Hetsiky ny vondron’ny kandidà – Sabotsy mifankahita eo amin’ny kianjan’ny 13 mey

Niaina

Araka ny efa voalaza teny Antsonjombe ny sabotsy lasa teo, ny sabotsy 4 novambra ho avy izao, no hiditra ho eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey eo Analakely ary hamarana ny tolona ny vondron’ny kandidà. Sabotsy mifankahita izany eo amin’ny Kianjan’ny 13 mey araka ny fanirian’ny rehetra, mba hisian’ny fifidianana madio, mangaraharaha tsy mitanila eto amin’ny firenena, ary ny hanoloana ny HCC sy ny CENI ary ny governemanta izay tena miandany amina kandidà tokana dia i Andry Rajoelina. Efa mametraka ny paikady rehetra ho amin’izany ny mpitarika ny hetsika, ka heverina fa hirohotra eny amin’ny amin’ny Kianjan’ny 13 mey ny rehetra, ireo efa nanatanteraka ny tolona hatramin’izay, ny olon-tsotra, ny mpanao politika, ny fikambanana, ny fiarahamonim-pirenena, ny sendikan’ny mpiasa, na ny miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny mpianatra,… Tsy misy mahatohitra ny tanjaky ny vahoaka izany, ka heverina fa hifarana amin’io fotoana io tokoa ny tolona, satria tena efa potika ny firenena nandritra izay 5 taona nitondran-dRajoelina sy ny forongony izay.

Momba ireo vondron’ny kandidà ihany, diabe am-pilaminana teny Ampasampito, Ankadindramamy, Mahazo, Ambohimahitsy, no nanohizan’izy ireo ny tolona ny alatsinainy teo. Marobe hatrany ireo mpanara-dia. Omaly sy ny talata teo kosa, nanohy ny fihaonana tamin’ny sokajin’olona samy hafa ny vondron’ny kandidà ho amin’ny famaranana ny tolona efa voalaza teo. Ny talata teo izy ireo, no nihaona tamin’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine teny Tsimbazaza, tsy nisy nipika ny resaka nandritra izany, fantatra kosa fa vonona hitarika amin’ny dinika hikatsaham-bahaolana ny Antenimierampirenena.

Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa Christine, fa efa manomana ny fanelanelanana ny parlemantera taorian’ny fihaonany tamin’ny vondron’ny kandida. Tsy matahotra ny fanesorana azy eo amin’ny toerana maha filohan’ny Antenimierampirenena azy ihany koa ny tenany. Ny marina sy ny mangarahara no hampanjakaina hoy izy ary mandalina ny demokrasia ny eo anivon’ny Antenimierampirenena.