anefa. Aleon’izy ireo manempotra amin’ny gazy lakrimôzena, mandratra mandatsa-drà, mitifitra, misambotra sy managadra, mamono ireo vahoaka ireo, toy izay very tombontsoa manokana. Iaraha-mahalala, fa fiarovana seza sy tombontsoa manokana no hamonoana vahoaka toy izany, fa hamaivanina ny ady amin’ny jiolahy sy dahalo manerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Vahoaka poretina, vonoina, gejaina, tampenam-bava, fa izay mihetsika sy sahy miteny samborina, anaovana ramatahora, gadraina, sns… izany no misy eto amin’izao fotoana izao. Tafidi-doza ny firenena malagasy.

www.gvalosoa.net/2023/12/02/edito-2-desambra-tsy-vitanny-mpitandro-filaminana-ny-asany-mankany-am...

http://www.gvalosoa.net/2023/12/02/edito-2-desambra-tsy-vitanny-mpitandro-filaminana-ny-asany-mankany-aminny-habibiana-tanteraka-ny-herisetra-mitranga/
Load more