20 C
Antananarivo
Fri 5 Mar 2021 07:43

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
broken clouds
20 ° C
20 °
20 °
88 %
2.1kmh
75 %
Fri
20 °
Sat
25 °
Sun
28 °
Mon
24 °
Tue
26 °
Comments Box SVG iconsUsed for the like, share, comment, and reaction icons

MAGRO TANJOMBATO indray izany rehefa tsy omeny ny taniny e!... Ampitapitao any amin’ny namana e!

fb.watch/40VMvKQFDe/
... TohinyFintinina

10 ora lasa

MAGRO TANJOMBATO indray izany rehefa tsy omeny ny taniny e!... Ampitapitao any amin’ny namana e!

https://fb.watch/40VMvKQFDe/

Tongava maro. Ny firaisankina no hery. ... TohinyFintinina

11 ora lasa

Tongava maro. Ny firaisankina no hery.

Comment on Facebook Eny amin'ny MAGRO ...

D aiz ndray ntenen @zoma 😂😂😂😂

SABOTSY MIFANKAHITA

Saika ahitana hetsika amin’ny faritany enina,
Noho ny ataon’ireo mpitondra jamba sady bemarenina.
Ao ny fitakiana vola, ao ny hetsi-panoherana,
Mihovitrovitra ny ngeza f’efa tena ratsy toerana!

Tsy Iarivo irery ihany fa ny faritany enina,
No hisian’ny fitakiana, ka indreo mipenimpenina,
Miezaka mamono afo ry zareo mpirehareha,
Saingy hatreto dia efa tena tapi-dalana haleha!

Basy sisa arangaranga, herisetra no amparina.
‘Zay no hany fara hevitry ny tsy hendry sy tsy marina.
Mihozongozona ny sezany, hita ny fihilangilany,
Saingy tsy ampy hanavotra azy ny herin’ireo miaramilany!

Matoa mihetsika daholo iretsy faritany enina,
Dia mazava dia mazava f’efa vita ny ala nenina.
Olona tsy azo ahitsy ireo milaza ho andrarezina,
Ary akaiky raha izao ilay “fianjerana miezinezina”!

N’inoninom-pandrarana sy karazan-tsakantsakana,
Ny an’ny “solombava enina”, tongotra efa mby an-dakana.
Efa vonona ny tatitra, fiomanana efa vita.
Amin’ny sabotsy izao, eo indray mifankahita!

TSIMIMALO (02-03-21

www.gvalosoa.net/2021/03/04/sabotsy-mifankahita/
... TohinyFintinina

18 ora lasa

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/sabotsy-mifankahita/

Resaka lisi-pifidianana – Fositra nanovana ny safidim-bahoaka teto hoy ny depiote Rodin

Rajo

Mbola nanao fanavaozana lisi-pifidianana ihany ny Ceni, ary nilaza fa afaka manamarina izany eny anivon’ny fokontany, ireo izay manana olana amin’izany. Nanamafy ny Ceni fa io lisitra io no hahafahana miatrika fifidianana manaraka indray.

Nokianin’ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato io, satria io ihany no niteraka olana teto Madagasikara hoy izy, niainga tamin’io lisitra io ny hala-bato teto amintsika raha tsy hiresaka afa-tsy ireny fifidianana filoham-pirenena ireny fotsiny isika. Tsy iny ihany, fa mbola nitohy tamin’ireo fifidianana nifanesy taty aoriana izany ary efa nisian’ny disadisa teo amin’ny samy mpikamban’ny Ceni, tamin’ny namoahan’ny filoha lefitra teo aloha Thierry Rakotonarivo ny marina tamin’izany. Tsy miaiky ihany ny Ceni, fa izy ireo no fototry ny disadisa pôlitika eto Madagasikara, nefa mbola manohy ny resaka lisi-pifidianana ihany. Ny vahoaka tsy mahalala, fa dia roboka hatrany, satria efa mba te-hifidy angamba satria ireo feno taona tsy mbola nihàran’ny olana no tafiditra amin’izany.

Nanamafy ity solombavambahoaka ity, fa tsy vao izao, fa efa ela no nitaky ny fanoloana ireo mpikambana eo anivon’ny Ceni ny antoko mpanohitra, ary fandravana mihitsy aza, nefa dia izao izy mbola sahy mamoaka lisi-pifidianana vaovao izao indray. Hafahafa ohatr’ilay nitsako labozia io.

www.gvalosoa.net/2021/03/04/resaka-lisi-pifidianana-fositra-nanovana-ny-safidim-bahoaka-teto-hoy-...

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/resaka-lisi-pifidianana-fositra-nanovana-ny-safidim-bahoaka-teto-hoy-ny-depiote-rodin/

Gadra politika 12 mianadahy – Avoahay fa tsy nisy heloka nataony

Stefa

Miha-maro hatrany amin’izao fotoana ireo maneho hevitra, mahakasika ny fisamborana nisy, tamin’ny sabotsy 20 febrory 2021 lasa teo, ka nampidirana am-ponja vonjy maika an’izy 12 mianadahy, izay azo lazaina fa migadra noho ny resaka politika. Ireny fanehoan-kevitra rehetra ireny dia samy manambara, ny tokony hamoahana tsy misy fepetra an’izy 12 mianadahy ireo, satria sady tsy nangalatra izy ireo, tsy nandika sy tsy nandia faritra tsy azo naleha, tsy nanao fihetsika tsy mendrika imasom-bahoaka, na “attentat à la pudeur public” ve, tsy nitaona olona hanao fanonganam-panjakana, tsy niteny ny akanjo nanaovany, mazava ho azy tsy namono olona koa izy ireo.

Noho izany hoy ireo fanambarana samihafa voarain’ny gazety: avoahay izy ireo, fa tsy nisy ny heloka nataony.

Tsiahivina fa izy 12 mianadahy ireo dia:

Daniel Ramamonjisoa 57 taona
Ambinintsoa Judikael Rakotoarimanana 26 taona
Fanoboha Raveloson 59 taona
Lynah Rakotomalala 39 taona
Haja Tahiry Andrianarimanana 44 taona
Fanantenana Ramiaranjatovo 21 taona
Joseph-Michel Rabenandrasana 44 taona
Jean-Félicien Rakotoarisoa
Serge Alain Rakotonarivo 40 taona
Parfait Rakotoarimanana
Roger Randriamboavonjy 64 taona
Roger Randrianarimanana 36 taona

www.gvalosoa.net/2021/03/04/gadra-politika-12-mianadahy-avoahay-fa-tsy-nisy-heloka-nataony/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/gadra-politika-12-mianadahy-avoahay-fa-tsy-nisy-heloka-nataony/

Tatitr’ireo depiote 6 mianadahy – Kanosa sy miovaova hevitra hatrany ny mpitondra

Niaina

Kanosa sy miovaova hevitra ny mpitondra sy mpitandro filaminana, mahakasika ny tatitra tokony hataon’ireo depiote miisa 6 mianadahy avy amin’ny mpanohitra eny Soamandrakizay tokony hataony ny sabotsy 6 martsa izao.

Efa nanambara ny Préfet de Police an’Antananarivo, ny governoran’ny faritra Analamanga,… zavatra tokony hataon’ireo olom-boafidy ny tatitra amin’ny vahoaka ary homena an’i Soamandrakizay izy ireo hanatanterahana izany. Izao indray dia voalaza fa tsy azo ampiasaina indray ny eny Soamandrakizay, tsy ny tanin’ny katolika, fa ny tanin’ny mpandraharaha karana Rajabaly. Misy lavaka be natao eny an-toerana amin’izao fotoana.

Niova hevitra indray ny Préfet de police ny jeneraly Angelo Ravelonarivo omaly, fa tsy hanolotra toerana intsony ny fanjakana, fa anjaran’ny mpanohitra no mikaroka toerana hanaovany fihetsiketsehana, sy mametraka ny taratasy fangatahana fahazoan-dalana mifandraika amin’izany, hoy izy. Ny eny Soamandrakizay aloha izany dia efa tsy azo idirana. Arakarak’ilay toerana no hahazoana na tsia ny fahazoan-dalana hoy ihany ny Préfet. Ireo depiote 6 mianadahy sy ny Miara-manonja dia nanamafy fa tsy maintsy hisy ny tatitra rahafak’ampitso, anio indray no tokony hahafantarana ny toerana hanaovana izany.

