Vondron’ny kandidà – Mahitsy – Tsy omby ny toerana namaranana ny diabe na nandeha 10 km aza

Isambilo

Tsy omby ny toerana namaranana ny diabe am-pilaminana tany Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo omaly, nataon’ny vondron’ireo kandidà, na nandeha kilometatra maromaro nahatratra hatramin’ny 10 km aza izy ireo sy ny mpanara-dia azy.

Nosakanan’ny herim-pamoretana indray mantsy omaly ny vondron’ny kandidà raha ho any Mahitsy, teo Manakambahiny izy ireo no voasakana. Na nisy aza izany fanakanana izany, nandeha an-tongotra ny rehetra ka tonga tany Mahitsy ihany. Nisy ireo nandeha nanivatsiva tany an-tanimbary, nisy ireo nandeha lala-masaka nihanika tendrombohitra,… Ka na nandeha an-tongotra kilometatra maromaro aza ny rehetra, vao mainka niha-maro be teny an-dalana ary tsy omby ny toerana malalaka namaranana ny diabe tany an-toerana.

Noanterina tamin’ny vahoakan’i Mahitsy ireo fitakiana miisa 4 dia ny hoe: tsy mila kandidà tsy Malagasy, ny fananganana CES na Fitsarana manokana hisahana ny fifidianana, fandravana ny governemanta ary ny fanavaozana ny CENI. Momba ny tsy anekena kandidà tsy Malagasy amin’ny fifidianana: araka ny andininy faha-42 ao amin’ny lalàna momba ny fizakana ny zom-pirenena Malagasy, izay mangataka an-tsitrapo zom-pirenena vahiny dia very ny zo maha-Malagasy azy.

Ny mahakasika ny fananganana CES: ny HCC andry tokony hampanaja ny lalampanorenana indray no manitsakitsaka izany. Ny amin’ny fandravana governemanta: tsy atokisana intsony ny governemanta misy satria, manosika sy manery ary mampiasa ny mpiasam-panjakana sy ny fitaovam-panjakana ho enti-mampandany ny kandidà Rajoelina.

Ny amin’ny fanavaozana ny CENI: tsy mahaleotena ny CENI ary maro ny tsy fahatomombanana amin’ny fikarakarana ny fifidianana toy ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana feno fahadisoana, ny biraom-pifidianana tsy misy fangitra GPS. Tsy mangaraharaha ny fitantanana, indrindra ny momba ny rindram-baiko na ny logiciel ampiasaina.

Ankoatra izany, nanamafy ny rehetra fa eny amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely anio, ho famaranana izay tolona izay.