Sarintsarim-pifidianana toy ny tsy misy – Mitombo ny manohitra ny vokatra hoy ny vondron’ny kandidà 11

Isambilo

“Grand complet”, na hoe ao avokoa ireo vondron’ny kandidà 11 manohitra ny fifidianana filohampirenena natao amboletra teto amintsika ny 11 novambra lasa teo. Nivory tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko HVM tetsy Andraharo izy ireo ny talata teo. Tsy nisy nipika ny dinika nikaton-trano, saingy fantatra fa nifanakalo hevitra sy nandinika ny mety ho tohin’ny tolona izy ireo. Amin’ireto kandidà ireto, toy ny tsy misy iny fifidianana natao teto amintsika iny, noho ireo tsy fahatomombanana maro hita, hitan’ny mpanara-maso teto an-toerana sy ny avy any ivelany koa. Avy teny Andraharo dia nihaona tamin’ny Vondrona Eoropeanina tetsy Ankorondrano ny vondron’ny kandidà 11. Tsy manaiky ny fifidianana, tsy manaiky ny valim-pifidianana ny vondron’ny kandida noho ireo tsy fahatomombanana mialoha sy nandritra ny fifidianana, ka tsy hanekena ny vokatra.

Nanatitra fehin-kevitra na “MÉMORANDUM” manazava ny tsy fanarahan-dalàna nandritra ny zotram-pifidinana izy ireo. Natolotra ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeana eto amintsika, sy ny Ambasadaoron’ireo firenena sasany ao anatiny toa an’i Frantsa, Alemaina, Royaume Uni,… izany fehin-kevitra izany. Tsy ny lalàna malagasy ihany, fa maro ireo lalàna iraisam-pirenena izay efa nankatoavin’i Madagasikara, no tsy voahaja nandritra iny saritsarim-pifidianana iny, hoy ny Collectif des candidats.

Tsy ny kandidà 11 intsony hoy izy ireo no manohitra iny fifidianana iny sy ny vokatra, fa sokajin’olona maro samy hafa eto amin’ny firenena mihitsy: fiarahamonim-pirenena, ray aman-dreny ara-drazana, mpanao politika, sendikà, manam-pahaizana,… Noho izany, mitohy ny tolona ho fanafoanana iny sarintsarim-pifidianana iny sy ny vokany, hiseho amin’ny endriny hafa izany tolona.