Raharaha Romy Voos – Voantso any Londres Rajoelina ny 30 novambra hoy Paraina

Ny Valosoa

Nizara roa ny hetsika am-pilaminana ho fitakiana ny hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra omaly, ao anatin’izany koa ny tokony hanemorana ny fifidianana aloha. Teo ny hetsika nifandray tanana nanao tohivakana nanodidina ny Farihin’Anosy, izay notarihan’ny mpanakanto Bodo sy Hary Razafindrazaka, fahombiazana izany, satria maro ireo namely ny antso nandray anjara tamin’ny hetsika. Teo koa ny hetsika diabe nataon’ny vondron’ny kandidà niainga teny Bemasoandro ka hatrany amin’ny Cité Itaosy tao Antananarivo Atsimondrano.

Nambaran’ny kandidà Paraina Auguste nandritra izany fa voantso any Londres ny kandidà Andry Rajoelina amin’ny 30 novambra ho avy izao momba ny resaka kolikoly avo lenta: raharaha Romy Voos Andrianarisoa. Raha ny fanazavàna izay nomen’ny Kandidà Paraina Auguste dia izay no antony goavana mampisisika mafy an’i Andry Rajoelina hanatanteraka ny fifidianana Filoham-pirenena, mba hahafahany manana “immunité”, satria mavesatra ny fiampangàna azy amin’izao kolikoly goavana iraisam-pirenena izao.

Ankoatra izany, namafisin’ireo rehetra nandahateny koa fa: aoka hajaina ny lalàna, miala ny kandida tsy manana zompirenena Malagasy intsony, sitrapony hoy izy ireo no nanariany ny zompirenena maha malagasy azy. Mila hovaina ny Hcc, soloina Ces, hovaina ny Ceni. Havoaka daholo ireo voasambotra na député na olontsotra. Hahemotra ny fifidianana ary hapetraka ny fifidianana tsy mitanila. Momba ny fifidianana kasaina hatao ny alakamisy ho avy izao: hataovy toy ny tsy misy hoy izy ireo, haneho fiaraisankina ny Malagasy rehetra eran’i Madagasikara amin’io andro io, hoy ihany ny fanambarana, hanohitra ny fifidianana amboletra sy tsy manara-dalàna.