Tsimbazaza, 23 marsa 2024 – Fihaonana amin’ ireo hery politika – Lahatenin’i Christine Razanamahasoa (PAN)

Ny Valosoa

Fijalian’ny vahoaka Malagasy

“Tsapako sy henoko ireo fitalahoana. Tsapako sy reko ny fitarainana amin’ny fahasarotan’ny fiainantsika. Reko ny tarainanareo tanora. Reko ny tarainanareo rehetra izay tonga eto. Tsapako ary reko ny ady amin’ny fiainana.”

Tolombahoaka notarihana 15 taona lasa

“Tsy izao mihitsy no nifanarahana tompoko o, raha nanao ny tolombahoaka, ny tolon’ny Malagasy 15 taona lasa izay. Velom-panantenana tamin’izany, fa amin’izao fotoana izao, firenena faran’izay mahantra i Madagasikara. Tsy izany no nampanantenaina.”

Fitaka ny tolona nahatongavana hatrany Ambohitsirohitra

“Ny tena marina, dia toy ireny jamba hiala amin’ny maizina ireny izahay tamin’ny tolona natao teny an-dalambe, ka nahatsapa hoe efa nisy ihany kay izany ny fitaka. Fa izahay angamba no vendrambendrana, ka dia nandeha am-pinoana sy am-pahatokisana.”

Sarintsarina fahafahana no hita taorian’ireny tolona ireny

“Ilaina ampahatsiahivina ve ny niakarana tao Ambohitsirohitra ka nilazàna fa hoe hody fa sao dia … fa izahay kosa izay teny dia nandeha tao anaty finoana tanteraka. Dia izay te-handala ny natao hoe fahafahana, dia nanjohy an’Ambohitsirohitra. Kinanjo, fandrika tanteraka ny tao. Kinanjo “pseudo” fahafahana no hita sy noraisina.”

Fijoroana sy fampanenoana lakolosy

“Ao anaty fitondrana anie aho e. Ianareo ihany no miteny hoe “légitime no sady “legal” ianao. Kanefa tsy voatery noho ny fahasarotana miantso sy manery, na ao ny “légitimité” na ao ny “légalité”, dia tsy maintsy mijoro mampaneno lakolosy , manambara ny fahasahiranana sy ny loza mitatao ho an’ity tanindrazantsika ity.

Tsy miray tsikombakomba amin’ny fitondrana vahoaka amin’ny lalana tsy izy

“Adidiko ny milaza an’izany satria olomboafidy aho tompoko o. Mihaino ny feon’ny vahoaka anay. Vahoaka no nahatongavana amin’izao maha-solombavambahoaka izao, ka tsy ho tsiny aho tsy hiray tsikombakomba kosa amin’ny fitondrana ny vahoaka any amin’ny lalana izay tsy izy.”

Antso hiaraka hanome vahaolana ho an’i Madagasikara

“Inona àry ny vahaolana? Aza miandry ny vavako hiteny ianareo. Fantatro ny ao an-tsainareo. Fantatro ny ao am-ponareo, ny ao am-po tsy miloaka. Izao fangirifiana izao dia mitaky ampitso hiova.
Koa raha mitovy ny mamparary antsika, raha mitovy ny fitiavantsika ity tanindrazantsika, Madagasikara ity, raha mitovy ny eritreritsika, tarito aho, tantana aho, ampio aho, ampio handray fanapahankevitra amin’ny fanovàna olompirenena.”

Mbola hitohy ny fihaonana amin’ny hery politika toy ny natao tamin’io fotoana io teny amin’ny Antenimierampirenena hoy i Christine Razanamahasoa.

‘https://fb.watch/r122O3Hz3H/