48 taona lasa izay ny 11 febroary 1975 – Maty nisy namono ny kolonely Ratsimandrava

Ny Valosoa

Noresahina teto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao laharana faha-1398 ny nahazoan’ny Kolonely Ratsimandrava ny fahefana feno avy tany amin’ny Jeneraly Ramanantsoa nitondra ny firenena, ny 05 Febroary 1975.

“TSY HIAMBOHO ADIDY AHO MON GENERAL” hoy ny kolonely Richard Ratsimandrava, satria fantatro hoy izy, fa mila olona sahy sy vonona handray andraikitra ny fotoan-tsarotra diavin’ny firenena amin’izao fotoana izao.

Ny Alarobia 05 Febroary 1975 izy no nanao io fanambarana io, nandritran’ny fandraisampahefana sy fanolorana ireo minisitra niara-niasa taminy.

MATY NISY NITIFITRA NY KOLONELY RATSIMANDRAVA

Na dia efa filohampirenena ara-dalàna aza ny Kolonely Ratsimandrava dia mbola teny amin’ny minisiteran’ny atitany teny Anosy ihany no toerana niasany.

Ny alin’ny Talata 11 Febroary 1975 dia nisy ny filazana tao amin’ny Radiompirenena, niantso ny vahoaka tsy hivoaka ny trano intsony ary ireo izay mbola mandehandeha tany ivelan’ny fonenany dia nantsoina hamonjy fodiana avokoa , dia nambara ihany koa fa mihàtra eto amin’ny firenena ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka, noho izany dia tokony hihaino tsy tapaka ny Radiompirenena, izay marihina f’efa nandefa feonkira somary malefaka sy malahelohelo sady tsy nijanona mandra-maraina.

Ny ampitso vao maraina 12 Febroary 1975 dia ny Jeneraly Andriamahazo Gilles, no nanambara tamin’ny vahoaka malagasy tao amin’ny Radiompirenena, fa maty nisy namono teny Ambohijatovo ny Kolonely Ratsimandrava Filohampirenena ny alin’ny Talata 11 Febroary 1975, rehefa avy niasa teny Anosy ary namonjy fodiana teny Anjohy, nisy zandary roa mpiambina ny Kolonely Ratsimandrava maty niaraka taminy, dia ireo “Gendarme Principal de deuxieme Classe” Rakotoarisoa Bernard sy Rabotovao.

Nambaran’ny Jeneraly Andriamahazo fa mihàtra ny fisaonampirenena ary fandevenana mendrikaja, no hatao ho an’ny Kolonely Ratsimandrava sy ireo mpiambina azy.

NIJORO NY KOMITIMPITONDRANA MIARAMILA

Fa anisan’ny zava-dehibe nambaran’ny Jeneraly Andriamahazo ihany koa ny fijoroan’ny “Komitimpitondrana miaramila” (Directoire Militaire), ka izy no filoha, 18 ireo mpikambana, manamboninahitra avy ao amin’ny tafika sy zandarimaria no nandrafitra azy io ary voasolotena tao avokoa ireo faritany enina.

Ny komitimpitondrana miaramila, no ambaratongampahefana ambony indrindra teto amin’ny firenena nanomboka tamin’io tamin’izany , ireo minisitra tao anatin’ny governemantan’ny Kolonely Ratsimandrava dia mbola nanohy ny asany hatrany.

Ny komitimpitondrana miaramila no nampanao ny fitsarana ireo voarohirohy tamin’ny famonoana ny filohampirenena, naharitra volana vitsivitsy ny fotoampitsarana, kanefa dia afa-maina avokoa ireo voampanga, fa “Frs’” telo lahy izay niaraka tamin’i Zimbo, ilay ‘’Frs’’maty teny Ambohijatovo ihany no voasazy nigadra 5 taona dia: Boto sy Maurice Alphonce, ary Laza Petit Jean.

Ny Capitaine de Fregate Didier Ratsiraka dia tsy tao anatin’ny Governemanta Ratsimandrava, fa ny fijoroan’ny Komitimpitondrana miaramila taorian’ny famonoana ny kolonely Ratsimandrava, no fomba niverenany teo amin’ny sehatra politika, satria nisy ny fifampifidianana tao amin’io komitimpitondrana miaramila io, ka ny Capitaine de Fregate Didier Ratsiraka no voafidy ho filohampirenena, napetraka teo amin’ny fitondrana izy ny Alahady 15 Jona 1975.

Nandray andraikitra ireo Manamboninahitra tao anatin’ny Komitimpitondrana miaramila, nandamina ny firenena tamin’ny taona 1975, izay iray monja no manankitana, fa manambokotra avokoa ireo 17 sisa, tsy mba toy izany ny komitimpitondrana miaramila, izay nomen’ny Filoha Ravalomanana ny fahefana feno tamin’ny 17 Martsa 2009, izay marihina f’ireo manankintana sady ireo ambony laharana indrindra, kanefa dia niamboho adidy tsotra izao ary nanome ny fahefana ny Filoha amin’izao fotoana izao, anisan’ny fototry ny faharavan’ny firenena ny fihetsik’ireo “manankitana” ireo.

Maty nisy namono ny Kolonely Ratsimandrava ny 11 Febroary 1975, tsy mbola fantatra izay tompon’andraikitra tamin’ny famonoana azy, fa ny gaboraraka sy ny fanaparampahefana ataon’ny fitondrana ankehitriny dia ahafahana milaza, fa mamono ny fitiavantanindrazana izay tokony hotahafina avy tany amin’ny Kolonely ireo mpitondra madiva ho lany daty ireo.