Tolom-bahoaka – Fantaro ny tantaran’ny 13 mey 1972

Andry Tsiavalona

Dimampolo taona iray amby androany 13 Mey ny hetsika nataon’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony, izay saika nanova tanteraka ny fiainan’ny Malagasy raha tsy nivoana tamin’ny tanjona tena nokendreny ny tolona. Efatra taona taorian’ny nitsanganan’ny Repoblika faha-5 tany Frantsa no nitrangan’ny hetsika nikendry ny fanovàna ny fitantanana ara-politika sy ara-toekarena teto Madagasikara. Iaraha-mahatadidy fa taorian’ny namerenan’ny mpanjanaka ny fahaleovantena dia ny antsoina hoe « néo-colonialisme » no nisy ka mbola ny frantsay no nibaiko teo amin’ny sehatra rehetra ka maro ny vazaha nahazo toerana tany amin’ny minisitera, eny hatrany amin’ny fiadidiana ny Repoblika aza.

Tsiahivina fa ny mpianatra tao amin’ny « Ecole de Médicine » tetsy Befelatanana no nihetsika voalohany satria tsy nandeha amin’izao laoniny ny fepetra niainan’izy ireo (conditions de vie) sy ny tsy fanjarian’ny fotodrafitrasa. Nanatevin-daharana ny mpianatra teny Ankatso, nitombo ny fitakiana ka amin’ny ankapobeny dia « Fanagasiana » no làlantsaina nizorana. Ny tanjona tamin’izany dia ny nivoahan’ny Firenena tao amin’ny « néo-colonialisme » ka tsy ho ny mpanjanaka intsony no hibaiko ny fitantanana ara-politika sy toekarena. Nanamafy ny tolona ny mpianatra ka nidina teny amin’ny Lapan’ny Tanàna ny Sabotsy 13 Mey 1972. Nitifitra sy nandatsaka “grenades offensives” ny FRS (Force Républicaine de Sécurité) ka nisy ny maty sy naratra. Ny alin’io andro io ihany, raha nivory teny Ankatso ny Komitin’ny grevy dia nosamborina ary nalefa tany Nosilava. Tsy afaka tao an-tsain’ny mpiray tanindrazana ny teny navoakan’ny filohan’ny Repoblika voalohany : « …tsak tsak zato, arivo… ». Niantehitra tamin’ny hery ara-pitaovam-piadiana teo am-pelatanany ny mpitondra ka namoaka teny tsy voahevitra izay niteraka fahatezeram-bahoaka.

Ny Alatsinainy 15 Mey ihany dia tonga tsy nantsoina ny vahoaka teto an-drenivohitra ka nirohatra saika niakatra teny Andafiavaratra nisy ny Lapan’ny Fanjakana tamin’izany fotoana izany. Nosakanana teo Andohalo anefa ny dia ka nandray fitenenana ny Jeneraly Andriamahazo Gilles izay nagatahan’ny vahoaka handray ny fahefana. Tsy nanaiky izany izy satria nanaja ny ambaratongam-pahefana ary nilaza izy fa ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel no mendrika izany toerana izany. Natolotry ny Filohan’ny Repoblika, Tsiranana Philibert, azy ny fahefana feno ny 18 Mey 1972, ary navoaka avy any Nosilava ireo mpianatra nalefa tany. Nanao fitsapakevi-bahoaka izy tamin’ny naha filoham-panjakana azy ary naharitra telo taona latsaka kely no teo amin’ny fitondrana. Nalaina ho fananam-panjakana ireo orinasa frantsay ary niala tao anatin’ny « Zone Franc » ny Firenena dia nisolo ho « Franc Malagasy Garanti » (FMG) ny « Franc CFA ».

Raha ny politika anatiny dia napetraka ho rafitra ny Vondrom-bahoaka Itsinjaram-pahefana ka ny minisitry ny Atitany, ny Kolonely Ratsimandrava Richard, na nanangana izany ary nitsanga teo anion’ny Fokontany ny Vatoeka izay rafitra ara-toekarena teny ifotony. Nanao Fifanarahana Vaovao (Nouvelle Coopération) ny fanjakana frantsay sy malagasy. Niala teto Madagasikara ihany koa ny tafika frantsay. Nody ireo mpianatra Malagasy nandrato fianarana tany Lafrantsa tao amin’ny “Assosiation des Etudiants d’Origine Malgache” ho fampiarana ny fanagasiana. Nisy olana be teo amin’ny frantsay sy Malagasy ka nametra-pialana ny Jeneraly Ramanantsoa Gabriel ny 05 Febroary 1975. Iaraha mahalala fa ny 11 Febroary 1975 ihany dia nisy namono ny Kolonely Ratsimandrava Richard filoham-panjakana.

Raha ny fanagasiana no tombanana dia tsy nisy intsony ny vazaha teny anivon’ny minisitera sy ny fitondrana amin’ny ankapobeny, ary lasa fananam-pirenena ireo orinasa frantsay rehetra. Ny nisy lesoka dia ny nanagasiana ny fampianarana. Na izany na tsy izany dia tokony ho nisontonana lesona ny tolona tamin’ny 13 Mey 1972 izay heverina fa niverina ny 10 Aogositra 1991 raha ny firaisankina sy ny fiaraha-mihentanan’ny Malagasy eo amin’ny fanoherana ny famonoana ny mpiray tanindrazana.

Tsy mitovy velively tamin’izany ny 07 Febroary 2009, revolisiona loranjy notarihan-dRajoelina Andry, satria tsy ny mpitondra tamin’izany no namono mpiray tanindrazana fa ny mpiaradia tamin’ny nitarika ny tolona ihany. Mbola mitohy ny fanenjehana sy famoretana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ary miverina manjaka eto an-tanindrazana indray ny vahiny ary tsy misy fampandrosoana hita sy azo tsapain-tànana. Misy ny tsangambaton’ny 07 Febroary fa tsy mitory fitiava-tanindrazana izany satria tsy izay no tanjon’ny mpananika Lapa fa ny nandrombaka fahefana sy nanaovana sorona ny mpiray tanindrazana nahatratrarana izany.