48 taona lasa ny 05 febroary 1975 – Tsy azo kosehana amin’ny tantaram-pirenena Kolonely Ratsimandrava

Ny Valosoa

Anarana tsy azo kosehina eo amin’ny tantaran’ny firenena malagasy ny anaran’ny Kolonely Richard Ratsimandrava, feno 48 taona katroka ny alahady 05 Febroary teo, ny nandraisan’ity kolonely ity ny fahefana feno avy tany amin’ny Jeneraly Ramanantsoa nahafahany nitondra ny firenena.

MINISITRA ROA NO TENA NISONGADINA

Raha tsiahivina somary alavidavitra ny tantara dia ny 18 Mey 1972, no nahazo ny fahefana feno avy tamin’ny Filoha Philibert Tsiranana Filohan’ny Repoblika ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa ho Lehiben’ ny governemanta , izay marihana fa ny Filoha Tsiranana ihany no Filohan’ny Repoblika.
Minisitra 10 no tao anatin’ny governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa, ka manamboninahitra ny 4 ary teknisianina ny 6.
Minisitra 2 no tena nisongadina tamin’izany dia ny Kolonely Ratsimandrava minisitry ny atitany , izay namelona ny rafitra fokonolona sy nahavita nitety an’i Madagasikara nitafa nivantana tamin’ny vahoaka tany ifotony ary nanome ny ‘’alaolana’’, sahy nanafoana ny sivana teo amin’ny fampahalalambaovao ihany koa ny Minisitra Richard Ratsimandrava, ny Minisitra faharoa dia ny Capitaine de Fregate Didier Ratsiraka, Ministra nisahana ny raharahambahiny, izay nanavao ny fifanarahana teo amin’ny fiarahamiasa frantsay sy malagasy, nanapaka ny fifandraisantsika malagasy tamin’i Afrika Atsimo mpanavakava-bolon-koditra tamin’izany, nanokatra ny fifandraisantsika tamin’ireo firenena tatsinanana toa an’i Sina entimbahoaka, ny Firaisana Sovietika, Korea Avaratra ary ireo firenena Eoropeana sosialista toa an’i Rda, Romania, Hongria, Polonina, Tsekoslovakia, sns…

NAMINDRA FAHEFANA NY JENERALY RAMANANTSOA

Ny 08 Oktobra 1972 dia nampanao fitsapankevibahoaka ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa, nahazoany ny fahefana feno nitondra ny firenena mandritran’ny 5 taona, izay nidika hoe lasa filohampirenena izy taorian’ny fandresen’ny ‘’ Eny ‘’ tamin’ilay fitsapankevibahoaka ary niala ny Filoha Philibert Tsiranana.
Nisy andininy iray tao amin’ilay lalàna momba ny fitsapankevibahoaka nolaniana, nanome alalana ny Jeneraly Ramanantsoa mamindra ny fahefana teo ampelatanany, ho an’olona iray izay safidiany raha tonga ny fotoana tsy ahafahany mitondra intsony ny firenena.
Ny Sabotsy 25 Janoary 1975 dia nanapakevitra ny Jeneraly Ramanantsoa nandrava ny governemanta notarihiny, ny antony nambarany ho nahatonga ilay fandravana dia ny fahatsapany fa tsy nisy ny firaisankina tao anatin’izany governemanta izany , kabary miaramila fohy sady hentitra no nataon’ny Jeneraly Ramanantsoa tamin’izany , ary nampanantena izy fa hijoro tsy ho ela ny governemanta vaovao, kanefa tsy izany no nitranga, satria ny Alarobia 05 Febroary 1975 , dia nandray fanapahankevitra ny Jeneraly Ramanantsoa nampiasa ilay andininy iray tao amin’ilay lalàna momba ny fitsapankevibahoaka , ka nanolotra ny fahefana feno tany amin’ny Kolonely Richard Ratsimandrava.

‘’ TSY HIAMBOHO ADIDY MON GENERAL ‘’

Io no teny nivoaka ny vavan’ny Kolonely Ratsimandrava, fantatro hoy izy fa mila olona sahy sy vonona handray andraikitra ny fotoantsarotra diavin’ny firenena, ny Jeneraly Ramanantsoa dia nitsodrano ny Kolonely Ratsimandrava hahaleo hahalasa tamin’izany .
Tonga dia natolotra nandritran’io famindrampahefana io koa ireo mpikambana tao amin’ny governemanta izay nahitana minisitra 15, ka manamboninahitra ny 6 ary teknisianina ny 9.
Tamin’ireo minisitra teknisianina 06 tao amin’ny governemanta notarihan’ny Jeneraly Ramanantsoa dia i Daniel Rajakoba Minisitra ny asa sy ny asampanjakana sisa tafiditra tao amin’ny govenemanta notarihan’ny Kolonely Ratsimandrava, ary tamin’ireo minisitra manamboninahitra teo aloha dia ny Capitaine de Fregate Didier Ratsiraka Minisitra niadidy ny raharahambahiny ihany no tsy tao anatin’ilay governemanta notarihan’ny Kolonely Richard Ratsimandrava.

MENDRIKA HO TAHAFINA IZY MIANAKA

Tsy mahay maka lesona tamin’ny tantarampirenena ny mpitondra ankehitriny , satria mety sady tsy mahalala no tsy mahafehy ny tantara izy ireo.
Fahasahiana goavana no nataon’ny Jeneraly Ramanantsoa nandrava governemanta ny 25 Janoary 1975 , rehefa tsapany fa tsy niray hina ireo minisitra niaraka taminy ary sahy nametra-pialana namindra fahefana ny 05 Febroary 1975, tsy mba toy izany kosa ny fitondrana ankehitriny, fa na dia efa mahatratra 105 aza ny sonia voahangona nanesorana ny Praiminisitra dia Ingahy Filoha indray no midibingo miaro anjambany an’Ingahy Praiminisitra, izay tsy tahotra tsy henatra koa nilaza tamin’ny fahitalavitra fa nahomby hono ny fitondrana , tratra hono ny 80 isanjaton’ny asa, kanefa efa maherin’ny 80 isanjaton’nymalagasy no miaina ao amin’ny fahantrana lalina, tsy izay ihany fa efa mifanalabaraka ankalamanjana aza ny Depiote Ird sy ny governora any Bongolava sy Itasy , eto Antananarivo indray Depiote Ird no midina andalambe milanja sorabaventy mitaky ny fialan’ny minisitra iray ary mbola Depiote Ird ihany koa no mitety haino amanjery mitanisa ny tsy fahombiazan’ireo minisitra maromaro, kanefa dia tsy hita izay andraikitra raisin’Ingahy Filoha sy Ingahy Praiminisitra , manala ireo tsy mahomby, izy roalahy mpanendry moa dia mamikitra mafy amin’ny toerany na dia efa tsy mamokatra aza.
Ny Kolonely Ratsimandrava tsy niamboho adidy fa nandray andraikitra tao anatin’ny fotoantsarotra , f’ireto ‘’mpitondra antsika’’midongy seza fotsiny faly hitavana ny hatsemboham-bahoaka , fa tsy hita izay fandraisan’andraikitra hanala ny fahasahiranambahoaka fa dia miamboho adidy tsotra izao ny filaza azy .
(Hitohy)