Na ho aiza na aiza no hanaovana ny tatitra, hidorehitra mena sy hangorom-potsy ny toerana hanaovana izany eto an-drenivohitra, Imerinkasinina aza tongan’ny olona, vao mainka fa toerana malalaka eto an-drenivohitra, na manodidina akaiky azy, ho rakotra olona izany. Nanamafy ireo solombavambahoaka, fa tatitra no atao fa tsy resaka fanonganam-panjakana akory, ka tokony avela halalaka hihaino izany tatitra izany ny vahoaka satria zony izany. Natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany ihany koa ny mpitandro ny filaminana, fa tsy natao hamoritra, na hampihorohoro vahoaka akory. Nanamafy ny solombavambahoaka voafidy teny avaradrano, Randriambolaina Gerry, fa na mbola sakanana indray aza io hetsika amin’ny sabotsy io dia tsy maintsy mbola hangataka alàlana foana ny solombavambahoaka mpanohitra satria tsy maintsy maheno ny tatitra ny vahoaka malagasy.

Fantatra ihany koa fa ho avy eto an-drenivohitra ireo avy any amin’ny faritra satria tsy mahafantatra ny vaovao marina izy ireo noho ny gejan’ny haino aman-jerim-panjakana, izay tsy mamoaka afa-tsy ny vaovaon’ny fanjakana irery ihany. Manentana ny mpitandro ny filaminana ireo depiote mpanohitra, mba hitandro tanteraka ny filaminana amin’io sabotsy io, ary nanamafy fa vahoaka milamina sy manaja ny lalàna ny vahoaka hihaino tatitra, ka tsy tokony ho sakanana, na hanaovana antsojay indray toy ny teo aloha.

www.gvalosoa.net/2021/03/04/tatitrireo-depiote-6-mianadahy-kanosa-sy-miovaova-hevitra-hatrany-ny-...

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/tatitrireo-depiote-6-mianadahy-kanosa-sy-miovaova-hevitra-hatrany-ny-mpitondra/

Comment on Facebook Tatitr’ireo ...

Ataon’ny fitondran-jiolahy fitaovana fotsiny ireto dia lasa ratsy fijery sy ratsy laza imasom-bahoaka. Lasa mpiaro jiolahy ireto e

ITONY ANGE MAHAZO# SAUCE # DIA MODY MISAREDALÉ. TSY MISY NY MANDRAKIZAY ILEROA. HIOSY 💩 MIARAKA@IO ELA REHEFA MITSINGIDINA EO IO BACC+24 IO. NORMAL RAHA ATAO HAZA- LAMBO ELA. #GENDARME KELY TSY MANANA "ÉTIQUE". T'ES UN PAUVRE TYPE#😂😂

PREFÉ PÉROKÉ KONAR

Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra

Ny Valosoa

“Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra”, ary dia aretin’ity firenena ity io, ny fitiavam-bola no fototry ny olana sy fifanolanana rehetra eto. Diniho kely, fakafakao ny zava-misy sy ny zava-paniry. Raha “ny fitiavam-bola no afaka” eto dia ho afaka aretina isika, afaka ho tanteraka amintsika izany fa tsy nofinofy, koa: samia mifona, mivalo amin’Andriamanitra, manomboka any amin’ireo raimandreny: mpitondra fanjakana, mpanao politika, mpanelanelana,, sns… ” Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra “: I Tim 6:10, “aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo”: Heb 13:5. Ady amin’ny fitiavam-bola: tranga matetika eny amin’ny làlan-dratsy no hitondrana ny fanazavana.

Maro ny fiara no “tavela” na “tafahitsoka” eny amin’ireny làlan-dratsy rakotry ny fota-mandrevo na “gôdra” ireny. Ny firenena koa dia “tavela” sy mihitsoka anaty fahantrana vokatry ny fandehanany amin’ny “làlan-dratsy”, dia ny fitiavam-bola izany. Fa afaka amin’ireny “nahatavela ” azy ireny ihany ireny fiarakodia ireny satria: ny mpamily sy mpanampy azy niantso famonjena sy fanampiana avy amin’ny hery hafa, ohatra: mponina teny amin’ny manodidina, na mpitondra fiara hafa,… Ny mpiray fiara nifanampy, niara-nikaon-doha, niray resaka amin’izay fomba ialàna amin’ilay fihitsohana nifampizara andraikitra. Nampiasa ny fitaovana nananana sy izay hita eo amin’ilay toerana. Tsy ho diso kosa isika raha hilaza, fa raha tsy ireo tokoa no paikady nampiasain’ny mpamily sy ny mpanampy azy dia “tavela mandrakizay” amin’ireny sakana nahatavela azy ireny ny fiarany.

Azo anatsoahana lesona hoentina hanafahana ny firenena amin’ny maha “tavela” azy anaty fahantrana izany: miantso hery hafa afaka hamonjy sy hanampy, dia Andriamanitra Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, ka ireo no tiavina amin’ny fo rehetra, amin’ ny saina rehetra, fampiharana ny didy lehibe voalohany izany, Deo 6:5, ialàna ilay fitiavam-bola. Miray saina sy mifanompo, fa tsy lany fotoana sy hery mifanohitra, izany no fanatanerahana ny didy lehibe faharoa “tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”. Miainga amin’ny fampiasana ny zavatra hananana, manam-be amin’izany ity tanintsika ity: fahendrena sy fahaizan’ny manampahaizana teratany, velaran-tany midasasika, zava-maniry, harena an-kibon’ny tany,… Ho sanatria anie, fa tavela mandrakizay anaty fahantrana ity firenena ity raha tsy ireo no hizorana.

Fitiavam-bola no fototry ny ratsy, toy izany ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena, toy ilay volamena tratra farany teo tatsy Afrika Atsimo. Fitiavam-bola ny fanaovana ampihimamba ny sehatra ara-toekarena misy amin’izao fotoana, toy ny teo amin’ny sehatry ny voankazo fanondrana litchi, eo amin’ny sehatry ny lavanila,… Ny kolikoly: fanodinana ny fanampiana tamin’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus tamin’ny taon-dasa, izay mbola tsy mazava ny tatitra mahakasika izany hatramin’izao dia fitiavam-bola fototry ny ratsy avokoa izany.

www.gvalosoa.net/2021/03/04/fa-ny-fitiavam-bola-no-fototry-ny-ratsy-rehetra/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/fa-ny-fitiavam-bola-no-fototry-ny-ratsy-rehetra/

EDITO 4 Marsa – Tsy avelantsika ho maty fanindroany ny kolonely Ratsimandrava

Ny Valosoa

Ny soratra hita eny amin’ny « fasan’ny maherifo » eny Avaratr’Ambohitsaina dia mivaky hoe : « Izay Maty ho an’ny tanindrazana dia Velona mandrakizay ao ampon’ny vahoaka ». Ny Kolonely Ratsimandrava dia tsy iadian-kevitra, fa tena maty ho an’ny tanindrazana tokoa, tsy vitan’izay ihany fa maty namela mamy ihany koa ho an’ny firenena.

Ratsimandrava minisitry ny atitany

Ny Kolonely Ratsimandrava no notendren’ny Jeneraly Ramanantsoa ho minisitra niadidy ny atitany tamin’ny 1972.

Niavaka tanteraka ny Kolonely satria izy no namerina ny rafitra fokonolona, izay mampandray anjara ny vahoaka eny ifotony amin’ny fampandrosoana ny firenena.
Olon’ny fifanakalozan-kevitra ny Kolonely Ratsimandrava, satria izy irery no minisitra nahavita nitety an’i Madagasikara, nijery sy namaha ny olana nosedrain’ny vahoaka, nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny vahoaka izy ary nanome ny alaolana sahaza ny fahasahiranam-bahoaka , ny sasantsasany tamin’ireo fahavalompirenena dia nahavita nanaraby azy hoe “ministry ny alaolana”.

Tsy tokony ho adinoina ihany koa, fa tsy nisy ny sivana teo amin’ny fampahalalambaovao: Radio, Televiziona, Gazety an-tsoratra, fony izy no minisitry ny atitany.

Ratsimandrava komandin’ny zandarimariampirenena

Teratany vahiny no nifehy ny Zandarimariampirenena tamin’ny taona 1960 niverenan’ny fahaleovantena. Nanapakevitra ny Filoha Philibert Tsiranana nanendry tompon’andraikitra malagasy, ka ny Kapiteny Richard Ratsimandrava manamboninahitra tao amin’ny tafika malagasy no nalefa niofana tany amin’ny Sekoly ambony momba ny zandarimaria tany Melun (Frantsa), nony tafaverina an-tanindrazana izy dia notendrena ho Komandin’ny Zandarimariampirenena, ary niravaka ny galonan’ny Komandà.

Sarotiny tamin’ny fampiharana ny teny filamatry ny Zandarimariampirenena manao hoe “Tanindrazana sy Lalàna” ny Kolonely Ratsimandrava, narahiny sy nampihariny arabakiteny io teny filamatra io.

