TOETRANDRO ANDROANY
... TohinyFintinina
16 ora lasa
- Likes: 48
- Shares: 11
- Comments: 1
Maereza mivavaka,fa n'y tompo hiaro anareo,matokisa azy
Tsy manana numero lay responsable toyota blinde naseho tetsy mahamasina nga nareo fa iny zao no rapida be
Miantso gendarme
Minan iem daholo tsika e! Mahereza.
BACCALAURÉAT 2019
Ampahatsiahivana isika Ray aman-dReny, mpianatra, sy tompon-tsekoly fa hanomboka ny 25 Febroary 2019 amin'ny 8 ora maraina ka hatramin'ny 30 Aprily 2019 amin'ny 6 ora hariva ny eny amin'ny service Bakalorea 6 manerana ny Nosy ny fisoratana anarana.
SARANY :
- Mpiadina atolotry ny sekoly : 15 000 Ar
- Mpiadina misora-tena : 50 000 Ar
- Mpiadina teratany vahiny : 100 000 Ar
TSY EKENA INTSONY NY FAHATARANA
Datim-panadinana :
- Bakalorea ankapobeny sy bakalorea teknika fihodinana voalohany : 30 Septambra ka hatramin'ny 04 Oktobra 2019
- Bakalorea teknika fihodinana faharoa : 07 Oktobra ka hatramin'ny 10 Oktobra 2019.
Loharano: Mesupres ... TohinyFintinina
1 andro lasa
1 volana nitondran-dRajoelina – Ronono an-tavy sy fampanofisana no betsaka
Helisoa
Iray volana izay no nandraisan’ny filoha Andry Rajoelina ny fahefana feno, fahefana nomen’ny CENI sy ny HCC azy tamin’ny alalan’ny halabato be vata, tamin’ny salanisam-bato 55,66% ny vato manankery, tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana filoham-pirenena ny 19 desambra 2018, raha nifaninana tamin’ny filoha Marc Ravalomanana izy araka ny didy navoakan’ny HCC izay tsy maharesy lahatra ny maro ihany io valimpifidianana io.
Santionany amin’ireo fanapahan-kevitra noraisin’izao fitondrany izao, tao anatin’izay iray volana izay, ny hanarenana indray ka hamitana ny Rovan’i Manjakamiadana alohan’ny 26 jona 2020, ny fandraràna ny fanondranana omby velona any ivelany, ny fividianana helikôptera miisa dimy hampitaovana ny mpitandro ny filaminana, hiadiana amin’ny asan-dahalo sy mpaka an-keriny, ny hanorenana trano fonenana (logements sociaux) amina velaran-tany 58 ha eny Ivato, ny fampodiana an-tanindrazana ireo ambasadaoro sy « consul » malagasy rehetra miasa any ivelany any, ny fahafahan’ny Jirama manafatra solika mivantana any ivelany, ny hanatanterahana ny fifidianana solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019.
Anisan’ny nanamarika izao fitondrana voalohany izao ihany koa ny fitoriana mpanao gazety any Sambava, nolazaina ho mpanongam-panjakana (sûreté de l’Etat), ny fisamborana sy fanagadrana mpandraharaha lehibe roa any Tsiafahy, sy ny famerenana ny iray ao Antanimora. Namafisina ihany koa ireo lalàna efa misy fa tsy nampiharina, dia ny fametahana ny fiaram-panjakana ho plaque rouge, sy ny tsy fanekena ny ampiasan’ireo minisitra jiro mirehidrehitra, sy anjomara, na fidirana làlana tsy azo aleha.
Raha ny hita aloha dia toa karazana mbola fanaovana ronono an-tavy amin’ny vahoaka sy fampanofisana ary fihetsika ivelany ilazàna fa hoe miasa ny fitondràna no ataon’ity fitondràna TGV ity satria tsy miantraika mivantana amin’ny isan-tokantrano aloha no hita hatramin’izao . Eo ihany koa ny valifaty politika atao amin’ny olon’ny fitondràna teo aloha . Raha tena filohan’ny Malagasy Andriamatoa Andry Rajoelina dia ny fitoniana aloha no tokony hapetrany voalohany fa tsy fihetsika mivatravatra toy ny fanagadràna olona tahaka ny misy amin’izao . Ireo filoha teo aloha efa nanaja azy, nefa toa izy mpitondra manana fahefàna feno indray no toa manao fihetsika mitratrevatreva tsy misy vokany amin’ny fampandrosoana sy ny velirano nodradradradrainy. Mbola hita ihany hatramin’izao ny tarazon’ny maha-mpanongam-panjakana an’i Andry Rajoelina hatreto, miezaka izy ny hampihàtra ny jadona toy ny nataony tamin’ny tetezamiitatra.
www.gvalosoa.net/2019/02/22/1-volana-nitondran-drajoelina-ronono-an-tavy-sy-fampanofisana-no-bets... ... TohinyFintinina

1 volana nitondran-dRajoelina – Ronono an-tavy sy fampanofisana no betsaka | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Helisoa Iray volana izay no nandraisan'ny filoha Andry Rajoelina ny fahefana feno, fahefana nomen'ny CENI sy ny HCC azy tamin'ny alalan'ny halabato be vata, tamin'ny salanisam-bato 55,66% ny vato manankery, tamin'ny fihodinana faharoan'ny fifidianana filoham-pirenena ny 19 desambra 2018, raha nifani...1 andro lasa
Vao maika aza nahazo aina ny dahalo,,tssy filaminana ny tany,
Fahefana nangalarina io e!
