RMDM sy ny TIM – Fanavotana ny Malagasy rehetra no maika fa tsy toerana

Isambilo

Nivory tetsy amin’ny foiben-toeran’ny antoko TIM Bel’Air omaly, ny lohandohan’ny mpisorona sasany ao amin’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sy ny avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Ny mahakasika ny fanohizana ny tolona ho tolom-bahoaka, no anisan’ny nodinihana tamin’izany, tolom-bahoaka izay iarahana amin’ny vondron’ny kandidà 11, sy amin’ny sokajin’olona samy hafa: mpanao politika, fiarahamonim-pirenena, sendikan’ny mpiasa, na mpiasam-panjakana izany na tsy miankina, mpianatra, olon-tsotra, sy ny maro hafa,… Nambran’ny kandidà filoha Marc Ravalomanana nandritra izany fa:”tsy ny toerana na ny voninahitra no tadiavintsika sy maika, fa ny fanavotana ny vahoaka Malagasy rehetra. Ny zavatra rehetra dia eken’Andriamanitra hiseho, fa tsy ny zavatra rehetra no sitrapon’Andriamanitra,’’ hoy izy nandritra izany. Ankoatra izany, nivory nikaton-trano teny Andraharo ny vondron’ny kandidà 11 ny faran’ny herinandro teo, niketrika ny ho tohin’ny tolona, heverina fa tsy ho ela izy ireo dia hanambara ny tohin’izany: ady amin’ny tsy fahamarinana, sy ny ady amin’ny fanjanahana amin’ny endriny maoderina.