Rajoelina efa nanary ny maha-gasy azy – Fanambaniana ny Malagasy hoy ny filoha Marc Ravalomanana

Stefa

Lanonana tsotra nefa nanana ny naha-izy azy, ny natao teny Faravohitra nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-74 nahaterahan’ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, izay mbola ao anatin’ny tanjany ihany koa. Nitondra ny fiarahabana azy nandritra izany ny solontenan’ny RMDM, Pasitera Edouard Tsarahame; ny solontenan’ny mpiara-miasa aminy fony izy nitondra ny taona 2002 ka hatramin’ny taona 2008, ny ministra teo aloha: Mejamirado Razafimihary. Ny solontenan’ny olom-boafidy TIM: depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolotsaina, ny depioten’Antsirabe II, José Randrianantenaina ary ny solontenan’ny rehetra niatrika ny lanonana ny talata teo, ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro.

Nambaran’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany fa mandalo krizy maro sosona, na crise multiple ny firenena amin’izao fotoana, noho izany mijoroa hoy izy. Fanambaniana ny Malagasy koa ny haha filoha an-dRajoelina izay Vazaha taratasy nanary ny maha-Malagasy azy. Tsy maintsy tohizana ihany koa ny tolona hoy izy, satria i Madagasikara dia ho an’ny Malagasy. Loha-hevitry ny fotoam-bavaka nandritra izany ny tenin’ny Soratra Masina: “fa izay miandry an’i Jehovah dia handroso hery kosa; elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; hihazakazaka izy nefa tsy ho sasatra, handeha izy nefa tsy ho reraka” : Isaia 40: 31.

Nosoritany nandritra io fotoana io koa: “mandefitra manana ny rariny ny Malagasy, kanefa tokony hifoha sy sahy mijoro ao anatin’izao fanagejana izay mihàtra amintsika rehetra izao. Aoka ho tsaroantsika tsara fa ny politika no manoritra ny momba anao androany sy ny hoavinao rahampitso. Raha mahantra ianao dia nohon’ny rafitra sy ny politikam-panjakana no anton’izany. Entin’ny sasany hanararaotana ny Malagasy ny hoe tsy manana fotoana hanaovana politika, fa mila mitady izay ho hanina isan’andro ny Malagasy. Marina tokoa fa sarotra ny fiainana, kanefa izao zavamisy izao dia tsy hanatsara ny fiainan’ny vahoaka Malagasy mihitsy. Noho izany mitohy ny tolona”, hoy izy.