Vondron’ny kandidà 11 – Fanafanan-tena no vita, hiditra amin’ny tena tolom-bahoaka amin’izay

Isambilo

Fanafanan-tena no vita tamin’ny volana novambra teo iny, fa hiditra amin’ny tena tolom-bahoaka amin’izay manomboka eto, hoy ny vondron’ny kandidà nanao fihaonambe teny amin’ny QG an’i Siteny Randrianasoloniaiko teny Andohan’i Mandroseza ny alakamisy teo.

Tsy ho an’ny vondron’ny kandidà 11 irery intsony ny tolona hoy ihany ny mpitondra tenin’izy ireo, fa hitatra amin’ny sokajin’olona rehetra ary hitohy hiitatra manerana ny Nosy, miainga amin’ny fokontany, kaominina, distrika, mipaka amin’ny faritra. Nambara koa, voaporofo fa mitombona ary azo raisina ny fangatahana nataon’ny olom-pirenena rehetra sy ny vondron’ny Kandida, noho ireo hosoka sy tsy fanarahan-dalàna rehetra hita, tsy azo raisina ary tsy mitombona kosa ny didy izay ho avoakan’ny HCC.

Misokatra ary miantso ny hery velona rehetra ny Vondron’ny Kandida 11 hitsangana sy handray ny andraikitra tandrify azy. Mijoroa ry mpiasam-panjakana, satria ianareo no tena fanjakana, fa tsy ireo manome baiko anareo hikarakara sarintsarim-pifidianana. Ho an’ny Mpitandro filaminana, aoka izay ny fanapoahana grenades, ilay hiranareo hoe “Feon’anjomara” no tianay ho re manomboka izao, satria ianareo no tandroka aron’ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena sy ny vahoaka fa tsy ny mifanohitra amin’izany, miaro filoha vazaha, mamono vahoaka maneho hevitra. Voalaza fa: “mitohy ny tolona, tsy maintsy mandresy ary tsy maintsy firenena tena mahaleo-tena amin’izay i Madagasikara