Miala Rajoelina – Kely sisa. J – 116

Andry Tsiavalona

Miha-manatona ihany ny andro tokony hialan’ny filoha Andry Rajoelina eo amin’ny fitondrana, efa ela no nanomboka ny fanisana miverina, na ny compte à rebours, raha ny fanisana dia 116 andro sisa (J – 116) manomboka androany talata 16 mey no tokony hametra-pialana ity filohampirenena mpandainga sy mpampijaly vahoaka ary mpampahantra firenena ity.

Andanin’izany, mihazakazaka mafy tsy azo tohaina ny andro ary te-hanaraka izany ny mpitondra ankehitriny eo amin’ny fanatanterahana ireo velirano na ny tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika, izay tsy azo eritreretina ny fahavitany, satria misy ny tsy mbola nanomboka ary eo koa ny tsy mety vita na vita ihany fa mirodana. Tsy hay mihitsy mantsy ny manakana ny velirano sy ny tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika. Efa telo taona lasa no nanaovan-dRajoelina Andry velirano tany Atsimo namitàna ny Làlam-pirenena faha-13, ka raha tsy vita dia tsy hanao politika intsony izy. Vao omaly no nanambara ny tao amin’ny fiadidiana ny Repoblika, fa tsy maintsy vitaina ao anatin’ny 15 volana ny 113 kilometatra halavan’ity Làlam-pirenena ity. Ka afaka dimy ambinifolo volana izany vao tsy hanao politika intsony Rajoelina Andry, satria mbola manantena ny ho lany indray amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ity taona ity.

Manamafy ny fitondrana, fa tsy maintsy hatao ny « télépherique » ary tsy hiova ny làlan-kizorany na dia mandà ny hametrahana « pylône » eo an-tokotanim-pianarana aza ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ary ny mpianatra ao amin’ny Sekoly Katolika eny Analamahitsy. Samy mametram-panontaniana ny hery velona rehetra eto amin’ny Firenena momba ny mety na tsy mety hisian’ny fifidianana. Ny mampisalasala dia ny tsy fisian’ny vola hanatanterahana izany, an-daniny, ary ny tsy mbola namoahan’ny mpanatanteraka ny didim-panjakana manamafy na manova ny tetiandro natolotry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena misahana ny Fifidianana (CENI). Tsy mety mandrotsaka vola ho fanampiana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana koa ny mpiara-miombonantoka ara-teknika sy ara-bola avy any ivelany, noho ny fitantanana tsy ara-dalàna ireo fanampiana tamin’ny valanaretina covid-19.

Mitaky ny hanovàna ny Lalàna mifehy ny fifidianana ihany koa sy ny hanoloana ny mpikambana ao amin’ny Ceni sy ny Hcc ny maro. Nanamafy anefa ny depiote IRD ao amin’ny boriboritany faha-5 eto an-drenivohitra, fa nety io lalàna io tamin’ny 2018, ka tsy hita izay hanovàna azy. Manizingizina ny tokony hanaovana ny fikaonandoham-pirenena ny antoko politika sasany hifandresen-dahatra momba ny Lalàna mifehy ny Fifidianana, sy ny fitsipi-dalao mba ho eken’ny rehetra ny voka-pifidianana hivoaka. Mandroso sosokevitra ny hametrahana tetezamita ihany koa ny antoko politika sasany, satria heverin’izy ireo fa tsy azo ekena raha izao fitondrana izao no hanomana ny fifidianana miaraka amin’ireo rafitra misahana izany. Toa fanomanana hala-bato sy hosoka amin’ny fifidianana ny nihazakazahana nanaovana “jugement supplétif” sy ny nizarana karapanondrom-pirenena faobe ary ny famoronana fokontany aman-jatony. Nanambara ihany koa ny minisitry ny Serasera sy Kolontsaina, fa tsy mbola tara ny famoahana ny Didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato.

Na izany na tsy izany dia tsy sahy tena manamafy ny fitondrana, fa tsy maintsy hisy ny fifidianana amin’ity taona ity na dia efa manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana etsy sy eroa aza ry zareo. Ny mpanohitra kosa dia sakanana tsy hamory vahoaka na ny mpikambana ao amin’ny antokony kanefa malalaka, hono, ny fanehoan-kevitra eto amin’ny Firenena. Niaraha-nahita sy naheno anefa ny fanambaran’ny solontena maharitry ny Vondrona Eropeana, izay nanakiana mafy ny mpitondra noho ny tsy fisian’ny fahalalahana demokratika kanefa anisan’ny nanao sonia ny Fifanarahana iraisam-pirenena momba izany i Madagasikara.

Raha ireo rehetra ireo no jerena dia tsy milamina ny raharaha politika, tsy mifampatoky intsony ny mpiray Firenena sy ny mpiray antoko ary ny samy ao amin’ny fitondrana. Ny azo antoka dia 116 andro sisa (J – 116) araka ny efa voalaza teo no tavela ipetrahan-dRajoelina Andry eo amin’ny toeran’ny maha filohan’ny Repoblika azy. Tsy hisy tetikasan’ny fiadidiana ny Repoblika sy velirano ary fampanantenana ho tanteraka intsony ao anatin’izany fepotoana izany. Tsy ho voalamin-dRajoelina Andry intsony koa ny disadisa misy eo aminy sy ireo olom-boafidy na olom-boatendry IRD, ka na dia hangala-bato sy hiketrika teti-dratsy hanodinkodinana ny safidim-bahoaka aza izy dia azo antoka fa hifarana ny nofy ratsy iainan’ny Malagasy ary hivalona ho tantara sisa ny fisiany teo amin’ny fiainana ara-politika teto amin’ny Nosy, mihoatra ny 75% ny rijiky hahatanteraka izany fialany tsy ho eo amin’ny fitondrana intsony izany.