Fantaro Ninie Donia – Mpampianatra teny Anglisy, Mpanjakavavin’ny Salegy, mpanao politika

Nangonin’Isambilo

Nanana ny naha-izy azy Ninie Donia fahavelony, satria mpampianatra teny Anglisy izy, mpanakanto Mpanjakavavi n’ny Salegy, sady mpanao politika ihany koa. Mbola nofonjain’ny fitondrana Rajoelina izy izao nodimandry izao ny alahady 19 novambra teo. Fantaro ary, iza marina moa Ninie Donia:

Ninie no anarana fiantso azy mbola kely, BEZARA Eliane Virginie no tena anarany. Teraka tamin’ny 15 Aogositra 1967 tao Nosy-Be Hell-Ville faritra Diana, Madagasikara. Zanak’i BEZARA Jean Joseph sy i KALOZAFY Bibiane. Avy ao Ambatozavavy Nosy-be Hell-Ville, sady mahazo ila Sakalava,Tsimihety, Betsimisaraka, sy Betsileo ihany koa izy. Manana zanaka 02 lahy izy dia i POTHIN Jean De Dieu sy i TONGAZARA Christoly. Ity farany, i Christoly, io ilay nanaraka ny reniny tany Frantsa, izay mpanao mozika (Kriss Jeezy) sy mpilalao Basket ball ao Clermont Ferrand. Ninie dia anarany azo avy amin’ny hoe « Virginie », ka nataony anaran’ny Tarika, fa rehefa nandeha irery ka niala i Bilo (Mpihira tao Diego Suarez) dia nitondra Tarika manokana izy, ka dia i Ninie DONIAH no nosafidiany. Ninie Donia na « Cadeau de la Vie » izany no anarana nentiny.

Mpanjakavavin’ny Salegy

Nanomboka niaina mozika sy nihira izy tamin’ny taona 1995, hira niarahany tamin’ny mpanankanto BILO. Mpamorona izy sady mpihira ary anisan’ny nanana loko nampiavaka azy. Maro ireo hira anisan’ny nahafantarana azy : “malilo”, ” mandiadiasa”, “nivaly corres”, sns… Maro koa ny raki-kira navoakany tanatin’ny fotoana nihirany, anisan’izany “Donia malamatra”, ” Ngôma lelahy”, “tsara olo be”,…
Miisa 05 ny isan’ny albums efa navoakany : 01 Tsara olo be nivoaka ny aprily 1995, Donia malamatra 1998 nivoaka tao amin’ny studio Donia sy ngouv Production tao Mayotte, Ngôma lelahy ilay misy hira nalaza be iny hoe : nivaly corrès, nivoaka ny taona 2001, ny Pensées aux autres, ary ny Vonjia, izany hoe efa an-jatony ny hira navoakan’i Ninie Donia. Ireo Mpiasan’ny Radio sy Journaliste no nametraka sy nanome ny anaramboninahitra azy hoe : ” LA REINE DU SALEGY ” na ‘’Mpanjakavavin’ny Salegy’’ taminy taona 1999 ary tsy nisy olona nahasahy nandà, ka lasa tsy voafafa hatramin’izao.

Mpampianatra teny Anglisy

Ny nampiavaka azy, fitafy: hatramin’ny ela izy no efa tia fitafy maha Malagasy no anaovany, ka ny lambahoany no ataony pataloha ary manao fitafy vehivavy Tsimihety sy Sakalava. Mpampianatra taranja teny Anglisy izy, nampianatra izany tamin’ny CEG. Efa maro ireo mpianatra nanaovany asa soa fony izy nampianatra, toy ny hoe manao cours gratuit, miantoka cahiers ny mpianatra, mizara kapa ho an’ny mpianany, izany hoe tia manampy olona efa hatramin’izay i Ninie.

Mpihira vavy tsy nanaiky lembenana

Nahomby izy teo amin’ny fanaovana mozika. Mbola ny rakikira voalohany « Tsara olobe » dia efa nanindrahindra ny fanajana Raiamandreny ny hirany, naka ny toeran’ny ho mpiaro ny Vehivavy sy ireo voan’ny tsindry hazolena. Lasa Mpihira vavy tsy manaiky lembenana i Ninie Doniah, izay niarahany tamin’ireo Mpitendry ikoizana toa an’i Jean Brice Solo, Fanjava Bory Marantsetry, … Navoitran’i Ninie tanatin’ny hirany ny maha –mafy ny vehivavy: toy ny hoe “Na amianao Bôiny e, zah tsy himpôdy songô”. Sy ny hoe “Jôby Zah Ninie e, fa Jôby Volamena”. Na dia teo aza izany, tsy adinony ny nihira ny fifankatiavana sy fifandeferana toy ny hoe: “Koezy”, “Malilo”, “Malilo Zah malilo malilo ô, Mikoezy eeee ! Amin’izay tsy nanaiky lembenana azy izay, nanao politika ihany koa i Ninie Donia, mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany Nosy-Be izy ary efa kandidà ho depioten’i Madagasikara.