Tsy nohajaina ny soa navelan’ny kolonely Ratsimandrava

Ny 05 Febroary 2021, nahafeno 46 taona katroka ny nandraisan’ny Kolonely Ratsimandrava ny fahefana feno avy tany amin’ny Jeneraly Ramanantsoa, dia notapahan’ny mpitondra ny fahazoana ny MBS amin’ny Startimes, Canalplus, Parabole, izay midika ho fanaovana tsinontsinona ilay filoha niady mafy ho an’ny fahalalahan’ny asa fampahalalambaovao sy nanaiky ny sivana.

Ho an’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Zandarimariampirenena ankehitriny dia ny filoha ankehitriny, sy ny fahefany no heveriny hoe “tanindrazana”, satria io no arovana fatratra, mikasika ny hoe “lalàna” dia tsy misy ny fanajana izany, ny porofo mibaribary dia voalazan’ny lalàna ny fanaovan’ny Depiote tatitra ho an’ny vahoaka, kanefa dia ireo tompon’andraikitra mpifehy ny Zandary no ampiasaina misakana ny fanaovana tatitra.
Isaky ny 11 Febroary anefa dia tsy tapaka tonga mametraka fehezamboninkazo sy manao porizenitra eny Ambohijatovo ambony misy ny Tsangambato Ratsimandrava ireo lohandohany ao amin’ny Zandarimariampirenena, tonga teny koa ny Praiminisitra tamin’ity taona ity , kanefa toa fihetsika ivelany ihany izany, fa tsy arahina araka ny tokony ho izy, izay nahasaropiaro ny Kolonely Ratsimandrava.

Fa ny tena nahamenatra sy nampisitribelona dia ny tenin’ilay tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Zandarimariampirenena, izay sahy manevateva olona mivantana amin’ny Radio sy Televiziona manao hoe “tena olona dondrona”, mahamenatra ny toy izany satria tena tsy toetran’ny Kolonely Ratsimandrava izany.

Ny fifanakalozankevitra moa dia tsy misy intsony izao, fa dia fitaovampiadiana no avoaka, toa zary adino ilay fomba mendrikaja dia ny “alaolana” izany, ary ny rafitra fokonolona dia tsy misy hasiny satria na ny tambinkarama kelin’ireo mpiasan’ny fokontany aza zara raha voaloa.

Nodimandry ny Kolonely Ratsimandrava tamin’ny 11 Febroary 1975, kanefa tsy maty ao ampon’ny vahoaka ny zavabitany, saingy ny mampahonena dia ireo nantenaina hitondra ny faneva ao amin’ny Zandarimariampirenena no mandraraka ny ilo mby andoha, ka minia manazimbazimba izay nimatimatesan’ny kolonely, midika hoe famonoana azy fanindroany indray izany.

Feno 90 taona afaka andro vitsivitsy ny nahaterahan’ity tia tanindrazana Malagasy ity, satria ny 21 Martsa 1931 no teraka ny Kolonely Ratsimandrava, ka ny vahoaka leon’ny DJ(Didy Jadona ) dia hahatsiaro io vaninandro lehibe io amim-pahamendrehana, ka ny fandehanana mihaino ny tatitr’ireo Solombavambahoaka dia efa santatra amin’ny fanomezamboninahitra ny kolonely, f’ireo noheverina ho Ambatonamelankafatra, asa raha mbola ho vato misakana ihany amin’ny fahalalahan’ny vahoaka nahasaropiaro ny Kolonely Ratsimandrava.

www.gvalosoa.net/2021/03/04/edito-4-marsa-tsy-avelantsika-ho-maty-fanindroany-ny-kolonely-ratsima...

http://www.gvalosoa.net/2021/03/04/edito-4-marsa-tsy-avelantsika-ho-maty-fanindroany-ny-kolonely-ratsimandrava/

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 4 Martsa 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

18 ora lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 4 Martsa 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

Matahotra mafy ny mpanohitra ny fitondrana! ... TohinyFintinina

20 ora lasa

Matahotra mafy ny mpanohitra ny fitondrana!

Photos de la publication de Tia Tanindrazana ... TohinyFintinina

22 ora lasa

Comment on Facebook 1764140243706142_3780031195450360

Ity ilay antsana lehibe fa mbl nitarina ho ngezangeza kokoa

Mba jereo itony ry fitondrana a! ... TohinyFintinina

2 andro lasa

Mba jereo itony ry fitondrana a!

Comment on Facebook Tsy ampy ny dabilio ...

ny epp sisa ts migrevy

Lasa mifindra @lMANARAPENITRADAHOLO!😂😂😂😂😂

Velirano

Erikerika Madagasikara any Frantsa – Miantso ny fitondrana hampitsahatra ny herisetra sy fanapotehana fiaraha-monina ataony

Nangonin’Isambilo

Hiresaka amin’ny mpitarika ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa ny gazety Ny Valosoa Vaovao androany, mahakasika ny momba ity fikambanana ity, sy ny anjara biriky entiny amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny mponina aty Madagasikara. Dinidinika:

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): Faly miarahaba anao izahay mpanao gazety eto amin’Ny Valosoa ary misaotra anao filohan’ny fikambanana Erikerika Madagasikara namaly ny antso, hampahafantatra misimisy momba ny fikambanana.

-Erikerika Madagasikara (EM): dia faly miarahaba anareo mpanao gazety rehetra koa ny tenako, Jean Philippe Rafidison, misolo tena ny fikambanana Erikerika Madagasikara (EM).Miarahaba koa an’ireo mpamaky ary misaotra sy mankatelina amin’ny fanasàna.

-GNVV: vao tamin’ny herinandro lasa teo ny EM no niseho tamin’ny gazety nandray anjara namaly ny antson’ny vehivavy TIM, hifanohana hanampy ireo olona miisa 12 voafonja tsy ara-drariny, noho ny tatitra nokasain’ireo depiote enina mianadahy natao ny sabotsy 20 febroary 2021 lasat teo. Azonao ampahafantarina misimisy aloha ve ny mikasika ny fikambanana?

-EM: marina tokoa fa namaly ny antson’ireo vehivavy TIM izahay. Nanohina an’izao tontolo izao ny zava-niseho tamin’iny andron’ny sabotsy 20 febroary lasa teo iny. Nanohina anay izany satria lalana mankany amin’ny jadona no miseho ankehitriny any Madagasikara ary tsy afaka ny hitazana fotsiny ny fikambanana. Fa hamaly kely ny fanontanianao aho aloha.

Ny EM dia fikambanana manaraka ny lalàna frantsay, na ‘Association Loi 1901’, mankalaza ny faha-folo taonany amin’ity taona ity, niorina ny volana aprily 2011. Ny foibe dia ao amin’ny kaominina antsoina hoe Brétigny sur Orge, faritra Essonne, miala eo amin’ny 30km avy any Paris. Efatra mianadahy izahay no nanorina ny fikambanana, mpikambana mavitrika tao anatin’ny fikambanana GTT, na Gasy Tia Tanindrazana izahay, ary nanapa-kevitra rehefa nahazo lesona, fa hiompana kokoa amin’ny sosialy manoloana ny fahoriana tsy nitsahatra ny nitombo taorian’ny fanonganam-panjakana. Ary izay lafiny sosialy izay moa no azo tarafina ao anaty ny sata manambara ny tanjon’ny fikambanana dia ny “handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra samihafa fahantrana, fahasalamana, fanatanjahantena, fanabeazana, sns… ary fanatsaràna ny fiainana andavanandron’ny Malagasy”.

Avo dia avo sy manara-penitra tokoa izany tanjona izany, toa mikasa hanakatra ny tsy takatra, raha ny enti-manana eo anivon’ny fikambanana no jerena. Saingy tsy midika akory izany, fa ho indray atrehina daholo ireo sehatra ireo na koa ireo sarangan’olona rehetra. Izay indrindra no nahatonga anay nisafidy ity anarana hoe ‘Erikerika’ ity araka ny ohabolan-drazana miteny hoe “Ny erikerika maha-tondradrano”. Raha indramina ny teny frantsay dia hoe “Les petits ruisseaux font les grandes rivières”. Am-panetren-tena no hanatanterahanay ny asa anjara biriky ary ao anatin’ny fomba fiasanay mihitsy ny hoe : tahaka ny erikerika, tsikelikely ary atao mateti-piavy araka izay vita eo. Ny hetsika ataonay na andraisana anjara dia tianay hipaka avy hatrany any amin’ireo izay tokony hisitraka izany. Raha indramina indray ny teny anglisy dia hoe “quick wins”. Izay angamba aloha no azo lazaina tsotsotra mikasika ny fikambanana.