Marina daholo izany ary tsy haharitra io fitondrana io raha izao no mitohy
aleo ande ho tazamina e!
Ikotofetsy sy Imahaka – Fitaizana mbola mitoetra foana ve?
Indray andro izany hono, Fahagolantany,
Nisy roa lahy,
Tena mpamitaka gaigy lahy,
Izay nandra no maty betsaka.
Angady mondro sy reniakoho
K’izay mananda no resy
Fa Ikotofetsy sy Imahakà
Dia tafaray samy fetsy
Inona no hevitra mba nataony nony injay tafahaona
Ndao isika hiara-hiasa tsy hisy izay ho noana.
Indray andro izany hono, teny an-dohasaha
Dia niara-dia Ikotofetsy sy Imahakà
Fa Imahakà, ondrin’olona no nobatainy
Kanjo tratra izy ka izao no mba nolazainy
Ny hangalatra lay ondry, hono, tsy mba tao an-tsainy
Fa ny lanjany fotsiny, hono, no hany mba hotsapainy.
Indray andro izany hono Fahagolantany
Nisy roa lahy
Tena mpamitaka gaigy lahy
Izay nandra no maty betsaka
Dia nanao fatidrà tamin’ny hafetsena
Sy ny toetra ratsy izy ireto
Ka ny olona sendra azy tamin’izany Raha tsy mitomany dia misento
Fa izy raha miaraka isan’andro
Dia tsy mitsaha-misoloky
Ka na miasa na tsy miasa
‘Zareo tsy maintsy voky.
Maurice Razafy – tononkira.serasera.org
www.gvalosoa.net/2019/02/22/ikotofetsy-sy-imahaka-fitaizana-mbola-mitoetra-foana-ve/ ... TohinyFintinina

Ikotofetsy sy Imahaka – Fitaizana mbola mitoetra foana ve? | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Indray andro izany hono, Fahagolantany, Nisy roa lahy, Tena mpamitaka gaigy lahy, Izay nandra no maty betsaka. Angady mondro sy reniakoho K'izay mananda no resy Fa Ikotofetsy sy Imahakà Dia tafaray samy fetsy Inona no hevitra mba nataony nony injay tafahaona Ndao isika hiara-hiasa tsy hisy izay ho ...2 andro lasa
Ambatomainty Faritra Melaky – Omby 280 no lasan’ireo dahalo manodidina ny 20 mirongo basy
Serge
Omby 280 no lasan’ireo dahalo manodidina ny 20 mirongo basy ampolony, nandritra ny fanafihana nataon’izy ireo omaly, tao amin’ny tanànan’Ambonarabe Bedaba tokony ho tamin’ny 4 ora maraina.
Raha ny fampitam-baovao azo, tamin’ny mitatao vovonana omaly, tao amin’ny kizo antsoina hoe Kelilalina no nisy ireo dahalo sy ny omby, faritra iraisan’ny distrikan’Ambatomainty sy Tsiroanomandidy. Vinavinaina hizotra hiakandrefana any anelanelan’i Mahatsinjo sy Orimbato ny lalan’ny omby, raha ny nambaran’ireo mpanaradia. Mitaky fiarahamiasa amin’ireo mpitandro filaminana, izay toby miaramila natao hiady amin’ny asan-dahalo sy ny zandarimaria ao Bongolava ireo mpanaradia .
Hatreto dia vao mainka mirongatra ny asan-dahalo amin’ny faritra maro eto Madagasikara. Hatramin’izao , efa iray volana no teo amin’ny seza fiandrianany miaraka amin’ny fahefana feno nomen’ny HCC azy, mbola tsy hita izay fandraisana andraikitra ataon’ny fitondràna TGV, nefa tamin’ny fampielezan-kevitra dia tany amin’ny faritr’i Bongolava iny mihintsy ny kandida Andry Rajoelina tamin’izany, niaraka tamin’ireo vazaha nanao fampisehoana ireo fitaovana hiadiana amin’ny asan-dahalo: puce sy drone ao anatin’ilay fandaharan’asa IEM nodradradraina. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, mihinana ny IEM ny vahoaka satria tsy hita izay tena fandraisan’andraikitry ny fitondrana Rajoelina.
www.gvalosoa.net/2019/02/22/ambatomainty-faritra-melaky-omby-280-no-lasanireo-dahalo-manodidina-n... ... TohinyFintinina

gvalosoa.net
Serge Omby 280 no lasan'ireo dahalo manodidina ny 20 mirongo basy ampolony, nandritra ny fanafihana nataon'izy ireo omaly, tao amin'ny tanànan'Ambonarabe Bedaba tokony ho tamin'ny 4 ora maraina. Raha ny fampitam-baovao azo, tamin'ny mitatao vovonana omaly, tao amin'ny kizo antsoina hoe Kelilalina n...2 andro lasa
Eh! Atao aona fa samy minan IEM eto tsika malagasy e, tsy aleo ve niandry ny 2030 ny Rajao toy izay kobakambava
Fa tsy mbola miasa nga ilay drône fa mampalahelo ny tompon'ny omby.
