Vondron’ny kandidà. Mahamasina – Nitifitra ny herim-pamoretana, nosamborina ny depiote Fetra R.

Stefa

Efa tena tafahoatra ny herisetra ataon’ny herim-pamoretan’ny fitondrana amin’izao, manoloana ny hetsika am-pilaminana ataon’ny vondron’ny kandidà mitaky fifidianana madio, mangaraharaha sy eken’ny rehetra ary fiverenana amin’ny fanjakana tan-dalàna tetsy Mahamasina omaly. Nandefa baomba mandatsa-dranomaso, nitifitra, nanao herisetra tamin’ny olona teny an-toerana ireo herim-pamoretana ireo. Nisy noho izany ny olona naratra, anisan’izany ny lehilahy iray voatifitra teo amin’ny takolany, loaka mihitsy ny tarehan’izany olona izany. Nosamborin’izy ireo tamin-kerisetra ihany koa ny depiote Fetra Ralambozafimbololona, depiote TIM ao amin’ny Boriboritany faha-5, sady filohan’ny Vondrona Parlemantera Tiako i Madagasikara.

Efa nahazo fitsaboana ny naratra. Ny depiote kosa dia eny Fiadanana no tazonina ary marary noho ny daroka tamin’ny fisamborana natao azy, nambaran’ireo tompon’andraikitra fa tsy misy mahazo mitsidika azy. Ny Mpitsabo iray ihany no neken’ny zandary hiditra ao amin’ny Tobiny na dia maro aza ireo hitsidika an’ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona. Na dia nandresy lahatra mba hihaona aminy aza ireo depiote namany sy loholona ary Kandidà filoham-pirenena dia tsy nanaiky an’izany ny Kolonely Tojo izay nifampiresaka tamin’izy ireo teo amin’ny vavahady. Tsy nisy nahazo niditra araka izany ankoatran’ilay mpitsabo iray eny na ny fianakaviany aza.

Tsiahivina, niteny mahery an’ity Kolonely ity noho ny faharatran’ny vehivavy iray vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso ny Solombavambahoaka Fetra Ralambozafimbololona teny Antaninandro ny sabotsy 04 novambra teo. Na eo aza izany herisetra sy antsojay ataon’ny herim-pamoretana izany, mitohy ihany ny hetsiky ny vondron’ny kandidà, eny amin’ny Rond Point Ambatomaity indray ny fotoana anio amin’ny 11 ora.