-GNVV: misaotra nanome fanazavana mikasika an’ny Erikerika. Fa alohan’ny hidirana amin’ny fanontaniana manaraka dia tiako singanina kely ny teny nampiasainao hoe “rehefa nahazo lesona”. Azonay fantarina ve ny mikasika izany lesona izany?

-EM: azo fantarina tokoa. Ny toe-javatra iainana sy sedraina moa dia azo raisina ho lesona avokoa. Fa raha singanina ny vitsivitsy amin’ireo dia voalohany ohatra ny fitantanana.

Azo lazaina fa eo anivon’ny fikambanana iray dia arakaraky ny hamaroan’ny tompon’andraikitra eo amin’ny fitantanana, no mahasarotra ny fandraisana fanapahan-kevitra ary ny fandrindràna sy ny fanatanterahana ny asa. Tsy mora ny mamory olona noho ny fahalaviran-toerana, ny fitadiavana toeram-pivoriana, ny fotoana mampalalaka ny tsirairay. Ary rehefa tafavory ny olona dia araky ny hamaroan’izy ireo ny hevitra miposaka. Tsy mety anefa ny tsy mifanakalo hevitra ary an-tsitrapo koa no fahatongavan’ny tsirairay, hany ka mila omena fotoana izany.

Ny faharoa dia resaka miverimberina eny anivon’ny fikambanana rehetra tsy ankanavaka, dia ny resaka vola. Na fanangonana ny vola io toy ny fanomezan-toky tsy voahaja, na fitantanana io toy ny fanaovana mazava eo amin’ny miditra sy mivoaka, na fanaovana mangarahara amin’ireo te-hahalala, izany rehetra izany dia mety mametraka olana avokoa. Mampisy disadisa sy tsy fifampitokisana akory àry, ary mampikatso mihitsy ny tanjona nokendrena tany am-boalohany.

Ny fahatelo dia tranga hita eo anivon’ny fikambanana maro ihany koa, dia ny ady anaty hahatongavana eo amin’ny fitantanana. Dia miseho ny paikady samihafa rehefa tonga ny fifidianana.

Araka izany dia tsy zava-baovao hita eo anivon’ny fiainan’ny fikambanana izany. Ka lesona noraisina daholo izany nentina nitantanana ny fiainan’ny fikambanana. Ny fahavitsianay eo amin’ny fanapahan-kevitra dia manafaingana ny raharaha. Ny rafitra napetrakay koa ny hoe “naman’ny Erikerika”. Ny olona ao anatin’io rafitra io dia mahazo vaovao, voaasa rehefa misy fihaonambe tanterahina toy ny “Journée Erikerika”, voaantso handray anjara arakaraky ny hetsika.

GNVV: misaotra anao amin’ny fanazavàna. Ny fanontaniana manaraka dia mikasika ny asa sosialy tanterahinareo. Azonao zaraina aminay ve ny zava-bitan’ny Erikerika?

-EM: Ha! ha! Misaotra amin’ny fanontaniana. Vonona ve ianareo hiharitra ny tantara nandritra izay folo taona izay? Vazivazy ihany fa hetsika madinidinika no notanterahinay hatramin’izay, ary hetsika mipaka avy hatrany any amin’ny fiainan’ny tsirairay.

Ny hetsika voalohany nataonay dia tao amin’ny EPP Ankadifotsy ny volana desambra 2011, ka nisitrahan’ireo mpianatra 400 sakafo krismasy. Niara-nisalahy daholo, na ny mpampianatra, na ny ray aman-drenin’ny mpianatra (FRAM).

Nisy koa ohatra ny fanampiana ireo niharam-boina tamin’ny rivodoza Giovanna ny taona 2012 tao Andohatapenaka: PPN, fanamboarana lalantany mba tsy hiroboka anaty rano ireo mponina mandeha tongotra, fiantohana saram-pianarana.

Teo anatrehan’ny fahasahiranana miavosa dia nanao seminera ny fikambanana, nandinihana ireo mpisitraka ny asa sy fanampiana tokony hiompanan’ny fikambanana. Tao anatin’izany no nanapahana fa ny ankizy ihany aloha. Nanomboka nanome sakafo krismasy sy saram-pidirana tamina EPP no nifantohan’ny fanampiana. Ary nifindra EPP ny fikambanana rehefa tojo toe-javatra tsy mampety ny fiaraha-miasa. Ny EPP farany namatsian’ny fikambanana sakafo krismasy dia tany Analapatsy, faritra Anôsy. Ny fifampitokisana no fenitra voalohany hanatanterahana sy hanohizan’ny fikambanana ny asa soa amina toerana iray.

Ankehitriny, araka ny voalaza teo am-boalohany dia hiova tanteraka ny hiompanan’ny ezaka ho ataon’ny fikambanana. Tsikaritray fa simbain’ity fitondrana ity ny rivotra eny anivon’ny fanatanterahan’ny fikambanana ny asa soa. Etsy ankilany dia tonga tety aminay ny antso nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Miara-manonja hiray hina amin’ny ady amin’ny jadona. Ka dia iny fanampiana ny fianakavian’ireo olompirenena 12 voafonja tsy ara-drariny iny, no hetsika voalohany ataonay. Maniry dia maniry izahay ny hanatsaharan’ity fitondrana ity ny herisetra sy fanapotehana fiaraha-monina, ary hifona amin’ny vahoaka. Ho reny ve izany antso izany?

Izay aloha no azoko ambara fohifohy ny amin’ny zava-bita.

-GNVV: misaotra anareo mpikambana rehetra ao amin’ny Erikerika ary mankasitraka amin’ny soa vitanareo amin’ny mpiray tanindrazana. Na dia lavi-tanàna aza ianareo dia tsy manadino ny firenena.

-EM: Misaotra anareo mpanao gazety ato amin’ny Ny Valosoa koa izahay amin’ny fampahalalana vaovao, sy fanabeazana amin’ny alalan’ny lahatsoratra fanadihadiana sy fampieritreretana. Azo vakiana maneran-tany izao ny gazety Ny Valosoa Vaovao ity, izay miseho in-telo isan-kerinandro ao amin’ny tranonkala (www.gvalosoa.com na www.gvalosoa .net). Tadidiko manokana, efa-polo taona lasa no nahatongavako taty Frantsa dia tsy afaka namaky vaovao tamin’ny teny malagasy raha tsy misy olona nitondra gazety avy any Madagasikara. Ankehitriny dia ny ivoahan’ny vaovao ao anaty fitaovana serasera toy ny Facebook sy YouTube, no ela fa dia azo arahina eo noho eo maneran-tany ny vaovao rehetra any Madagasikara. Ny vaovao an-tsary MBS sy ny fandaharana Miara-manonja dia azo arahina ny andron’iny ihany.

Mamerina fisaorana anareo ary mankasitraka amin’ny fampitam-baovao. Mirary fahombiazana an’ny gazety Ny Valosoa Vaovao.

www.gvalosoa.net/2021/03/02/erikerika-madagasikara-any-frantsa-miantso-ny-fitondrana-hampitsahatr...
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Erikerika Madagasikara any Frantsa – Miantso ny fitondrana hampitsahatra ny herisetra sy fanapotehana fiaraha-monina ataony

Nangonin’Isambilo

Hiresaka amin’ny mpitarika ny fikambanana Erikerika Madagasikara any Frantsa ny gazety Ny Valosoa Vaovao androany, mahakasika ny momba ity fikambanana ity, sy ny anjara biriky entiny amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialin’ny mponina aty Madagasikara. Dinidinika:

– Gazety Ny Valosoa Vaovao (GNVV): Faly miarahaba anao izahay mpanao gazety eto amin’Ny Valosoa ary misaotra anao filohan’ny fikambanana Erikerika Madagasikara namaly ny antso, hampahafantatra misimisy momba ny fikambanana.

-Erikerika Madagasikara (EM): dia faly miarahaba anareo mpanao gazety rehetra koa ny tenako, Jean Philippe Rafidison, misolo tena ny fikambanana Erikerika Madagasikara (EM).Miarahaba koa an’ireo mpamaky ary misaotra sy mankatelina amin’ny fanasàna.

-GNVV: vao tamin’ny herinandro lasa teo ny EM no niseho tamin’ny gazety nandray anjara namaly ny antson’ny vehivavy TIM, hifanohana hanampy ireo olona miisa 12 voafonja tsy ara-drariny, noho ny tatitra nokasain’ireo depiote enina mianadahy natao ny sabotsy 20 febroary 2021 lasat teo. Azonao ampahafantarina misimisy aloha ve ny mikasika ny fikambanana?