Efa niondrana fa veloma e !
bola tsisy pus n omby
Mbola mijerijery pozy @ fitaratra alou sao tsy ao tsara e!
... TohinyFintinina

Efa nanafika teny amin'ny faritra Ambatolampy Tsimahafotsy omaly ny dahalo ka fokontany dimy no lasibatra tamin'izany.
Tsy vitan'izay anefa fa mbola nametraka taratasy izy ireo fa ny fokontany ambatolampy Tsimahafotsy sy ny manodidina indray no tafihiny androany alina.
Efa misahotaka ny fokonolona amin'izao koa miangavy ny tompon'andraikitra fa efa mitaintaina sy matahotra ny fokonolona amin'izao fotoana izao.
Vaovao voarainay eto amin'ny 24h Mada amin'izao ora izao.
2 andro lasa
Amin'izao ora hanoratana izao dia manafika ao Tsimahabeomby, Fokontany Amboronosy, Kaominina Ambohitrandriamanitra, Distrikan' i Manjakandriana ny Dahalo amin'izao fotoana izao.
Lasa nitsoaka any an-tsaha avokoa ny olona any an-toerana arakin'ny vaovao nampitain'ny mponina eny taminay.
Ity asehonay aminareo ity ireo tanàna misy ireo Jiolahy amin'izao ora izao. ... TohinyFintinina
2 andro lasa
K'efa hoe tsy maha-be-omby hono any araka ny anarany, tsy tokony hiompy omby intsony izany
matikambo fotsiny le oe elico folo no etiko iady@jiolah aiza zao ze eo?
Misy mpanambola kosa iz zany an
Aiz ilay elico?
Mijaly ny vahoaka ry fanjakana a!
Misy mihaino.....!
... TohinyFintinina

Nanatrika ny fotoana hamolavolana izay ho solombavambahoaka (Casting) notanterahina ny Alatsinainy 18/02/19 lasa teo ny TMMR . Mahavelombolo ny politikany hoan'ny tanora satria na dia tsy eo @ fitondrana aza ny tenany dia nampirisika ny tanora hijoro sy handray andraikitra fa hijery manokana anareo aho hoy izy . Zava-dehibe hoy izy izao fijoroanareo izao ary manana foto-kevit...
2 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 21 Febroary 2019.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
2 andro lasa
... TohinyFintinina
3 andro lasa
Mijaly tanteraka izao Tsaratanana izao inona no vahaolana
NODORAN DAHALO SA ATAO OHATRAN NATAO T@Remenabila ee
Fa inona ihany ary zao????
Volamena koa iraiky ty
... TohinyFintinina

Trano 20 mahery may kilan’ny afo
Nahitana haintrano ny Fokotontany Anosibe Andrefana II androany talata 19 Febroary 2019, tokony ho tamin’ny 9 ora sasany maraina teo ho eo ka ny A Secteur faha 2 indray no lasibatry ny afo tamin’izany . Raha ny hita teny an -toerana dia miisa 21 ireo trano may, nahitana trano hazo 18 ary trano biriky 3 ; 32 ireo ankohonana traboina may trano tamin’izany, ahitana olona miisa 157. Tsy mbola fantatra ...
4 andro lasa
Mila olom-baovao sy ainga vao ny depiote TIM.K25
Sôh’son
Mikaon-doha fatratra amin’izao fotoana izao ireo etamazaoro politika rehetra misy eto amin’ny firenena, eny hatramin’ireo lazaina ho marefo aza, izany hoe ireo maivana ara-pototra (base).
Samy mikendry mafy ny hahazo toerana eny amin’ny antenimieram-pirenena mantsy ka hahatafiditra olona eny, amin’ny faha-27 Mey ho avy izao.
Ankavitsiana ihany ireo nitaraina ny amin’ny fampiakarana ny vola harotsaka ho amin’ny filatsahan-ko fidiana tao anatin’izay fotoana efa nanambarana ny amin’ny datin’ny fifidianana sy ny fisokafan’ny fanoratana anarana hirotsaka izay.
Anjatony ireo antoko politika mijoro eto amin’ny firenena. Vitsy ihany anefa no azo lazaina ho matanjaka sy manana olona mpanohana sy mpikambana ao
anatiny. Iray amin’izany ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) sy ny K25, izay na teo aza ny zava-nisy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena natao teo, izay karazany voavelin’ny kibain’ny tsy
fahamarinana ihany dia mbola mijoro tsara ary vao mainka aza miha-mahazo hery hatrany indray arakaraka ny fotoana.
