Raharaha 7 febroary – Ry Rajoelina sy ny forongony no tena nanao ratsy teto

Andry Tsiavalona

Efatra ambinifolo taona aty aoriana, ny 07 Febroary 2023, dia « niantso famelankeloka » ho an’izay nanao ratsy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina, tsy ho an’ny eto Antananarivo ihany angamba fa ho an’izay nanao ratsy rehetra manerana ny Nosy mihitsy. Tsara ho faritana anefa izany « ratsy » izany satria tsy iray ihany ny hetsika azo lazaina ho ratsy, fa maro tsy tambo isaina: ny famonoana sy fandrobana ary fandorana ny fananan’ny mpiray firenena, ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena tsy anavahana, ny fanodinkodinana volam-bahoaka, ny fanitsakitsahana ireo Lalàna fototra, ny fitsarana tsy marina sy mitanila ka mampisy ny tsy maty manota ary mampanjaka ny kolikoly, ny lela mandainga sy mandoka tena ary mirehareha, sns… Raha ny tranga sy zavatra niainan’ny vahoaka tsy mandady harona rehetra teto amin’ny Firenena nanomboka tamin’ny taona 2009 dia nahatsapana fa nihàtra tamin’ny vahoaka Malagasy ary nampanjakain’ny mpitondra.

Tsy ny daty 07 Febroary 2009 ihany no nisy faty olona teto amin’ny Firenena satria nanomboka ny 26 Janoary 2009 izany ary nitohy ny 17 Martsa 2009 tamin’ny fotoana nahavoatery ny Filoha Ravalomanana Marc nandao ny Firenena, raha tsy izany dia ho nisy faty olona nikararana koa teny Iavoloha. Nomen’ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, Rajoelina Andry, tsodrano ireo nanao hetsika tamin’ireo daty ireo na dia efa fantany nialoha aza no hihafaran’izany. Raha ny 07 Febroary 2009 no asian-teny dia fanomezana tsodrano ireo nanao fihetsiketsehana teo amin’ny Kianjan’ny 13 Mey sy ny Praiminisitra an-tsisikoditra, Monja Roindefo, niakatra teny Ambohitsorohitra naka ny Lapam-panjakana. Iaraha-mahalala sy mahita amin’ireny horonantsary ireny, fa tsy avy tao Ambohitsorohitra velively no nisy nitifitra fa avy amin’ireo trano manodidina ary olona efa napetraka mialoha tao no nandripaka sy nomena tsodrano. Araka izany dia azo antoka fa raha nisy nitifitra tokoa avy tao an-dapa dia nifampitifitra ny roa tonta. Satria tsy nisy nitifitra avy tao an-dapa dia ny tanjona dia ny nandatsa-drà izay nolazain’ny mpihoko teny Ambatobe, fa tsy hahomby ny tolona raha tsy misy rà latsaka. Natao sorona izany ireny olona namoy ny ainy ireny kanefa ao anatin’ny Didy Folo nomanen’Andriamanitra dia milaza fa « aza mamono olona » ka ny naniraka izany no namono olona sady nanao « ratsy » ary izy izany no tokony mifono sy mangataka famelan-keloka. Ilay filohan’ny filambanana AV7 izay nitarika ny olona niditra tao amin’ny « faritra mena » (zone rouge) ihany koa dia mpamono olona satria efa nanakana ny jeneraly iray kanefa tsy nohenoina. Nomena toky fa handray honitra isam-bolana ny fianakavian’ireo namohy ny ainy. Tsy fantatra intsony moa ny tohin’izany resaka izany fa ny tsy azo lavina dia nanao « ratsy » tamin’ny mpiray firenena aminy Rajoelina Andry.

Nandritra ny tetezamita dia nisy harem-pirenena nahondrana « an-tsokosoko » ka anisan’ireny ny bolabolan’ andramena telonjato taonina tratra tao Kaomôro izay tsy fantatra ihany koa izay tohin’ny raharaha satria ny praiminisitra tamin’izany no nandeha tany nijery ireo andramena ireo. Tamin’izao fitondran-dRajoelina Andry izao koa no nisy ny volamena tratra tao Kaomôro ihany. Nogadraina ireo tratra nitondra ireo volamena ireo kanefa azo antoka fa iraka fotsiny ihany no notanterahin’ireo nosamborina ireo fa ny atidoha dia tsy mbola tratra hatramin’izao. Ratsy nataon’ny mpitondra tamin’ny mpiray Firenena izany ka tokony mangata-pamelana ny manam-pahefana noho izany ratsy nataony izany. Tsy vao izao Rajoelina Andry no natsakitsaka lalàna fa efa tamin’ny tetezamita ka tsy nanatanterahiny ny Tondro Zotra izay nosoniaviny. Amin’izao fotoana izao dia tsy voatanisa intsony ny fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana ataony. Miray tsikombakomba amin’izany ratsy ataony izany ny Fitsarana Avo Momba ny Lalàmpanorenana matoa tsy sahy manaisotra azy eo amin’ny toerana maha filohan’ny Repoblika azy.

Efa fiheken-keloka ny nilazany fa ry zareo mpanao politika tsy mijery afa tsy ny tenany ihany no nahatonga ity Firenena ity ho toy izao. Dingana efa nomanin-dRajoelina Andry sy ireo niaradia taminy ny 07 Febroary 2009, nahazo fahefana izy ireo saingy namela takaitra ho an’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy izany. Koa raha tena olompirenena mahalala fa nanao ratsy kanefa kosa manaja ny teny noteneniny ary mihaiky marina fa meloka ny filohan’ny Repoblika dia mangataka famelankeloka amin’ny vahoaka Malagasy izay notsinontsiniaviny hatramin’izay ary nataony sorona sy nofitahiny mba hazoana fahefana.