-EM: marina tokoa fa namaly ny antson’ireo vehivavy TIM izahay. Nanohina an’izao tontolo izao ny zava-niseho tamin’iny andron’ny sabotsy 20 febroary lasa teo iny. Nanohina anay izany satria lalana mankany amin’ny jadona no miseho ankehitriny any Madagasikara ary tsy afaka ny hitazana fotsiny ny fikambanana. Fa hamaly kely ny fanontanianao aho aloha.

Ny EM dia fikambanana manaraka ny lalàna frantsay, na ‘Association Loi 1901’, mankalaza ny faha-folo taonany amin’ity taona ity, niorina ny volana aprily 2011. Ny foibe dia ao amin’ny kaominina antsoina hoe Brétigny sur Orge, faritra Essonne, miala eo amin’ny 30km avy any Paris. Efatra mianadahy izahay no nanorina ny fikambanana, mpikambana mavitrika tao anatin’ny fikambanana GTT, na Gasy Tia Tanindrazana izahay, ary nanapa-kevitra rehefa nahazo lesona, fa hiompana kokoa amin’ny sosialy manoloana ny fahoriana tsy nitsahatra ny nitombo taorian’ny fanonganam-panjakana. Ary izay lafiny sosialy izay moa no azo tarafina ao anaty ny sata manambara ny tanjon’ny fikambanana dia ny “handray anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara eo anivon’ny sehatra samihafa fahantrana, fahasalamana, fanatanjahantena, fanabeazana, sns… ary fanatsaràna ny fiainana andavanandron’ny Malagasy”.

Avo dia avo sy manara-penitra tokoa izany tanjona izany, toa mikasa hanakatra ny tsy takatra, raha ny enti-manana eo anivon’ny fikambanana no jerena. Saingy tsy midika akory izany, fa ho indray atrehina daholo ireo sehatra ireo na koa ireo sarangan’olona rehetra. Izay indrindra no nahatonga anay nisafidy ity anarana hoe ‘Erikerika’ ity araka ny ohabolan-drazana miteny hoe “Ny erikerika maha-tondradrano”. Raha indramina ny teny frantsay dia hoe “Les petits ruisseaux font les grandes rivières”. Am-panetren-tena no hanatanterahanay ny asa anjara biriky ary ao anatin’ny fomba fiasanay mihitsy ny hoe : tahaka ny erikerika, tsikelikely ary atao mateti-piavy araka izay vita eo. Ny hetsika ataonay na andraisana anjara dia tianay hipaka avy hatrany any amin’ireo izay tokony hisitraka izany. Raha indramina indray ny teny anglisy dia hoe “quick wins”. Izay angamba aloha no azo lazaina tsotsotra mikasika ny fikambanana.

-GNVV: misaotra nanome fanazavana mikasika an’ny Erikerika. Fa alohan’ny hidirana amin’ny fanontaniana manaraka dia tiako singanina kely ny teny nampiasainao hoe “rehefa nahazo lesona”. Azonay fantarina ve ny mikasika izany lesona izany?

-EM: azo fantarina tokoa. Ny toe-javatra iainana sy sedraina moa dia azo raisina ho lesona avokoa. Fa raha singanina ny vitsivitsy amin’ireo dia voalohany ohatra ny fitantanana.

Azo lazaina fa eo anivon’ny fikambanana iray dia arakaraky ny hamaroan’ny tompon’andraikitra eo amin’ny fitantanana, no mahasarotra ny fandraisana fanapahan-kevitra ary ny fandrindràna sy ny fanatanterahana ny asa. Tsy mora ny mamory olona noho ny fahalaviran-toerana, ny fitadiavana toeram-pivoriana, ny fotoana mampalalaka ny tsirairay. Ary rehefa tafavory ny olona dia araky ny hamaroan’izy ireo ny hevitra miposaka. Tsy mety anefa ny tsy mifanakalo hevitra ary an-tsitrapo koa no fahatongavan’ny tsirairay, hany ka mila omena fotoana izany.

Ny faharoa dia resaka miverimberina eny anivon’ny fikambanana rehetra tsy ankanavaka, dia ny resaka vola. Na fanangonana ny vola io toy ny fanomezan-toky tsy voahaja, na fitantanana io toy ny fanaovana mazava eo amin’ny miditra sy mivoaka, na fanaovana mangarahara amin’ireo te-hahalala, izany rehetra izany dia mety mametraka olana avokoa. Mampisy disadisa sy tsy fifampitokisana akory àry, ary mampikatso mihitsy ny tanjona nokendrena tany am-boalohany.

Ny fahatelo dia tranga hita eo anivon’ny fikambanana maro ihany koa, dia ny ady anaty hahatongavana eo amin’ny fitantanana. Dia miseho ny paikady samihafa rehefa tonga ny fifidianana.

Araka izany dia tsy zava-baovao hita eo anivon’ny fiainan’ny fikambanana izany. Ka lesona noraisina daholo izany nentina nitantanana ny fiainan’ny fikambanana. Ny fahavitsianay eo amin’ny fanapahan-kevitra dia manafaingana ny raharaha. Ny rafitra napetrakay koa ny hoe “naman’ny Erikerika”. Ny olona ao anatin’io rafitra io dia mahazo vaovao, voaasa rehefa misy fihaonambe tanterahina toy ny “Journée Erikerika”, voaantso handray anjara arakaraky ny hetsika.

GNVV: misaotra anao amin’ny fanazavàna. Ny fanontaniana manaraka dia mikasika ny asa sosialy tanterahinareo. Azonao zaraina aminay ve ny zava-bitan’ny Erikerika?

-EM: Ha! ha! Misaotra amin’ny fanontaniana. Vonona ve ianareo hiharitra ny tantara nandritra izay folo taona izay? Vazivazy ihany fa hetsika madinidinika no notanterahinay hatramin’izay, ary hetsika mipaka avy hatrany any amin’ny fiainan’ny tsirairay.

Ny hetsika voalohany nataonay dia tao amin’ny EPP Ankadifotsy ny volana desambra 2011, ka nisitrahan’ireo mpianatra 400 sakafo krismasy. Niara-nisalahy daholo, na ny mpampianatra, na ny ray aman-drenin’ny mpianatra (FRAM).

Nisy koa ohatra ny fanampiana ireo niharam-boina tamin’ny rivodoza Giovanna ny taona 2012 tao Andohatapenaka: PPN, fanamboarana lalantany mba tsy hiroboka anaty rano ireo mponina mandeha tongotra, fiantohana saram-pianarana.

Teo anatrehan’ny fahasahiranana miavosa dia nanao seminera ny fikambanana, nandinihana ireo mpisitraka ny asa sy fanampiana tokony hiompanan’ny fikambanana. Tao anatin’izany no nanapahana fa ny ankizy ihany aloha. Nanomboka nanome sakafo krismasy sy saram-pidirana tamina EPP no nifantohan’ny fanampiana. Ary nifindra EPP ny fikambanana rehefa tojo toe-javatra tsy mampety ny fiaraha-miasa. Ny EPP farany namatsian’ny fikambanana sakafo krismasy dia tany Analapatsy, faritra Anôsy. Ny fifampitokisana no fenitra voalohany hanatanterahana sy hanohizan’ny fikambanana ny asa soa amina toerana iray.

Ankehitriny, araka ny voalaza teo am-boalohany dia hiova tanteraka ny hiompanan’ny ezaka ho ataon’ny fikambanana. Tsikaritray fa simbain’ity fitondrana ity ny rivotra eny anivon’ny fanatanterahan’ny fikambanana ny asa soa. Etsy ankilany dia tonga tety aminay ny antso nataon’ireo mpitarika ao amin’ny Miara-manonja hiray hina amin’ny ady amin’ny jadona. Ka dia iny fanampiana ny fianakavian’ireo olompirenena 12 voafonja tsy ara-drariny iny, no hetsika voalohany ataonay. Maniry dia maniry izahay ny hanatsaharan’ity fitondrana ity ny herisetra sy fanapotehana fiaraha-monina, ary hifona amin’ny vahoaka. Ho reny ve izany antso izany?

Izay aloha no azoko ambara fohifohy ny amin’ny zava-bita.

-GNVV: misaotra anareo mpikambana rehetra ao amin’ny Erikerika ary mankasitraka amin’ny soa vitanareo amin’ny mpiray tanindrazana. Na dia lavi-tanàna aza ianareo dia tsy manadino ny firenena.