Ny tsikaritra tao anatin’izay andro maromaro izay, dia be ireo te ho kandida hirotsaka hofidiana solombavambahoaka hatolotry ny antoko. Hita tao anatin’izany ireo efa teo, izany hoe efa depioté teo aloha, ary mbola mikasa hiverina amin’izany toerana izany. Misy ihany koa anefa ireo olom-baovao izay mihevitra fa hahavita tsaratsara kokoa noho ireo teo aloha.
Niaraha-nahita ny zava-nisy teny amin’ny antenimieram-pirenena sy ny teny anivon’ireo toerana na faritra nisy ireo depioté teo aloha sy ny nataon’izy ireo. Raha araka ny hevitry ny olom-pirenena maro dia ilaina ny olom-baovao sy ainga vao mba hitondra hevi-baovao, tsy lany olomanga rahateo ny TIM.K25 manerana ny Nosy. Mazava loatra fa manana fomba fijery sy hevi-baovao izy ireo. Tsy tokony hisy intsony ny famerenana amin’ny toerany ireo depiote sasany hita ho tsy nahavita mihitsy ny andraikitra nandrasana taminy. Tsy tokony ho voafitaka amin’ny safidy izay hotendreny ihany koa ny tomponandraikitra voalohan’ny antoko lehibe eto amin’ny firenena ity. IIaina ihany koa ny fitandremana satria fantatra fa misy antokon’olona manana fikendrena hafahafa mba tsy ilazana hoe ratsy mihitsy, mitady hampiditra olona eny Tsimbazaza handaniany ny lalàna tsy mendrika ny firenena.
Ilaina araka izany ny olona manana ny maha izy azy sy fanta-pototra tsara, olom-baovao ny ankamaroany
no hofidian’ny filoha nasionalin’ny antoko sy ny vondrona TIM.K25, Marc Ravalomanana. Amin’izay fotoana izay, tsy ny fahombiazan’ny antoko ihany no ho azo fa fahombiazana ho an’ny firenena Malagasy mihitsy.
www.gvalosoa.net/2019/02/19/mila-olom-baovao-sy-ainga-vao-ny-depiote-tim-k25/ ... TohinyFintinina

Mila olom-baovao sy ainga vao ny depiote TIM.K25 | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Sôh'son Mikaon-doha fatratra amin'izao fotoana izao ireo etamazaoro politika rehetra misy eto amin'ny firenena, eny hatramin'ireo lazaina ho marefo aza, izany hoe ireo maivana ara-pototra (base). Samy mikendry mafy ny hahazo toerana eny amin'ny antenimieram-pirenena mantsy ka hahatafiditra olona en...4 andro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Talata 19 Febroary 2019.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
4 andro lasa
Ny datin'ireo fanadinam-panjakana taona 2018-2019 ... TohinyFintinina
5 andro lasa
[FILAZANA MANOKANA MOMBA NY RIVODOZA NY 18 FEBROARY 2019 TAMIN'NY 10 ORA MARAINA]
✅Misy andiandrahona matevina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika izay mitondra orana betsaka sy rivotra mahery mety hahatratra 45 Km/ora ary mety hihoatra ny 60Km/ora indraindray any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy.
✅Noho izany dia hiangaviana ireto distrika voalaza manaraka ireto mba hampihatra avy hatrany ny fepetra momba ny filazana miloko maintso: Besalampy, Maintirano, Antsalova, Belo Tsiribihina, Morondava, Mahabo, Manja, Morombe, Toliary I II, Betioky Atsimo, mpanihy, Bekily, Beloha, Ambovombe ary Tsihombe.
Eny andranomasina ny onja dia mety hahatratra 3m hatramin’ny 5m noho izany hiangaviana ireo mpanjono andranomasina mba hitandrina.
~~
[BULLETIN CYCLONIQUE SPÉCIAL DU 18 FÉVRIER 2019 A 10 HEURES LOCALES]
✅Un amas nuageux dense évolue dans le Canal de Mozambique, il provoque de fortes pluies accompagnées de vent fort atteignant 45Km/h pouvant dépasser 60Km/h dans les régions de Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana et Androy.
✅Par conséquent, Les districts suivants sont priés d’appliquer les prescriptions d’avis d’alerte verte : Besalampy, Maintirano, Antsalova, Belo Tsiribihina, Morondava, Mahabo,Manja, Morombe, Toliary I II, Betioky Atsimo, Ampanihy, Bekily, Beloha, Ambovombe et Tsihombe.
✅En mer des vagues de 3m à 5m pourront être observées, ainsi les pécheurs sont priés d’être vigilants. ... TohinyFintinina
5 andro lasa
RAHA MANGINA NY VAHOAKA …
Raha mangina tsy miteny ny vahoaka dia fantaro,
Tsy midika akory izany fa milamina ny fiainany.
Ao dia ao ny fahoriany , sentosento mifangaro,
Saingy ho mari-panajana, afeniny ny fitarainany.
