Madagasikara – Volamena – Ho fehezina toy ny lavanila ve ?

Nangonin’i Lanzelo

Tsy zohina amin’ny vahoaka malagasy intsony ny gaboraraka manodidina ny volamena, raha tsy hilaza fotsiny ireo fanondranana tratra tany Afrika Atsimo na tatsy Nosy Kaomaoro. Tamin’ny taona 2020 anefa dia nofoanana ny halalana manondrana volamena ivelan’i Madagasikara entina hanadiovana ny tontolo manodidina ny volamena “hono” satria tsy miverina eto amin’ny firenena ny vidin’ireo volamena voaondrana. Kinanjo inona no zava-mitranga fa niha-nahazo vahana ny fanondranana antsokosoko ary tsy mety voasambotra mihitsy ireo tambozotra izay fantatra fa miray petsapetsa amin’izao fitondrana fozaorana izao.

Tamin’ny taona 2022 dia nofaranana ilay fanafoanana. Ankehitriny dia kasaina ho sokafana amin’ny “fomba ofisialy” ny fanondranana volamena, ka miisa enina ireo orinasa omen’ny fitondrana halalana manao izany. Ao amin’ny “Mining Business Center” ao Ivato no misy ny “guichet unique” izay toerana tokana tsy maintsy handalovan’ireo orinasa manomana ny fanondranana volamena.

Ireto avy ireo orinasa mahazo manondrana volamena:
– Madagascar Mining Co, an’i Sylvain Rakotondramazava
– Madgama International Group, an’i Abdul Majeed Atamutty
– Gold Trading, orinasal misoratra ao Antsiranana, an’ny frantsay Bernard Soufou
– Classic Real Stones, an’i Henintsoa Rakotojanahary sy Marie Manampisoa
– Catalyst Capiral Partner, an’i Anil Gulshan Lal Bindra
– SOA Gold, nitsangana tamin’ny taona 2021, an’i Sylvain Rabetsaroana, loholona teo aloha, mpanolotsaina akaikin’i Mamy Ravatomanga.

Ity orinasa farany ity no mampanahy ireo mpandraharaha ao anaty ny tontolon’ny harena an-kibon’ny tany noho ny tranga niseho tanaty ny tontolon’ny lavanila. Tamin’izany no nampiasa i Mamy Ravatomanga entina hifehezana ny tsenan’ny lavanila ka nosakanany ny fanomezan-dalana ireo mpanondrana. Mitohy hatrany ny asan’ny fozaorana.

(Africa Intelligence, 8/2/2024, “Madagascar – Or : la short list des entreprises autorisées à exporter”)