Fetiben’ny baolina kitra eran-tany – Ho Mondial ao anaty delestazy ny eto amintsika

Ny Valosoa

Rahampitso alahady 20 Novambra 2022 no hanomboka ny fiadiana ny amboara erantany ho an’ny taranja baolina kitra, Qatar no firenena hampiantrano ny lalao, ka ry zareo rahateo no hiakatra kianja voalohany hifampitana amin’i Equateur, amin’ny 7 ora hariva ora aty amintsika no hanomboka ny lalao, ny Sabotsy 02 Desambra 2022 no tapitra ny lalao fifanintsanana, ny alahady 18 Desambra 2022 no hotontosaina ny lalao famaranana, herinandro katroka mialohan’ny Krismasy.

Hatramin’izay dia volana Jona sy Jolay ny fotoana nanaovana ny lalao fa tamin’ity taona ity vao nisy “Mondial” notanterahina faran’ny taona toy izao, ny antony dia vokatry ny fisian’ny aretina koronaviriosy izay nampikorontana ny tetiandro amin’ny ankapobeny mihitsy, kanefa na izany aza dia arahaba soa arahaba tsara fa tontosa amin’ity taona ity ihany ny lalao.

Toy ny fahita erantany dia halefa mivantana amin’ny fahitalavitra ny lalao, ny Televiziona Mbs dia hampita mivantana ny lalao rehetra, ny namana Ruphin Rakotomaharo sy Riana Rabemananjara ary ireo mpanao gazety zandriny ao amin’ny Mbs, no hanentana amin’ny fitantarana ireo lalao.

Saingy ny mampanahy dia mbola tsy mivaha ny olana eo amin’ny famatsiana rianaratra na dia efa tafapetraka aza ilay gropy fahaefatra, nandritràna ny ranon’Andekaleka nampanantenain’ny fitondrana fa hanafoana ny delestazy.

Ingahy Rajoelina raha nanao ilay fivoriana nitadiavam-pamatsiana an’ilay Pem teny amin’ny “CCI “, ilay ivontoerana fandraisana fivoriana iraisampirenena namboarin’ny Filoha Ravalomanana teny Ivato, dia tsy tahotra tsy henatra ity filoha ankehitriny ity nanambara ny hoe: amin’ny taona 2027 indray hoy izy vao ho tapitra ny delestazy, mazava izany fa tsy ho lavorary ny fanarahan’ny vahoaka ireo lalao, satria ny fahitalavitra dia mbola tsy azo alefa amin’ny kitay na amin’ny arina.

Ny zavatra natomboka rehetra dia tsy maintsy hifarana rehefa tonga amin’ny fetra hoy ny hiran’ny mapanankanto, na ny delestazy na ny fitondrana azo tamin’ny “ doublon” dia tsy maintsy ho tapitra rehefa mahalala mandray ny andraikiny ny vahoaka tompon’ny fahefana, ny amin’ity taona ity aloha dia azo inoana fa mbola hamely ny delestazy mandritra ny “Mondial”, fa amin’ny “Mondial” 2026 dia azo antoka fa hilamina ny fanarahana azy satria efa mahalala ny tokony hataony ny vahoaka amin’ny 2023, hanilika ireo mpitondra tsy mahavaha olan’ny delestazy ireo.