Raha mangina tsy miteny ny vahoaka dia fantaro,
Tsy midika akory izany hoe afakao ny fanadinana.
F’aoka ianao hisaina tsara sady tena hahatsiaro
Hoe mifono zava-dalina ny hevitry ny fahanginana.
Fahanginana, hono, mantsy mety ho fanafenana olana,
Na karazam-pandeferana sy fiandrasana ny rariny.
Koa mihevera ry mpitondra tia mampanantena volana,
Fa ireo olon-kendry anie mitàna izany anaty diariny !
K’aza tia manararaotra hoe “mangina ny vahoaka”,
Dia ataonareo mpitondra ny hadalana mahazatra.
Vanja tsara levina io ka miomàna fa hipoaka,
Raha tsaroana ny alahelo f’efa tena feno fatra !
SEDERA RAVALISON (15-02-19) ... TohinyFintinina
5 andro lasa
... TohinyFintinina

Mitsipaka ny fivarotana ny zaridainan’Antaninarenina
Misy amin’izao fotoana izao ireo milaza fa mivarotra tany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA). Ny anisan’ny farany tamin’izany dia ny mikasika ny zaridainan’Antaninarenina. Misy ny mampiely vaovao tsy marina milaza fa novarotan’ny CUA amin’izao fotoana izany zaridaina izany. Manamafy sy mitsipaka izany anefa ny fiadidiana ny tanàna tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, izay manambara hatrany fa tsy miva...
6 andro lasa
Andao hamboly mangahazo sy voasary makirana rehefa tsy hahavita azy ny Jirama.
www.gvalosoa.net/2019/02/16/vital-vitium-pile-manioc-pile-plante/ ... TohinyFintinina

Vital Vitium – Pile manioc, pile plante | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Pub rehetraInternationalVital Vitium – Pile manioc, pile plante 16/02/2019 Raharaha andramena – Mifamono ny samy Mafià user1 herinandro lasa
Miseho milay hono?.... Tena Gasy Vendrana ... 😂
Koto Lilahimahitsoambo
Resaka ety ampanidinana ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Raharaha andramena – Mifamono ny samy Mafià
Andry Tsiavalona
Izao tokoa no tonga amin’ilay fitenenana: tànana zatra mitsotra tsy afaka mivokona intsony. Nanomboka tamin’ny taona 2009 dia niaraha-niaina ny fisamborana sy fisavana tranon’olona tsy fantatra ny antony fa dia nandry tsy lavo loha ireo olompirenena azo lazaina fa nanana ny heviny momba ny raharaham-pirenena, ka nitaky ny famerenana ny ara-dalàna, sy tsy nanaiky ny fanonganam-panjakana, rehefa tratry ny antsojay ka namoronana vesatra nitondrana azy teny amin’ny fitsarana. Noho izany dia nangina ireny olona ireny satria na teo aza ny fitiava-tanindrazana nivaivay tao anatiny dia naleony nipirimpirina aloha.
Niainana teto amin’ity Firenena ity ny gaboraraka, samy nanao izay tiany ny mpitondra sy ny akôlitany ka teo ny namoaka an-tsokosoko ny harem-pirenena: an-kibon’ny tany, ambonin’ny tany (hazo sarobidy), ny biby tsy misy afa tsy eto (indrindra ny sokatra). Niaraha- nahalala ihany koa ny fivarotana tany tamin’ny vahiny, ny fanomezana “permis d’exploitation” ho an’ireo orinasa vahiny mpitrandraka vatosoa ngezalahy izay nanilika ireo teratany tamin’ny tanàna fonenany. Nisy tratra tany amin’ny firenena ivelany ireny harem-pirenena ireny kanefa dia tsy nisy fantatra izay nisy azy ireny na dia nolazaina aza fa tafaverina teto an-tanindrazana satria efa tafapetraka ilay tambazotra mpanao ratsy (réseau mafieux). Tao anatin’ny dimy taona (2009-2014) dia nisy tamin’ireo mpitondra no lasa mpanefoefo ka nahavidy trano any ivelany mihitsy (Lafrantsa ohatra). Rehefa nitsangana ny Repoblika IV dia mbola nitohy izany fambotriana ny Firenena izany ka anisan’ireo firenena dimy mahantra indrindra i Madagasikara ary roambisivifolo isan-jaton’ny vahoaka Malagasy dia zara raha mahita ohanina isanandro. Raha atao izany ny tambatra dia valo isan-jaton’ny mponina no mitavana ny harena eto. Ny zava-misy dia samy niara-nitsentsitra ny vahoaka Malagasy ireo mpitondra tamin’ny tetezamita izay Rajoelina Andry Nirina no filohany sy ireo mpitondra tamin’ny Repoblika IV notantanan-dRajaonarimampianina Hery. Rehefa lany ho filohan’ny Repoblika anefa ity farany dia nahiliny teo amin’ny fitondrana iretsy namany nandritra ny tetezamita, ka ilay lehibe tompon’ny fahefana sy tsy refesi-mandidy teo dia voatery nisintaka rehefa tsy voatendry ho Praiminisitra na dia nanana ny maro an’isa aza tao amin’ny Antenimieram-pirenena ary indrindra noho ny didy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay niaro an-kolaka ny filohan’ny Repoblika. Satria efa nifindra tànana ny fitantanana ilay tambazotra dia nanao izay nanangonan-karena ihany koa ireo nanam-pahefana tao amin’ny Repoblika IV ka tsy nitsahatra teo ny fitrandrahana gaboraraka ny harena an-kibon’ny tany ary nihitatra hatrany an-dranomasina sy ny fanodinkodinana fananam-bahoaka no nataon’ny tànana an-kavanan’ny filohan’ny Repoblika.
