Vondron’ny kandidà – Tolon’ny voafitaka, ny voan’ny tsindry, tolom-bahoaka no atao

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo omaly tolakandro, ny vondron’ireo kandidà tamin’ny fifidianana filohampirenena teto amintsika, nambaran’izy ireo nandritra izany fa tolona ho an’ireo voafitaka, tolona ho an’ireo voan’ny tsindry, tolom-bahoaka no atao manomboka izao manerana ny Nosy, fa tsy tolona ho an’ireo kandidà 10 fotsiny intsony.

Be ny olona voafitaka amin’ny vola tamin’ny fifidianana natao ny alakamisy teo, miantso ireo voafitaka sy tratran’ny tsindry ireo ny vondron’ny kandidà, tolona ho azy ireo no anisan’ny atao manomboka eto. Ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataony omaly dia maneho amin’ny vahoaka maro an’isa, fa mbola mitambatra sy miaraka ary hanohy ny tolona hatrany ny vondron’ny kandidà. Navoitran’ny mpandahateny, fa amboamboarina ny voka-pifidianana mivoaka ao amin’ny CENI, indrindra ny fanabontsinan’izy ireo ny taux de participation, na ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy.

Nasongadiny koa fa maro an’isa ny olompirenena tsy nifidy ny alakamisy teo, satria tsy nankasitraka iny fifidianana iny. Amin’ny vondron’ny kandidà dia toy ny tsy misy iny fifidianana amboletra tamin’ny 16 novambra iny. Nanambara koa izy ireo fa tsy hanaiky ny hametrahana filoham-pirenena Vazaha eto amintsika, Vazaha Rajoelina hoy izy ireo, satria efa ninia nangataka ny hizaka ny zom-pirenena Frantsay, ka very avy hatrany noho izany ny maha-Malagasy azy. Ity herinandro ity dia voalaza ihany koa, fa fotoana hanetsehana mafy ny tolom-bahoaka.