-EM: Misaotra anareo mpanao gazety ato amin’ny Ny Valosoa koa izahay amin’ny fampahalalana vaovao, sy fanabeazana amin’ny alalan’ny lahatsoratra fanadihadiana sy fampieritreretana. Azo vakiana maneran-tany izao ny gazety Ny Valosoa Vaovao ity, izay miseho in-telo isan-kerinandro ao amin’ny tranonkala (http://www.gvalosoa.com na http://www.gvalosoa .net). Tadidiko manokana, efa-polo taona lasa no nahatongavako taty Frantsa dia tsy afaka namaky vaovao tamin’ny teny malagasy raha tsy misy olona nitondra gazety avy any Madagasikara. Ankehitriny dia ny ivoahan’ny vaovao ao anaty fitaovana serasera toy ny Facebook sy YouTube, no ela fa dia azo arahina eo noho eo maneran-tany ny vaovao rehetra any Madagasikara. Ny vaovao an-tsary MBS sy ny fandaharana Miara-manonja dia azo arahina ny andron’iny ihany.

Mamerina fisaorana anareo ary mankasitraka amin’ny fampitam-baovao. Mirary fahombiazana an’ny gazety Ny Valosoa Vaovao.

http://www.gvalosoa.net/2021/03/02/erikerika-madagasikara-any-frantsa-miantso-ny-fitondrana-hampitsahatra-ny-herisetra-sy-fanapotehana-fiaraha-monina-ataony/

Kianja nohamasinin’i Papa – Eny Soamandrakizay no hanavotana ny firenena

Ny Valosoa

Tsy ankandasitra intsony, fa dia ho raikitra ny fanaovan’izy 6 mianadahy Solombavambahoaka voafidy teto Antananarivo Renivohitra tamin’ny anaran’ny Antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tatitra, eny amin’ny Kianja Soamandrakizay amin’ny Sabotsy 6 Martsa2021 ho avy izao.

Kianja Masina io

Tamin’ny fandalovan’ny Ray Masina François teto Madagasikara, tamin’ny voalondohan’ny volana Septambra 2019 dia teo amin’ny Kianja Soamandrakizay, no notanterahina ny fotoambavaka lehibe notarihan’ity Ray amandrenimpiangonana eken’izao tontolo izao ity, teo koa no nitanisan’i Papa ny mahazavadehibe ny fifankatiavana sy ny fihavanana, ary indrindra ny nanambarany ny maharatsy ny kolikoly, ny herisetra, ny fanamparampahefana amin’ny endriny samihafa ary ny fanavakavahana tsy mitondra fampandrosoana.

Miendrika ho fanamasinana ny kianja nataon’i Papa François ny fanaovana ny fotoampivavahana goavana teny Soamandrakizay, satria io izany no “Basilic” n’i Masindahy Piera toy ny ao “ Vatican” raha eto amintsika.

Nilatsahan’ny Fanahy Masina ingahy Préfet

Ny Sabotsy 20 Febroary 2021 dia nanam-pikasana hanao tatitra ho an’ny vahoakan’Antananarivo teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey ireo Solombavambahoaka 6 mianadahy voafidy teto Antananarivo Renivohitra, rehefa nolavin’ny Ben’ny tanàna Vazahabe ny fidirana tao Ambohijatovo.

Ny zoma 19 Febroary2021 dia nanambara Ingahy Préfet, fa tsy azo ekena ny fidirana ao amin’ny kianjan’ny 13 Mey, fa omena ny Kianja Soamandrakizay ireo depiote, satria mifanaraka amin’ny lalàna ny fanaovan’izy ireo tatitra amin’ny vahoaka, saingy tsy nanaiky izany izy 6 mianadahy, satria fohy loatra ny fotoana tsy nahafahana nampiomana ireo vahoaka hihaino tatitra.

Ankehitriny ampy tsara ny fotoana niomanana na ho an’ny vahoaka na ho an’ireo Depiote, dia raikitra izany amin’ny Sabotsy 6 martsa izao, azo antoka fa tsy ny Préfet no ho sakana amin’ny fanantontosana izany, satria hevitra nivoaka avy any aminy ny fandehanana eny Soamandrakizay, ary azo inoana mihitsy fa ny Fanahy Masina no nibitsika tamin’ity tompon’andraikitra eto an-tanàna ity, ny anarany rahateo dia miteny ho azy ny hoe: “Ravelonarivo” natao hamelona ny vahoakan’Iarivo, mbola miampy ho “Angelo”, avy amin’ny anjely anie izany e! f’angaha izay ihany fa mbola misy fanampiny koa hoe “Christian”, vao mainka fatratra fa avy amin’ny hoe “Kristy”.

Misy ireo manely tsaho fa mety tsy ahazo fankatoavana amin’ny tompon’ny tany hono, tsy iza io fa ilay mpandraharaha karana efa tompontany Rajabaly, izay tsy azo inoana ny isian’ny fandavana, satria azo lazaina hoe efa tena malagasy ry Rajabaly mianakavy, satria efa niara-niaina sy nifamelona tamin’ny malagasy nandritra ny taona maro, ary vahoakan’Antananarivo tokony hahazo tatitra izy mianakavy. Mikasika an’Ingahy Ben’ny Tanàna Vazahabe dia tsy hanan-kambara intsony izy, satria tsy ho azony hamoronana “parc” hafa intsony eo amin’ny Soamandrakizay.

Hilamina ny tanàna

Toerana somary mihataka kely i Soamandrakizay, na dia mbola ao anatin’ny boriborintany fahadimy aza, tongan’ny taksibe soamantsara, ary tsy mampalain-komana ireo vahoaka vonona hihaino tatitra, tsy ampahafirin’ny mankany Imerinkasinina izay tongan’ny maro dia an-tongotra.

Azo antoka fa hanjaka ny filaminana ary hidorehitra mena sy hangorom-potsy ny eny Soamandrakizay, satria vahoaka hendry sy milamina ireo vahoaka ho tonga eny.
Tsiahivina f’efa nisy ny fotoana nanaovana ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) teny Antsonjombe sy teny amin’ny Kianjan’Alarobia, teo koa ny fitsenana ny Filoha Ravalomanana tamin’ny 19 Febroary 2011 sy 21 Janoary 2012 teny Ivato, tonga tena marobe hatrany ireo vahoaka ary rehefa nirava dia maro ireo nandeha an-tongotra namonjy fodiana, tsy nisy tamin’ireo vahoaka ireo no nandroba, fa vao mainka aza nividy zavatra: sakafo, rano fisotro, sns… nanjifa ny entan’ireo mpivarotra mpiray tanindrazana, ary ireo nandeha tamin’ny fiara fitaterambahoaka dia nandoa sarandalana ara-dalàna avokoa, koa azo inoana fa na ny mandroso mankeny Soamandrakizay, na rehefa hamonjy fodiana amin’ny Sabotsy izao ireo vahoaka avy nihaino tatitra, dia azo antoka fa hampitombo indray ny vola miditra amin’ireo mpivarotra lalovany.

Feno ny fepetra ahafahan’ireo Solombavambahoaka manao ny tatitra amin’ny Sabotsy izao, koa dia miandry amim-pilaminana sy amim-pahatoniana ny vahoaka leon’ny DJ, na ny Didy Jadona mampahory sy tsy mitondra n’inona n’inona amin’ny fampandrosoana, ary manantena fatratra, f’izay tatitra ho heno eo dia tsy vahaolana petatoko sy vonjy tavan’andro, fa hitondra SOA MANDRAKIZAY ho an’ny andavanandrom-piainan’ny vahoaka Malagasy, satria na ny mpitatitra, na ireo hitaterana dia samy vonona amin’ny fanandratana ny firenena ary samy hitondra ambavaka izany, ny kianja hihaonana rahateo efa nohamasinin’i Papa François.

www.gvalosoa.net/2021/03/02/kianja-nohamasinini-papa-eny-soamandrakizay-no-hanavotana-ny-firenena/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/02/kianja-nohamasinini-papa-eny-soamandrakizay-no-hanavotana-ny-firenena/

Comment on Facebook Kianja ...

Te hanazava kely lay hoe TANY MASINA tsy azo hanaovana fihetsiketsena ara politika....... t@ny1989 na 90 tany , tonga teto Madagasijara i JN Paul ll nanao an i RASOAMANARIVO Victoire ho olontsambatra teny antsonjobe, nisy hotely t@n izay . Ja inona no maha samihafa an io tierana io io soamandrakizay. Samy nahatongavan i pape avokoa. Nefa lasa inona zao lay antsonjobe lasa inona????? Vahaoka tsy misy toy zany no tonga teny , taorinan izay lasa inona lay toerana Tany masina ????? Mba mieza re hanova toetsaina fa tena tsy mampandroso an i Dago zany toetsaina zany e , zay no mahato ga ahy hiteny hoe aza hampidirana nt hoe KTO , tany masina sns sns . TENA MIBEBAHA MAFY BAREO ARY MAHAIZA MAINDRAFO D HAINAREO NY TOHINY. MIJOROA NEUTRE NA KTO AZA NY MPITONDRA HIVAVAHO IREO .