Na izany aza dia nanaitra ihany ny nahitàna mpanolotsain’ny filoha nosamborina sy nogadraina ka tsy fantatra na nentina nanaronana ny ratsy nataon’ny hafa iny hetsika iny satria misy niray tsikombakomba tamin’ity ramatoa ity kanefa mbola miriaria hatramin’izao. Nitsimbadika ny tantara ka tafaverina eo amin’ny sezam-pahefana indray ilay nahilikilika, Rajoelina Andry Nirina, kanefa, asa raha tena manao ny asany tokoa ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO), fa vao tsy ampy iray volana aty aorian’ny nanaovany fianianana dia nisy mpikambana mavitrika tao amin’ny tambazotrany nandritra ny tetezamita no voasambotra sahady. Ny tena mahavariana anefa dia ilay fihetsika sy fomba nataon’ny mpisambotra olona (sarontava, sns…) tamin’ny tetezamita no miverina indray ankehitriny. Na eo aza izany dia mandeha koa ny resaka fa ho samborina ny vadin’ny filohan’ny Repoblika IV teo aloha. Betsaka tokoa ny fanehoan-kevitra momba azy satria toa izy mihitsy no lehiben’ny tambazotra ka mibaiko sady tsy refesi-mandidy mihitsy nandritra ny dimy taona voalohan’ny Repoblika IV ary azo heverina fa izany laza ratsy izany no anton’ny tsy naha-lany an-dRajaonarimampianina Hery niatrika ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filohan’ny repoblika farany teo.
Na izany na tsy izany dia fifandonan’ny tambazotran’ny mpanao ratsy (Mafià) izao mitranga eto Madagasikara izao ka ny irariana dia tsy ny Malagasy indray no hifika ny taolambe tsy mitapaka na hiantefan’ny bala very. Manomboka mifamono mantsy nakehitriny ireo Mafià eto Madagasikara, ny andramena na bois de rose aloha izao no hita fa iantombohan’izany fifamonoana izany, amin’ny fanombohan’ny fifampisamborana.
www.gvalosoa.net/2019/02/16/raharaha-andramena-mifamono-ny-samy-mafia/ ... TohinyFintinina

Raharaha andramena – Mifamono ny samy Mafià | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Andry Tsiavalona Izao tokoa no tonga amin'ilay fitenenana: tànana zatra mitsotra tsy afaka mivokona intsony. Nanomboka tamin'ny taona 2009 dia niaraha-niaina ny fisamborana sy fisavana tranon'olona tsy fantatra ny antony fa dia nandry tsy lavo loha ireo olompirenena azo lazaina fa nanana ny heviny ...1 herinandro lasa
Raha izao no mitoy tonga an'i @ilay filoha nitondra tetezamita tsy nahay nifehy ny fanondranana bois de rose ny rahraha! Krkrkrke aza adino fa isany dossier takian'ny mpamatsy vola io fijerevana sy fanasazina mpanao bois de rose tsy aradalana io! Tena marina izany tsy manana famatsiambola efa mipetraka anantanterahana IEM izany ity fitondrana ity fa mbola mpangataka atreto
Aleo hifampitady eo ho tazanina.mbola aiza ny hahazo anireo?
Aleo hijanona ho mpitazana ! Izay hifanarahan-dry zareo mety daholo. Izahay tsy nahita na ny ariary tamin'izany harem-pirenena naondrana izany. Ny aty am-paosy ary no manaraka : voasazy raha vao tara ny fandoavan-ketra.
EDITO 16 Febroary – Ny mitazana no betsaka, ary tsy misy ny mpitehaka
Sôh’son
Manadio ny firenena ve izany izao ity fitondrana Rajoelina ity raha mijery ny toe-java-misy tato anatin’ny andro vitsivitsy tamin’ireo fisamboran’olona samihafa? Miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina ny fahitany izany amin’izao fotoana izao. Te-hiseho na te-haneho ihany koa amin’ny eto an-toerana sy ny any ivelany ve fa miasa izy ary miady amin’ny kolikoly sy zavatra tsy ara-dalàna samihafa?
