Fihetsiky ny zandary sasany – Manala baraka ny anaran’ny kolonely Ratsimandrava

Ny Valosoa

Isaky ny tonga ny 11 Febroary dia tsy tapaka manamarika ny 11 Febroary 1975, vaninandro namonoana ny Kolonely Ratsimandrava, ny fianakaviamben’ny Zandarimariampirenena, eny Ambohijatovo ambony toerana nisehoan’ny famonoana no fanaovana ny fahatsiarovana.

Tanisaina mandritra ny fifandimbiasam-pitenenana ny tantaran’ny Kolonely Richard Ratsimandrava , ny zava-bitany, ny fitiavan-tanindrazana nasehony, sns…
Tsy afa-misaraka amin’ny tantaran’ny Zandarimariampirenena ny tantaran’ny Kolonely Ratsimandrava.

Ny Zandarimaria dia vondron’ny mpitandro filaminana, izay tsy hita raha tsy any Frantsa sy aty amin’ireo zanatany frantsay. Ho antsika eto Madagasikara, fony mbola zanatany frantsay, dia nisy ny nantsoina hoe “Garde Indigène”, ny asa nosahanin’izany “garde indigène” izany araky ny anarany dia mpitandro filaminana natao hamoritra ny vahoaka voazanaka. Navadika ho “Gendarmerie Nationale” nony tonga ny fahaleovantena”, ary taorian’ny nandraisan’ny Komandà Ratsimandrava Richard ny fibaikoana dia niova ho Zandarimaria Nasionaly ny anarany ary taorian’ny taona 1972 dia niova ho Zandarimariampirenena.

Ny Kolonely Ratsimandrava no teratany malagasy voalohany nifehy ny zandarimaria, manamboninahitra tao amin’ny tafika malagasy izy, no nalefa niofana tany Melun tany Frantsa, niverina avy any izy no nandray ny fifehezana, kapiteny vao nakarina komandà izy tamin’izany, ny Jeneraly Boquinot, ilay teratany sonegaly nizaka ny zompirenena frantsay sahala amin-dRaCedric no komandin’ny Zandarimaria nosoloiny.

Niavaka ny Kolonely Ratsimandrava tamin’ny fomba nitantanany ny zandarimaria satria dia nihàtra ara-bakiteny ny teny filamatra manao hoe: “Tanindrazana sy Lalàna”, niasa tamin-kitsimpo ireo zandary ary lavitra an’izy ireo ny kolikoly tamin’izany, voafehy ny halatr’omby ka na nisy aza tamin’izany, dia ilay halatr’omby vokatry ny fanajana ny fombandrazana, raha hazavaina tsotsotra dia ilay antsoina hoe “omby mifindra vala”, omby vitsy ihany no nangalarina ary tsy nisy ny famonoan’olona toy ny ataon’ny dahalo amin’izao fotoana izao.

Raha teo amin’ny fitantanana ny raharahampirenena dia mazava tsy takona afenina, fa olon’ny fifanakalozan-kevitra ny Kolonely Ratsimandrava, nampiavaka azy ny finiavany nifampitafa tamin’ny vahoaka malagasy, hatrany amin’ny faritra saro-dalana indrindra, nahatonga azy natao hoe: “Minisitry ny Alaolana”, nalalaka ihany koa ny fanehoankevitra fony izy minisitry ny atitany, nofoanany ny sivana, ary tsy nisy ny fisamborana ireo izay naneho hevitra na andalambe na tamin’ny fampahalalambaovao.

48 taona taorian’ny nahalasanan’ny Kolonely Ratsimandrava dia mivaona tanteraka amin’ny nataon’ity manamboninahitra tena tia tanindrazana ity, ny ataon’ny sasantsasany amin’ireo tompon’andraikitra mifehy ny zandarimariampirenena, voahosihosy ny teny filamatra: “tanindrazana sy lalàna”, satria manome vahana sy miaro anjambany ny mpandika lalàna tanteraka ary i Ra-Cedric no tanindrazana tompoin’ny sasantsasany amin’ireo zandary, ny fanehoankevitra nalalaka fony faha-Ratsimandrava dia nohitsakitsahina an-tampon’ny loha.

Tamin’ny taona 1947 dia nalaza ny hoe “sonegaly nahazo baiko”, satria voatery niantso miaramila afrikana ny mpitondra frantsay, satria maro ireo miaramila malagasy no tsy nety namono ny mpiray firenena taminy, amin’izao fotoana izao dia mbola mitana izany fitiavan-tanindrazana izany ny miaramila sy ny polisy malagasy, saingy indrisy fa ireo zandary sasantsasany izay mitonona ho zaza navelan’ny Kolonely Ratsimandrava indray, no maneho fihetsika mamohehitra manoatra noho ny nataon’ireo sonegaly nahazo baiko, ary mamerina ny laza ratsin’ny “garde indigène”, ka manalabaraka ny anaran’ny Kolonely Ratsimandrava.

Teratany vahiny no nibaiko ny “garde indigène” fahiny, fa ankehitriny dia teratany malagasy manaiky baikon’ilay vazaha taratasy, filoha efa lany daty, tsy filoha faratampon’ny foloalindahy intsony, no mbola manao tsipakin’ny miala aina.