8 martsa 2024 – Ambositra, Ambalavao – Andro Manerantany ho an’ny Vehivavy

Ny Valosoa

Nanamarika ny andro manerantany ho an’ny vehivavy ny tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa ny alakamisy 8 martsa 2024. Distrika 18 no nandray anjara tamin’izany, nanehoan’ireo vehivavy fa ny reny Malagasy dia: « mitandro ny hasin’ny aina ary mampanjaka ny fahamarinana mba hisian’ny fitoniana sy ny soa ho an’ny taranaka ».

Tamin’ny taona 1848 tany Etazonia no teraka ny hetsika notarihana vehivavy amerikana roa izay nahasarika olona amanjatony. Ny taona 1975 vao niditra ho andro fankalazana eo anivon’ny Firenena Mikambana. Isan’ireo mankalaza ny andron’ny vehivavy i Madagasikara ary natao ho andro tsy fisian’ny vehivavy ny 8 martsa.

Ny andro manerantany ho an’ny vehivavy dia nentina hankalazana ireo zavabita ary hanabeazana sy hanamafisana fototra ny fitovianjo eo amin’ny lahy sy ny vavy.

(sary: Ambositra sy Ambalavao)

https://www.qppstudio.net/public-holidays/madagascar.htm
https://en.m.wikipedia.org/wiki/International_Women%27s_Day
https://www.internationalwomensday.com/about#:~:text=Marked%20annually%20on%20March%208th,lobby%20for%20accelerated%20gender%20parity