Raharaham-pirenena – Nihaona indray ny vovonana PAN/FFKM sy ny vondron’ny kandidà

Isambilo

Nihaona indray ny vovonana filohan’ny Antenimierampirenena (PAN) sy ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ary ny vondron’ireo kandidà omaly teny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. Tonga tany avokoa ireo avy amin’ny vondron’ny kandidà miisa 10, ny mahakasika ny raharaham-pirenena no heverina fa noresahana tamin’izany, indrindra ny mahakasika ny fahavitan’ilay fifidianana amboletra sy ny hivoahan’ny vokatra tamin’izany, izay tsy ara-dalàna sy feno hosoka. Ireo vondron’ny kandidà dia efa nanambara fa heverin’izy ireo ho toy ny tsy misy iny fifidianana iny, noho izany ny vokatr’izany dia heverin’izy ireo ho toy ny tsy misy ihany koa. Voaresaka koa ny amin’ny ho firosoana amin’izay ho amin’ny fifampidinihana amin’ny hery politika rehetra, ny sokajin’olona samy hafa eto amin’ny firenena, handaminana izao olana politika misy eto amin’ny firenena izao noho ny resaka fifidianana, sy ny tsy fanarahan-dalàna maro ataon’ireo mpitondra amin’izao fotoana.