Vehivavy TIM – Naangona 1861000 Ar nanampiana ireo voafonja miisa 12

Helisoa

Ny sabotsy teo sy omaly alatsinainy no nanangona vola anampiana ireo voafonja miisa 12 mianadahy, voasambotra tamin’ny 20 febroary 2021 lasa teo ny Vehivavy Tiako i Madagasikara (TIM), tetsy amin’ny QG Bel’Air Ampandrana.

Nandritra izany vola mitentina 1861000 Ar no voaangon’izy ireo, avy amin’ireo malalatanana eto an-toerana, sy avy any ivelany nahitana: ny Erikerika Madagasikara any Frantsa, olon-tsotra tsara sitrapo avy any Frantsa, sy avy atsy amin’ny Nosy La Réunion koa.

Natolotra mivantana ho an’ny fianakavian’ireo voafonja ny vola voaangon’ny vehivavy TIM rehetra hatramin’ny 3 ora hariva teo omaly, ka nahatratra 150000 Ariary na 750000 fmg avy, isaky ny fianakaviana no nozaraina tamin’izany. Mbola mitohy hatrany ny ezaka hitsinjovana azy ireo, ka ny 8 martsa ho avy izao indray, andron’ny vehivavy no hanolorana izay ho voaangona rehetra.

Nanatrika ny fotoana ny birao politikan’ny antoko TIM, notarihin’ny Sekretera jeneraly, Riana Randriamasinoro, nahitana ny mpandrindra nasionaly: Jean Claude Rakotonirina ary ny mpikambana amin’ny birao politikan’ny antoko: Julien Andriamorasata.

www.gvalosoa.net/2021/03/02/vehivavy-tim-naangona-1861000-ar-nanampiana-ireo-voafonja-miisa-12/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/02/vehivavy-tim-naangona-1861000-ar-nanampiana-ireo-voafonja-miisa-12/

Lalampirenena faha-32 (RN32) – Tena ratsy ny lalana Antsohihy- Mandritsara

Niaina

Tena ratsy ary mampitaraina ireo mpampiasa azy amin’izao fotoana, ny lalam-pirenena faha-32 (RN32), mampitohy an’Antsohihy, Befandriana Avaratra, tonga hatrany Mandritsara, any amin’ny faritra Sofia. Alaina adiny 8 ny lalana mirefy 81 km mampitohy an’Antsohihy sy Befandriana Avaratra, raha eo amin’ny salan’ny hafainganam-pandeha izany, 10 km/h eo no afak’ireo fiarakodia mampiasa izany lalana izany. Taona maro aty aoriana tsy misy fanamboarana ny lalam-pirenena faha-32, izay mampitohy ny distrikan’i Antsohihy sy Befandriana Avaratra ary Mandritsara.

Amin’ny fotoanan’ny andro fahavaratra toy izao dia potika tanteraka ny lalam-pirenena faha-32. Tena mijaly ny fiara mpitatitra entana sy fitateran’olona mandalo amin’ity lalana ity amin’izao. Araka ny fanazavana azo avy amin’ireo mpamily mpampiasa ny lalana dia alaina adiny 8 be izao ny lalana mirefy 81 km, izay mampitohy ny distrikan’i Antsohihy sy Befandriana Avaratra, izay efa voalaza teo. Azo iafiana ihany ny lalana mankany Mandritsara na dia isan’ny ahitana fahapotehana ihany koa aza. Fanirian’ny any an-toerana ny hanamboarana ity RN32 ity, satria anisan’ny faritra mahavokatra izany faritra izany.

www.gvalosoa.net/2021/03/02/lalampirenena-faha-32-rn32-tena-ratsy-ny-lalana-antsohihy-mandritsara/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/02/lalampirenena-faha-32-rn32-tena-ratsy-ny-lalana-antsohihy-mandritsara/

Comment on Facebook Lalampirenena ...

Téléphérique no mahamay ny fitondrana nefa izao ny fahoriana ny vahoaka. Asa Inona no misaina ny an’ireo?

Ny RN na Lalampirenena rehetra, izay tena Lalandrà lehiben’ny Fampandrosoana ny Firenena, izay efa mba niarina talohan’ny 2009, no tena potika tanteraka amin’izao fotoana izao, kanefa tsy hita ao anaty programan’ ity Fitondrana ity. Ny RIP sy hapahan-dalana kely zay mba vita no hanaovana werawera, dia faly ery ireo mpomba azy. Iomehezana ve sa mampalahelo ?

lalana tsy hoanina

HENATRAO

Henatrao mpanankarena sy mpitondra ankehitriny
Ny miletra tsy mijanona miaraka amin’ireo vahiny.
Tena voky hatreny an-tenda saingy tsy mahalala onony,
Fa mikepoka izay azo ka laniana hatramin’ny fonony!

Etsy andaniny kanefa, ‘ndeha jereo ny manodidina:
Olo-maro maty noana sy efa mila hitsingidina!
Ny fitoeram-pakonao no lasa toeram-pihinanany,
Itsindrohany izay kely hampitoniany ny hanoanany!

Iny ianao fa misonanina amin’ny fiara tena raitra,
Sy miakanjo ireo fitafy lafo vidy, tsara zaitra.
Ireto zanakao tsy eto fa nandao ilay Gasikara,
Ka ny vatsiny isan-taona, re fa amana miliara!

Etsy ankilany kanefa, indreo ireo ory sy tsy manana,
Mba mananika an’Ankatso ka maniry ny hotohanana!
Saingy izay mba vatsy keliny dia tsy omena ara-potoana,
Fa anaovana antsojay ka dia mazàna tara foana!

Ianareo, migoka foana, hany ka mirehareha.
Tsy mahalala jiro tapaka, na koa rano tsy mandeha.
Dia tena mihevitra mihitsy f’eo an-tampom-piadanana,
Fa ny zavatra rehetra efa tsisy izay tsy ananana!

Izany anefa dia fisainana tena ilana fanitsiana,
F’ianareo mihitsy anie ilay tokony hitomaniana!
Noho ‘nareo tsy menatra olona amin-“tsarim-piadanana”,
Nefa mila halevina haingana f’efa maty am-pitsanganana!

DADAN’i ZINA (28-02-21)

www.gvalosoa.net/2021/03/02/henatrao/

http://www.gvalosoa.net/2021/03/02/henatrao/

Comment on Facebook HENATRAO Henatrao ...

Ratoa ka misaina ny MPANOHANA ny fitondrana de azony tiany mpanoratra ambara

Miverina ireo nanakianana ny fitondrana teo aloha ary miha-mafy aza izany

Andry Tsiavalona

Mampanahy ny tsy hisian’ny filaminana eto amin’ny Firenena raha ny tranga, tsy eto an-drenivohitra ihany, fa hatrany amin’ny faritra koa. Nisy ny fitokonan’ny mpianatry ny Anjerimanontolo tany Toamasina sy Toliara ary ny mpianatry « Ecole Normale Supérieure » Antsiranana. Tsy resahina ny teny amin’ny « Polytechnique » Vontovorona. Nisy ny fioharam-pefy tany Toliara satria nisy ny fandrobana. Tsy mahagaga loatra iny tranga iny, satria raha ny fiarovana sy fampanantenana ataon’ny mpomba ny fitondrana any an-toerana sady tera-tany avy any rahateo, dia tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainan’ny mponina velively ary tsy mitondra vahaolana rahateo. Tsapa fa amin’ny toerana itrangana toe-draharaha mafana sahala amin’ireny ka amin’arivony no mihetsika dia mirodorodo midina mamaha olana ny mpitondra.

Amin’ny toerana toa an’Antananarivo izay heverin’ny mpitondra, fa aman’hetsiny no hanohina ny antso dia fandrahonana sy fanapariahana manerana ny tanàna mpitandro ny filaminana, izay lasa herim-pamoretana no hasetry izany. Tsy vitan’izany fa manao fisamborana olona tsy manan-tsiny sy namoronana izao hatsanga tsy aman’orana rehetra izao entina andefasana eny amin’ny fitsarana, izay mampiditra azy ireny eny am-ponja, asa noho ny baiko? Araka izany dia tsy afaka maneho hevitra sy midina an-dàlambe intsony ny vahoaka eto amin’ity Nosy ity, na voasoratra mazava tsara ao anatin’ny Lalàmpanorenana aza izany, fa anisan’ny zo fototry ny olompirenena rehetra.