N’inona n’inona aloha mety ho dikan’izany hatreto sy ny hita aloha, tsy misy mitehaka sy mitoraka voninkazo ny fitondrana. Midika zavatra be dia be izany fihetsiky ny olom-pirenena izany. Ny manaitra ny sain’ny mpanara-baovao dia mivatravatra fiavy izany ny fihetsika sy fanapahan-kevitra raisina amin’ireny olona voasambotra ireny. Ary ny mahavariana dia misy gazety mpanohana sy miara-dia amin’ny fitondrana manolo-kevitra sy mamporisika mafy izay olona tokony mbola hosamborina eto amin’ny firenena, anjaran’ny mpanao gazety koa ve izany?
Tena mampahatsiahy ny tamin’ny taona 2009 ny raharaha mitranga eto amintsika amin’izao fotoana izao. Tsy hahasoa ny firenena anefa raha mbola toe-tsaina tamin’ireny ihany no mbola hoentina mitondra firenena. Tsy hisy fampandrosoam-pirenena handeha amin’ny tokony ho izy izany eto. Traikefa efa hita izany teto amin’ny firenena…
Izao fihetsiky ny fitondrana Rajoelina izao ihany, raha ny fahitana ny zava-misy, dia mametraka ao an-tsain’ny olom-pirenena sy mampitandrina azy mba tsy handeha amin’ny tsy fahamarinana. Mety ho tsara ihany izany, saingy tsy adino velively ny tantara izay nahitan’ny vahoaka ny tsy fanekena ny hampanjakana izany eto amin’ny tany sy ny fanjakana, tamin’ny fitondrana Rajoelina rahateo nandritra ny tetezamita dia nanjaka ny kolikoly sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena.
Ankoatra izany, ireny niaraha-nahita ireny ny famoretana sy fanenjehana ireo vahoaka nitaky izany teny amin’ny kianjan’ny 13 Mey. Mbola mampieritreritra fatratra iny nitranga teto amin’ny firenena iny ary tsy mandehandeha ho azy rahateo koa ny fihetsika famoretana vahoaka mba tsy ipoiran’ny fahamarinana eto. Nodiana tsy hita anefa izany rehetra izany raha niroso ho amin’ny fanendrena sy fametrahana izao fitondrana izao ny manam-pahefana. Asaina mikimpy tsy hisaina sy hibanjina izany avokoa ny Malagasy rehetra, fa ny asesika ao an-tsainy andro aman’alina ny resaka fampanofinofisina rehetra izao.
“Teboka ratsy” no niaingàn’ny fitondrana ankehitriny ary sarotra ho an’ny maro ny hisaina sy hahita fihetsika avy aminy fa hitoetra amin’ny “teboka tsara” mifanohitra amin’izany izy.
www.gvalosoa.net/2019/02/16/edito-16-febroary-ny-mitazana-no-betsaka-ary-tsy-misy-ny-mpitehaka/ ... TohinyFintinina

EDITO 16 Febroary – Ny mitazana no betsaka, ary tsy misy ny mpitehaka | NY VALOSOA VAOVAO
gvalosoa.net
Sôh'son Manadio ny firenena ve izany izao ity fitondrana Rajoelina ity raha mijery ny toe-java-misy tato anatin'ny andro vitsivitsy tamin'ireo fisamboran'olona samihafa? Miteraka resabe eny anivon'ny fiaraha-monina ny fahitany izany amin'izao fotoana izao. Te-hiseho na te-haneho ihany koa amin'ny e...1 herinandro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Sabotsy 16 Febroary 2019.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Mahitsy - Zandary natao hamono sa hiaro ny vahoaka?
Aiza ho aiza ny fifampitokisana? Avy any ambony ny modely!Mahitsy: Mitaky ny hijery ny endrik'ireo olona voasambotra ny mponina eny an-toerana ary mitaky ny fahamarinana. Mila hita hoy izy ireo raha tena ao amin'ny tobin'ny Zandary marina ireo voasambotra nandritra ny fanafihana ny Asabotsy teo.
Leo ny tsy fandriampahalemana ny mponina eny an-toerana.
Amin'izao ora izao, misy ny fandefasana raraka vovoka lakrimozena hanaparitahana ho an'ireo mpitokona.
Raha tsiahivina dia miisa roa no maty teny an-toerana ny Asabotsy teo, porofo fa tsy misy intsony ny fifampitokisana eo amin'ny vahoaka sy ny Zandary ao Mahitsy ka mahatonga izao fihetsiketsehana izao. ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Vao2 farany
Aleo kosa fantarina ny andraikitrin'ny zandary e! Tsy afaka mampiseho ampahibemaso ireo mpanao eo hilason'ny vahoaka tezitra ny zandary kosa e! Zavatra kely dia mampisy fitsaram-bahoaka! Manaraka ny raharaha akaiky no mety fa tsy izy kosa izany e! Any @tele sns mijery
Marina kosa ny aazy Ambarao ny marina
... TohinyFintinina

Nahazo tetezam-bato sy lalankely mirefy 200 m mahery
Notokanana androany zoma 15 febroary 2019 ilay tetezam-bato sy lalankely teny amin’ny Fokontany Ivolaniray Boriboritany faha-4, Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), nanatrika izany ny teto anivon’ny Kaominina Antananrivo Renivohitra izay notarihan’ny talen’ny Kabinetra mpisolo toerana ny CUA, STELANONY Ainamalala, ny delegue ao anivon’ny Boriboritany faha- efatra sy ny tale isan’ambarato...
