Hetsika misy: manohitra ny tsy rariny – Tsy manaiky ny mbola hitondran’ny vazaha, sy mizana tsindrin’ila

Andry Tsiavalona

Miezaka mampiseho fa mbola eo am-pelatanan’ireo milaza ho mpitondra ny hery amin’izao fotoana izao, ka manome baiko ireo manana fitaovam-piadiana hamoritra ny olompirenena, tia Tanindrazana sy tsy manaiky ny mbola hitondran’ny vazaha, izay sahy manohitra ny tsy rariny sy ny fanaovana mizana tsindrin’ila. Niaraha nahita ny talata lasa teo fa nitohy ny hetsika notarihan’ny vondron’ny kandidà izay noravan’ny herim-pamoretana, tamin’ny alàlan’ny fitifirana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso teny Anosy.

Araka ny hita sy iainana maneran-tany ny fitandroana ny filaminana an-tanàn-dehibe dia andraikitry ny polisy ary ny misahana izany eny ambanivohitra dia ny zandary, ka izay no anton’ny tsy andraisan’ny polisy anjara amin’ny fanarahan-dia ny dahalo avy nangalatr’omby. Mazava ho azy koa fa ny andraikitry ny tafika dia ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena, ka manosika izay mitady hanafika ny firenena.

Raha manao jery todika ny toe-draharaha niainana teto amin’ity Firenena ity dia tsy nifanitsaka andraikitra mihitsy ireo, satria taty aoriana vao nisy ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka sy Sekreteram-panjakana miandraikitra ny Zandarmariam-pirenena, fa tao anivon’ny Minisiteran’ny Foloalindahy ireo rehetra ireo. Tato anatin’ny efatra ambinifolo taona dia azo lazaina fa tena manjakazaka mihitsy ny zandarimaria.

Tamin’ny fanjanahan-tany dia ny “gardes indigènes” no namoritra ny Malagasy ary nisy ireo gasy niray tsikombakomba tamin’izy ireo, ka nanao tondro molotra izay noheveriny fa nanohitra ny mpanjanaka. Iaraha mahatadidy ny hetsi-bahoaka nifandimby teto amin’ny Firenena, fa ny polisim-pirenena hatrany no nisahana ny fandriampahalemana an-tanàn-dehibe. Nandritra ny Repoblika I dia nisy “corps” roa ny teo anivon’ny Polisim-pirenena dia ny « FRS » (Force Républicaine de Sécurité), izay raha ny marina dia nentina niaro ny mpitondra, ny faharoa dia nisahana ny fifamoivoizana sy ny fisamborana. Ny taona 1972 dia ny FRS no nampihorohoro ny Malagasy teo amin’ny fanenjehana ny mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fitondrana sy ny fanjanahana tamin’ny endriny vaovao. Ny 13 Mey 1972 dia nitifitra nanipy “grenade offensive” sy baomba mandatsa-dranomaso tamin’ny mpianatra nanao fitokonana teo alohan’ny “Hôtel de Ville” ny “FRS”, ka nisy ny maty sy ny naratra mafy. Rano indray mitete nampitobaka ny tao anaty vera izany, niteraka ny firodanan’ny Repoblika I.

Mbola sampana iray tao amin’ny polisy, ny “GMP” (Groupe Mobile de la Police) no nitifitra ny Filoham-panjakana, ny Kolonely Ratsimandrava Richard, ny 11 Febroary 1975, nanoloran’ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel nametra-pialàna noho ny antony tsy mbola mazava hatramin’izao. Tsy nandray anjara tamin’ny fandatsahan-drà ireto vondron-kery eto amin’ny Firenena ireto ny 10 Aogositra 1991, fa ny “RESEP” (‘Régiment de la Sécurité Présidentielle) no nahazo baiko avy amin’ny filohan’ny Repoblika II. Niteraka ny firodanan’ny Repoblika Demokratikan’i Madagasikara ny rà latsaka tamin’io andro io. Voka-pifidianana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no niteraka krizy teto Madagasikara ny taona 2002 ary nahatonga ny fikasan’ny fitondran’i Amiraly Ratsiraka Didier nanao fairano ny Faritany Antananarivo.

Ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 no tena nampisongadina ny habibian’ireo “mpiaro ny vahoaka sy ny fananany”, satria nozarazaraina ho sampana roa izy ireo: teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nisy ny vondron’ny FIGN (Force d’Intervention de la Gendarmerie Nationale), ka ny fisamborana sy fandatsahan-dràn’ireo Mpitondra Fivavahana mpikambana tao amin’ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana) izay nanohitra ny fanonganam-panjakana, nanao hetsika teny amin’ny Mausolée. Nisy koa ny sampana iray teo anivon’ny Polisim-pirenena dia ny FIS (Force d’Intervention Spéciale). Tsy nitifitra mihitsy ny GP (Garde Présidentielle) tao Ambohitsorohitra rehefa nanani-dapa ny mpanao fihetsiketsehana ny 7 Febroary 2009, fa ny zandary sy ny tafika avy ao amin’ny Capsat no nanao tifitra vary raraka. Fanetren-tena avy amin’ny Filoha Ravalomanana Marc, no nandehanany nanao sesintany ny tenany.

Amin’izao fotoana izao dia sakanana sy ravàn’ireo “herim-pamoretana”, indrindra ny zandary, ny hetsika fitakiana ny fampiharana ny lalàna sy ny fitovian-jo ary ny tsy fanekena ny vazaha ho anisan’ny kandidà ho fidiana filoham-pirenena. Masina ny rà latsaka, masina ny Tanindrazana ka na inona na inona vava tsy ambina ataon’i Andry Nirina Rajoelina sy ireo IRMAR (Isika Rehetra Miaraka Adala amin-dRajoelina) dia ho lanin’ny kankana toa an’i Heroda mpanjaka namono ny zaza rehetra latsaky ny roa taona ka nikatsahana ny namonoana ny Mpamonjy teraka telo ambiroapolo sy roa arivo taona lasa izay. Nihoson-drà ny tànan-dRajoelina ny taona 2009, mandatsa-drà Malagasy indray ity vazaha ity efatra ambinifolo taona aty aoriana kanefa tokony ho tadidy fa “ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”.