Nitety firenena maro

Nitondra azy nitety tany maro tany ivelany ny mozika: Tour de Mayotte 3 fois. 1998 voalohany clip nataon’ny RFO Mayotte, Festival RFO Mayotte (Awilo longomba, Linda de Suza, Baster de la Réunion, Ramanison Maurice, Festival Créole Seychelles, Festival de Saint Leu La Réunion ; Zouk Machine ( Christiane Obidol) namany ary nanome alalana an’i Ninie Donia nihira an’ilay Sauver l’amour.
Tour de France : Festival Les Nuits Auxerre, Festival de Madagascar, Tour Lyon (France), Festival Donna Africa 2000-2001 deux fois Torino Italy, Festival de Languaw(Suisse), 3 fois New Morning Paris niaraka tamin’i Ricky, Solomiral, Toty (arrangeur- n’i Mily Clément), Bal National Malagasy en Belgique, Nahazo trophée Femme 2000,… Ny teto Madagasikara, tsy voaiisa ireo seho antsehatra nataony manerana ny Nosy, ary ny fanaovana live sur scène no ikoizana aminy, toy ny nataony nandritra ny Festival Jerijery 1ère édition, izay nahavitany nihosika anatin’ny fotoana lava mandrapahavitan’ny installation- n’ireo mpitendry sy ny sono izay mbola mikirakira kanefa ny mpijery efa tonga, tena mamana talenta mihira i Ninie Doniah.

Niaro ny tanindrazana

Raha tsiahivina dia nitarika ny olona nanao fihetsiketsehana noho ny fibodoana tanin’olona tao Nosy Be i Ninia Donia ary nijoro niaro ireo olona iharan’ny tsindrihazolena. Nosamborin’ny mpitandro filaminana tany Nosy Be izy ny 17 Jona 2022 ary nomelohin’ny fitsarana higadra 6 volana an-tranomaizina sazy mihàtra. Tokony ho tapitra ny 16 Desambra 2022 io sazy io, nefa tsy afaka nivoaka ny fonja i Ninie Donia, satria nisy avy hatrany ny didy fampidirana azy am-ponja vonjimaika vaovao navoakan’ny fitsarana tao Nosy- Be. Ny 25 aprily 2023 lasa teo indray, nomelohan’ny fitsarana higadra 18 volana an-tranomaizina sazy mihàtra vaovao indray ity Mpanjakavavin’ny Salegy ity. Mbola any amin’ny volana Jona 2024 vao tokony hivoaka ny fonja i Ninie Donia, saingy izao izy nindaosin’ny fahafatesana ny alahady 19 Novambra 2023 teo izao. Nisy ny fangatahana nataon’ny Mpanakanto Wawa Salegy ny 03 Aogositra 2023 teo, nandritra ny fanokafana ny Somaroho 10è dition, izay nandohalihany tamin’ny fanjakana Rajoelina tamin’izany fotoana, ny amin’ny famotsorana azy sy ny famelana ny helony, saingy indrisy tsy nahazo famotsoran-keloka izy hatramin’izao nandaozany ny tany izao, tena mampamahelo sy mahonena. Efa nangataka ny ho atao Evasan izy noho ny tsy fahasalamana, fa tsy nahazo izany. Notsaboina tao Nosy be ihany izy noho izany ary rehefa nihombo ny aretina vao nalefa tany Antsiranana, nefa indrisy fa namoy ny ainy teny an-dalana.
Nihilagna (nodimandry) ny andrarezin’ny kanto, Very olomanga ny taranaka tia tanindrazana eto Madagasikara. Tsy nahazo famidram-po, tamin’ny fiarovana ny tanin’ny Razambeny (Zafinifotsy) nonenan’ny vahoaka madinika tsy ho lasan’ny vahiny karàna sy vazaha no antony nidirany amponja ny 25 Novambra 2021, izay nitarika aretina ho azy tao amponja ka niafara tamin’ny fahalavoany ny 19 Novambra 2023 teo io. Izany hoe 02 taona latsaka 6 andro tany amponja izy. Namoy ny ainy teny an-dalana tao amin’ny Faritra Andrafiabe, 40 km tsy hidirana an’Antsiranana,… rehefa nihombo tao am-ponja ny aretiny ka saika handeha hotsaboina tany Antsiranana. Ao amin’ny Cimétière misy ny fasam-pianakaviany ao Hell-Ville Nosy-Be i Ninie Donia no halevina. Mandria am-piadanana Ninie!