1 herinandro lasa
Vidio ny gazetintsika NY VALOSOA VAOVAO androany Alakamisy 14 Febroary 2019.
Ho hitanao koa ao amin'ny www.gvalosoa.com na www.gvalosoa.net ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
AZ Radio Television
Fanazavan'ny Mpisolovava an'A/toa Mbola RAJAONAH ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Izao fotsiny eh!, mbola sarotra eto Madagasikara izany hoe "DROIT DE L'HOMME", mbola resaki'ny besandry, sy ny mahitahita foana, ary ataony mahita mihitsy rehefa mba mahazo toerana kely ry zalahy.
NY FOZA
Rehefa ny foza no tanisaina,
Dia tezitra mafy ry “tsy misaina”,
Fa fantany mantsy ny vay an-kandriny,
Izay maharary an’i “Kely zandriny”!
Ny foza ,hono, mantsy dia lava tanana.
Tsy miasa kanefa maniry hanana.
Ny fota-mandrevo no mba sakaizany,
Ka any no asehony ny fahaizany.
Ny foza, mamindra aza toa sahirana.
Tsy mety mahitsy fa mihorirana.
Ny tsara tsy tiany hifanatrika aminy,
Satria ny maloto no tena maminy.
Ka raha ny foza no holazaina,
Dia mihatakataha re ry manan-tsaina.
Tsy hoe sanatria isika miala andraikitra,
F’ireny tsy menatra ny hanaikitra.
DADAN’i ZINA (09-02-19) ... TohinyFintinina
1 herinandro lasa
Madagascar: « Foza orana » - Cette espèce invasive est un danger national www.gvalosoa.net/2019/02/14/madagascar-foza-orana-cette-espece-invasive-est-un-danger-national/
Ka na faly na tezitra ireto foza Dia aoka ho fantany fa ho loza No hiandry azy @ velirano Tsy ho ela ireo dia ahita angano Raha ny zesta t@ propagandy Dia hoe tena handroso fa tsy mba sangy Ny mpamatsy vola hoe mila mihataka Inona akory fa izao mangataka
tiko de tiko letonokalo nefa tsizakany ireo pandalo ajanony atreo fa manahirana fa nisasany mitady bala mba hitifirana?
Ny foza dia aleo ho lazaiko anareo Fa mihemotra ihany no ain'ireo Tsy manam-piniavana ny handroso Fa anaty fahaverezana no milofo Aleo ambara ho an'ireo izay tsy mahafantatra Fa ny foza dia biby mpandrava asa Ny toeram-ponenany anaty tatatra Ny fijeriny dia mifikitra amin'ny lasa
Raha miverina manao Bacc zao dia hoe: inona no maha- kanto io lahatsoratra io? Kanto io lahatsoratra io satria: - miady rima - hevitra takon'ila -..... 😁😁😁😁😁
ra tezitra amin io ianao dia mazava fa fanatika ianao izay fa ra tena mandinika ny niainana sy ny zavamisy teto ianao dia ahatsapa fa marina io,ambava omana...
Izay efa ni-plonge tan'andranomasina dia nahita fa karazana ny lokon'ny foza ary tsara daholo fa mitovy ny toetrany.Fa ity le voaresaka ity lay tsy azo andrahoina fa na ny vilany andrahona azy ary tsy azo ampiasaina intsony fa maimbo io lay atao hoe foza-tay.
Ny foza orana anie mihemotra e ts hay ko mihints na hoe mzesta fa raha i zah lou dia aleo mitsaoka e sady efa Mora ts fanao laoka na dia mba juste tsaky toaka aleo toa ts ilaina fa mampioka
Tena reveko rangaha an, misaotra dadan'i Zina a
Tena ratsy mitsy zany le foza raha izany e? Hihihi
Mba manadio kosa ny foza fa zany oe mifidy toerana anadiovana.
mankasitraka. mahay kolotsaina
Zay a vao nahita tsara anle foza orana fa ten mitov tokoa kay 😂
Enjana zany,niaiky a rangah tam le rima masira an!
Misatra,nade izany aza ilaina ihany ilay foza satria ireny havany voay.
Mitezera fa aza manota😂😂😂
tsara ka, fa iza le foz?
ny foza orana dia biby maintimainty ka rehefa mitanina andro elaela dia maty ary mivadika orange ny lokony aveo
Sady mampihome no kanto
Tsara tohizo e fanomezzam pahasoavana nomen'ilay mpahary e
Iny ndray no tsy hitako a tena tsy misy anesorana mitsy ny fahamarinan'zany
ao tsara an! ampio ihany eeee
AZ Radio TV - Fidèle Razara Pierre - Vaha-olana amin’ny dahalo, halatr’omby, kolikoly mipaka amin’ny mpamohy fiara.
AZ Radio Television
AZ serasera Live 11 Fév 2019 ... TohinyFintinina
2 herinandro lasa