Mikorontana ambony ambany ny fitantanam-panjakana eto

Helisoa

Efa ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ny filoha Andry Rajoelina, fa ny zavatra tsapa sy hita amin’izao fotoana mikorontana ambony ambany ny fitantanan’izy sy ny mpiara-dia aminy ny tany sy ny fanjakàna. Natao ny propavandy fa handroso i Madagasikara, tsy hisy ny sakana fa avy hatrany dia asa mivaingana izay tsy vitan’ny mpitondra nifandimby tao anatin’ny 60 taona, no ho tontosaina ao anatin’ny 5 taona itondràny. Ankehitriny, ny mifanohitra amin’izany no hita. Maneho ny heviny avokoa ny rehetra mahita ny zavatra misy eto Madagasikara izay.

Ny mpanohitra ve no tsy mankasitraka ny programan’ny fitondrana Andry Rajoelina? ny Mpanohitra ve no nitsipaka ny IEM izay natao nalaza be tamin’ny propavandy, ka nanao izay tsy nahatontosàna ireo velirano miisa 13 tao anatin’ny 4 taona nitondràny izay? Tsia avy hatrany no valiny. I Andry Rajoelina sy ny MAPAR mihitsy no nitsipaka sy nanilika ny IEM. Ny fanolorana ny PEM farany teo dia midika hoe “tsy izy avokoa ireny nolazainy tamin’ny 2018 sy ny nataony nandritra ireny 4 taona ireny, fa ireto programme atolony vaovao ireto indray izao no tena izy”. Midika koa hoe “tamin’ireny 2018 ireny izy tsy nila ny Banky Iraisam-pirenena sy ny FMI ary efa nanana mpamatsy vola, fa amin’ireto manaraka ireto indray kosa tena miantso ny mpampiasa vola hiara-hiasa aminy”. Midika hatrany koa hoe “tamin’ireny 2018 ireny izy tena namita-bahoaka, nanao izay nahazoana fanjakana fotsiny i Andry Rajoelina, fa amin’ireto manaraka ireto indray kosa, mampanantena fa tena hanao zavatra izy ireo “. Ny fanirian’i Andry Rajoelina dia ny hoe “voafafa ao an-tsain’ny Malagasy avokoa ny zavatra nolazainy nanomboka ny taona 2018”. Raha mbola azony atao ny mamafa ireo horonantsary, lahatsoratra ary sary any anatin’ireny Internet sy facebook ireny dia nataony.

Mila misaina tsara ny Malagasy amin’ny hametrahana ny tongotra amin’ny fifidianana manaraka eo, aoka tsy ho voafitaka intsony ianareo hoy ny filoha Marc Ravalomanana izay tany Morondava nandritra ny fankalazàna ny faha-20 taona ny antoko Tiako i Madagasikara: TIM. Efa tonga saina avokoa ny rehetra amin’izao fotoana tamin’ireny, sy ireny lainga isan-karazany natao sy ataon’ny fitondrana Rajoelina ireny, ka heverina fa tsy hisy intsony ny hinia hikimpy, ka mbola ho sodokan’ny teny tsara lahatra mifono fitaka ataon’izy ireo.