Kandidà filoha Ravalomanana – Tolom-bahoaka no atao manomboka izao, tsy ekena ny jadona

Nangonin’Isambilo

Nanao fihaonambe tetsy Bel’Air Ampandrana omaly, ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) notarihan’ny filoha nasionaliny, ny kandidà filoha Marc Ravalomanana. Vory lanona tokoa ny rehetra nandritra izany, nisongadina fa mitohy hatrany ny tolona mandra-pivalian’ireo fitakiana rehetra mahakasikara ny resaka fifidianana.

Nambarany nandritra izany fa: “nampivory ny tomponandraikitra rehetra eo anivon’ny TIM sy ny mpanohana ary ny mpiaradia amintsika aho. Mankasitraka ireo vahoaka Malagasy izay nanaraka antsakany sy andavany ireo toromarika nampitain’ny Collectif des Candidats ka tsy nandeha nifidy na dia natao amboletra aza ny fifidianana. Tsy mbola mifarana akory ny tolona ary tsy maintsy tohizana izany mandrapahatratra ny tanjona, dia ny fanomanana fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra. Ny fitakiana dia tsy misy miova fa miampy kosa ny tsy fankatoavana ny nanaovana amboletra ny fifidianana na dia tsy feno aza ny fepetra rehetra tokony hanaovana ny fifidianana madio.

Tolombahoaka no atao manomboka izao ary tsy ekena ny fanaovana didy jadona eto Madagasikara. Tokony hamafisana ny firaisankinan’ny Malagasy, satria mety mihamafy ny faneriterena sy ramatahora atao amin’ny mpitarika sy ireo mpitolona. Ady sy tolona ho an’ny tanindrazana no atao ka tokony samy haharitra sy hanana fahasahiana ny vahoaka mpitolona. Tsy maintsy apetraka ny tetikady rehetra mba hahatratrarana ny tanjona dia ny fanomanana fifidianana madio, mangarahara ary eken’ny rehetra. Tohizana ny fanentanana ny vahoaka maneranana an’i Madagasikara, mba hahatsapan’izy ireo fa fifidianana mitanila sy tsy manaja ny zon’ny mpifidy ary feno hosoka iny fifidianana iny.

Ilaina jerena akaiky ireo hetsi-bahoaka kanefa tsy mihemotra manoloana ireo antsojay sy herisetra. Sahia mijoro hatrany ho fiarovana ny marina sy ho an’ny tanindrazana. Manao antso amin’ireo hery velona rehetra samy handray andraikitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna, satria tandindonin-doza ny firenena sy ny ho avin’ny taranaka faramandimby. Manao antso avo aminareo mpitandro ny filaminana: aok’izay ny herisetra sy ny fanaovana ramatahora amin’ny mpiray tanindrazana. Ny soa iombonona ho an’ny tanindrazana no jerena, fa tsy tombontsoan’olombitsy fa samy ho tsarain’ny tantara isika.

Avoahay tsy misy fepetra sy tsy misy hatak’andro i Depiote Fetra, sy ireo olom-pirenena Malagasy izay nanao diabe am-pilaminana ho fitakiana ny fanjakana tan-dalàna sy fifidianana madio. Masina ny Fahamarinana ka mijoroa hatrany amin’izany!”