Nodradradradrain’ny ministry ny serasera ankehitriny ireo zo fototra ireo, sivy volana taorian’ny nandraisan’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, ny fitondrana, ka tao anatin’ny fanoherana izy. Delestazy izay nambaran’ny filoha teo aloha, fa ho foana tao anatin’ny telo volana kanefa tsy tanteraka na dia azo lazaina fa nisy ezaka ihany aza. Tetsy andaniny koa ny tsy fahampian-drano, ka nahatonga ny fidinan’ny mponina an-dàlambe.

Ankehitriny dia miverina ireo nanakianana ny fitondrana teo aloha ary miha-mafy aza izany, kanefa dia ataon’ny fitondrana Rajoelina Andry ny sakana sy ny antsojay rehetra anakanana ny vahoaka tsy haneho hevitra, sy hivory an-kianja hanehoany ny tsy fankasitrahany izany toe-javatra izany. Mandrisika ny vahoaka hanao hetsika ihany koa ny fidangan’ny vidim-piainana tsy mbola nisy toy izany. Mihevitra ny mpitondra fa ny fanambatambazana ny olona amin’ny “vary tsinjo” amin’ny vidiny zato ariary mandritra ny telo volana dia hampisy ny fitoniana. Anisan’ny mampitroatra ny any amin’ny faritra ihany koa io tsy fanapariahana ity “vary tsinjo” ity any ivelan’Antananarivo, satria tsy ny Renivohitra ihany akory no Madagasikara ary tsy ny eto ihany koa no efa tsy takatry ny fahefa-mividin’ny mponina intsony ny vidim-piainana.

Efa tsy navela niditra tao amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ny solombavambahoaka enina eto an-drenivohitra ary torak’izany koa ny mpanohitra tamin’ny alàlan’ny RMDM ny sabotsy 27 febroary lasa teo. Rehefa nolavin’ny Prefet de Police ny fidirana teo Ambohijatovo dia nosakanana ihany koa ny fivezivezena teny amin’ny Araben’ny Fahaleovantena, sy ny fidirana tao Analakely. Rehefa nolavina ny nanaovan’ny solombavambahoaka tatitra tao Ambohijatovo dia efatra ambiroapolo ora talohan’iny andro iny dia nomena azy ireo ny eny Somandrakizay kanefa dia tsy tanteraka izany fanaovana tatitra izany noho ny tsy fahampian’ny fotoana fanomanana. Nanapakevitra ny solombavambahoaka enina mianadahy, fa ho eny Soamandrakizay amin’ny sabotsy 06 Martsa ho aavy izao ary efa manao ny fanentanana mifanandrify amin’izany ny ao amin’ny “Miara- Manonja”.

Ny ho avy no hanambara izay ho fihetsiky ny mpitondra, satria efa nanaiky ny toerana nomeny ny solombavambahoaka. Tsy mahagaga intsony mantsy ny fomba fanaon’ny mpitondra, izay mitsapatsapa ny halalin’ny rano, ka rehefa lalina dia miverina amin’ny teniny indray. Tsy misy mahasakana izany “rivotry ny fiovàna” izany rehefa mitsoka ary mbola manampy trotraka azy ny “rivotry ny fahafahana maneho hevitra sy ny fanoherana ny DJ: Didy Jadona”.

www.gvalosoa.net/2021/03/02/miverina-ireo-nanakianana-ny-fitondrana-teo-aloha-ary-miha-mafy-aza-i...

http://www.gvalosoa.net/2021/03/02/miverina-ireo-nanakianana-ny-fitondrana-teo-aloha-ary-miha-mafy-aza-izany/

EDITO 2 Marsa – Fampandrosoana mitsingevaheva tsy hipaka amin’ny fiainam-bahoaka

Sôh’son

Miditra amin’ny volana fahatelo amin’ity taona ity sahady isika. Mihazakazaka ny andro sy volana. Toa mihazakazaka manaraka izay ihany koa ny fizotry ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Ny fizotrany ihany anefa no mihazakazaka, fa ny fomba fiasa sy ny fitantanam-pirenena tsy miara-dalana amin’izany. Niharihary ny tsy fahombiazan’ny fitondrana eo amin’ny tontolon’ny fampianarana. Saiky nanerana ny renivohi-paritany ny hetsika sy fitakiana teny amin’ireo Oniversite nataon’ny mpianatra. Lasa zavatra hafa indray no nandehanan’ny sain’ny mpianatra, fa tsy afa-nifantoka tamin’ny fandrantoana fahaizana amam-pahalalana, izay antony andehanany eny amin’ireny sekoly ambony ireny. Tsy inian’ireo mpianatra izany, fa ny fomba fitantanana mihitsy no tsy mahomby sy misy lesoka hatrany. Zana-bahoaka no mandranto fahaizana amin’ireny toerana ireny. Efa ho roa taona mahery eo amin’ny fitondrana dia tsy nahay nisoroka ny tsy itrangan’ireny toe-javatra ireny izay nampalahelo mihitsy, fa niafara tamin’ny famoizana aina mpianatra sy nisy rà latsaka.

Mihazakazaka hananika ny vovonana ny fitondrana kanefa ny tokonana aza tsy afaka. Izay no fahitana ny fihetsiny tato ho ato. Ny fototra tena ilaina sy zava-dehibe ho amin’ny fampiorenana marina ny firenena mba hahavanona azy aza atao antsirambina. Miha- mahazo vahana eny anivom-piarahamonina ny toe-tsaina mikoroso fahana noho ny an-tandrevaka amin’ny fitaizana sy fanabeazana ny olom-pirenena. Hita sy re ao anatin’izao fitondrana izao ny toe-tsaina tsy manome hasina intsony ny aina, ny hasarobidin’ny menaky ny aina, ny fanajana ny rariny sy hitsiny. Nihataka lavitra amin’ny lalan’ny fahendrena voafaritry ny soatoavina maha Malagasy madio ny fiainam-bahoaka. N’inona n’inona fanazavana dia tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny fitondrana. N’inona n’inoa koa anefa asa na ezaka fampandrosoana ataon’izao fitondrana izao dia hiàla maina ihany izy tsy hahita fahombiazana satria ny fototra tena ilaina mihitsy no ataony an-tandrevaka. Ny fampisaraham-bazana ny mponina amin’ny fitanilan’ny fanomezana sy fanampiana ataony mandraka ankehitriny dia fositra iray lehibe manimba ny firaisankinam-bahoaka. Izay misaraka anefa fasika, hoy ny fahendren’ny Ntaolo. Hinia hikimpy anoloan’izany ny fitondrana, ka mihevitra fa ho voasaron’ny asa atao toy ny fanaovana fiara mihantona mikorisa amin’ny tariby sy ny zavatra samihafa toy izany dia hampilamina na hampirindra ny fiaraha-monina. Hadisoan-kevitra lehibe raha izany. Matetika koa anefa no diso hevitra sy tetika ny fitondrana hany ka misy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainam-bahoaka izany. Dia izao iaraha-mahita mbola ao anaty fahantrana lalina izao ny sarambabem-bahoaka.

Raha fehezina, mbola “valala eny an-danitra” ny asa fampandrosoana ambaran’ny fitondrana hotanterahiny. Izany hoe mbola tsy hisy fiovàna antenaina aloha amin’ny fiainam-bahoaka ao anatin’izao fitondrana ankehitriny izao. Fampandrosoana mitsingevaheva ihany, fa tsy manana fototra marina mifanaraka amin’ny sitraky ny vahoaka Malagasy.

www.gvalosoa.net/2021/03/02/edito-2-marsa-fampandrosoana-mitsingevaheva-tsy-hipaka-aminny-fiainam...

http://www.gvalosoa.net/2021/03/02/edito-2-marsa-fampandrosoana-mitsingevaheva-tsy-hipaka-aminny-fiainam-bahoaka/

Comment on Facebook EDITO 2 Marsa – ...

Efa fito taona mahery fa tsy roa taona mahery azafady. Tetezamita 5 taona + +2

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 2 Marsa 2021.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net
... TohinyFintinina

3 andro lasa

Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 2 Marsa 2021.
Ho hitanao koa ao aminny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net

Tongava maro! Ny firaisankina no hery. ... TohinyFintinina

4 andro lasa

Tongava maro! Ny firaisankina no hery.

Comment on Facebook 1764140243706142_3772657009521112

Fotoana tsy misy otranio! Tongava maro o!

Hoavy Zahay avy aty mahajanga madame député aza mataotra fa avy Zay raha tsy Dray n'y sakana

TONGAVA JIABY E

Load more