Vondron’ny kandidà – Hitohy amin’ny herinandro ny hetsika manerana ny Nosy

Isambilo

Nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Andraharo omaly, ny vondron’ny kandidà 11, nisongadina fa hitohy amin’ny herinandro ho avy io ny hetsika manerana ny Nosy.

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo omaly: “Mitohy ny tolona!”. Mitsangana ny “Cellule de crise” izay hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ho avy izao. Tsipahinay marindrano ny fianianana ho Filoham-pirenena izay kasain’Andriamatoa Andry Rajoelina hatao ny 16 desambra 2023 ho avy izao, izay mbola fanitsakitsahana ny fiandrianam-pirenena ihany koa.

Ankoatr’izany, namolavola lalàm-pifidianana vaovao ny “Collectif des candidats”, hanatsaràna ny lalàna efa misy. Etsy andaniny, noraisina ny soso-kevitra avy amin’ireo mpanara-maso ny fifidianana sy ireo mpiara-miombon’antoka amintsika, ary etsy ankilany, tsy maintsy sorohana ireo krizy politika hateraky ny fifidianana toy ireo efa nitranga matetika, ka niteraka fahasahiranana,” hoy Andriamatoa Hajo Andrianainarivelo raha nitondra ny tenin’ny vondron’ireo kandida omaly.