Kolonely Ratsimandrava – Rain’ny fokonolona sy ny fokontany ary ny fitsinjaram-pahefana

Andry Tsiavalona

Valo ambiefapolo taona amin’ity andro 11 Febroary ity no namonoan’ny fahavalom-pirenena ny filoham-panjakana, ny Kolonely Ratsimandrava Richard. Mbola misitery ny namonoana azy, tsy mbola tena mazava hatramin’izao na efa teny amin’ny biraony tao amin’ny « Patte d’Eléphant » izy no novonoina na tena notifirin’ilay GMP, Zimbo, teny Ambohijatovo tokoa.

Raha tsiahivina ny tantara dia ny 5 Febroary 1975 no natolotry ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel azy ny fahefana feno. “Tsy hiamboho adidy aho, mon Général”, hoy izy. Telo taona mahery kely izy no niandraikitra ny Minisiteran’ny Atitany ary namerina ny hasin’ny fokontany izay vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana fototra teo amin’ny fiarahamonina malagasy. Tsiahivina isan-taona ity andro anisan’ny “MAIZINA” indrindra teto amin’ny Firenena ity, satria toa nilatsaham-baratra ny vahoaka Malagasy raha nandre ny namonoana azy.

Efa azo lazaina fa nanana ny fahefana sy fizakantena teo amin’ny sehatra ara-toekarena, ara-pitantanana, ara-pahefana ary fanarahamaso ny fandriampahalemana (andrimasom-pokonolona) ny Fokontany. Anisan’ny nananan’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-panjakana ireo ny fahefana nanao tetikasa sy programam-pampandrosoana ny nananganana ny “Vatoeka”, izay anisan’ny fototry ny fahafahana manatanteraka ireo. Toy ireo vondrom-bahoaka nitsinjaram-pahefana rehetra dia nisy hatrany ny solontenan’ny fanjakana foibe nanampy tamin’ny fampandehanan-draharaha dia ny fanapariaham-pahefana (déconcentration).

Notohizan’ny Amiraly Ratsiraka Didier rehefa voafidy ho filoham-pirenena izy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izay nisy ny Fokontany, Firaisam-pokontany, Fivondronam-pokontany ary ny Faritany. Nisy ny fifidianana mivantana teo anivon’ireo vondrombahoaka ireo ary toa nanome fanantenana ny vahoaka tokoa ilay teny filamatra “teny miakatra ifampiherana, teny midina ifampifehezana” kanefa sarotra ihany ny nampifanindry an-dàlana ny “sosialisma” sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Nopotehina ilay “Vatoeka” ary natsangana ny “koperativa sosialista” ary ny tena nanahirana dia natsangan’ny fitondrana Ratsiraka Didier ihany koa ny “Koparema” izay tsy azo lavina fa orinasan’ny antoko politika Arema izay an’ny filoha Repoblika. Tena nampiseho fa fitondrana tsy refesimandidy no nisy tamin’izany, satria dia miaramila no niasa tany amin’ireny toeram-pambolen’ny Koparema ireny.

Anisan’ny nanana finiavana namerina ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ny fitondrana tamin’ny andron’ny Filoha Ravalomanana Marc tamin’ny alàlan’ilay Programam-pirenena momba ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanapariaham-pahefana (Programme National de Décentralisation et de Déconcentration). Minisitera fito no notsongaina nandrafitra ny programa: Fanabeazam-pirenena, Vola sy Toekarena, Fambolena sy Fiompiana, Angôvo sy Harena Ankibon’ny Tany, Tontolo Iainana, Atitany ary ny minisiteran’ny Mponina. Ny Pnud sy ny Unicef no namatsy vola ny programa. Azo inoana fa raha nahavita ny fe-potoana hatramin’ny 2012 ny Filoha Ravalomanana Marc dia tafapetraka ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana tena izy.

Ny Lalàmpanorenana amin’izao Repoblika IV izao moa dia natao dika mitovy tamin’ny tany ivelany dia ny kaominina no rafitra fototra eto amin’ny Firenena. Rehefa tsy mbola voafidim-bahoaka mivantana ny filoham-pokontany, izay “sefo fokontany” ary tendren’ny minisiteran’ny Atitany dia tsy anisan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana izany fa fanapariham-pahefana (Service Technique Déconcentré). Amin’izao fotoana izao koa dia toy izany ny Faritra izay raha araka ny Lalàmpanorenana dia fidiana ny Lehiben’ny Faritra kanefa dia tendren’ny fanjakana foibe izy ireny. Iainan’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ny tsy fananana tetibola fa mirotsaka any amin’ny kitapombolam-panjakana avokoa ny vola miditra rehetra vao tsinjaraina. Miainga any amin’ny rafitra fototra ny fampandrosoana fa tsy arotsaka avy any ambony, satria tsy mahafantatra izay tena ilain’ny mponina ny any ambony. Iainana izany amin’izao fotoana izao satria ny filohan’ny Repoblika no milaza izay tiany ho tenenina momba izay fotodrafitrasa tokony haorina ary tsy misy resaka ny any amin’ny fokontany, fa saika any amin’ny distrika foana no anaovana izany.

Tantara sisa ny fokontany amin’ny endriny nametrahan’ny Filoham-panjakana Ratsimandrava Richard azy ary tantara efa tsy fantatry ny taranaka aty aoriana intsony ny fisiany kanefa raha notohizana araka ny niheverany azy izany vondrombahoaka itsinjaram-pahefana izany dia tsy ho toy izao ny fiainan’ny Malagasy. Adidy tsy maintsy raisin’izay te-hitondra ity Firenena ity ny fanomezana hasina sy famerenana ny Vondrombahoaka Itsinjaram-pahefana tena izy hisian’ny fampandrosoana miainga avy any ifotony.