Kianjaben’i Mahamasina – Asabotsy 24 Febroary 2024 – Fihaonamben’ny fiatrehana ny firenena sy ny zo aman-kasin’ny vahoaka Malagasy

“Malagasy rehetra miara-manangana firenena vanona miaraka amin’ny Zanahary”

Ny Antenimieran’ny Raiamandreny Foko Malagasy (ARFM), ny fikambanana BAAM (Betsileo, Antesaka, Antandroy, Antanosy, Antandroy, Makoa), ny Grand Sud, ny Triangle du Nord, ny Imerina enintoko sy ny vondronkery mpiaradia, dia manasa antsika vahoaka Malagasy tsy vakivolo rehetra manerana ny Nosy fa tonga ny fotoana andraisana an-tanana ny firenena, hanatontosa fihaonana manoloana ny fiatrehana ny firenena sy ny zo aman-kasin’ny vahoaka.

Ny toerana dia eo amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny Asabotsy 24 Febroary 2024 manomboka amin’ny 9 ora maraina.

Alefa Madagasikara, Malagasy amin’izay!

ARFM-20240213-TaratasyFampahafantarana