Vondron’ny kandidà – Mitohy ny tolona, miantso ny sivily sy miaramila hijoro

Isambilo

Nanao fanambarana ny vondron’ireo kandidà ny alakamisy hariva teo fa mitohy ny tolona, miantso ny sivily sy miaramila koa izy ireo hijoro. Nambaran’ny solontenan’ireo vondron’ny kandidà nandritra izany fa very ny fitokisan’ny Malagasy ny mpikarakara ny fifidianana. Manamafy ny fitakiana ny hisian’ny fifidianana madio hatrany ny vondron’ny Kandidà, izay nilaza fa tsy maintsy mitohy ny tolona. Fandresena voalohan’ny tolona ny taham-pahavitrihana ambany indrindra tamin’ny tantaran’ny Firenena, ho an’ny fifidianana amboletra sy barofo, izay tsy nandraisan’ny rehetra anjara. Miantso ny herivelona rehetra sivily sy miaramila koa, tanjona ny hananana fifidianana madio sy mangarahara, izay hany lalana tokana hametrahana ny fitoniana eto amin’ny firenena. Mitohy ny tolona ary tsy mijanona raha tsy tratra ny tanjona.