Rajoelina sy ny forongony – Politikan’ny famikiran-tseza sisa no ataony

Beharo

Hita sy tsapa, fa politikan’ny famikiran-tseza sisa no ataon-dRajoelina sy ny forongony amin’izao fotoana izao, hoy ny feo re teny rehetra teny. Ny asa rehetra izay iandraiketan’ny minisitra sy ny lehiben’ny governemanta ary ireo olom-boafidy, sy voatendry dia ahitana izany teti-panorona izany avokoa, ka lasa fihemoran’ny firenena amin’ny laharana faramparany izany.

Ny filoham-pirenena Rajoelina ohatra dia nahavita maka aina, maka rivotra eran-tany miaraka amin’izay minisitra sy tompon’andraiki-panjakana mahafatifaty azy, ary tsy tapaka amin’ny fitokanana maro samihafa atao fisehosehoana, ary ireo mitovy ati-doha aminy dia tsy diso anjara ihany koa. Antsoantso sy deradera hoy ny maro sendra anay no misy eto amintsika, mba ho famikirana ny seza, sy fitiavan-tena ary ireo mpiray dia aminy ety amin’ny manodidina dia tsy mitsinjo afa-tsy ny fandresena amin’ny taom-pifidianana 2023 ho avy io, mitetika ny ho lasa ambonimbony kokoa, nefa ny vahoaka KERE hatrany ny ankamaroany, ny firenena mihemotra mihemotra ho lasa farany hatrany.

Na ny governemanta, na ny antenimiera roa tonta, sy ireo CENI, HCC, GOVERNORA, sns… dia hoditr’akondro avokoa raha atao indray mijery, satria raha vao diso fihetsika toy ny minisitry ny raharaham-bahiny teo aloha dia voatsipaka mivantana, matahotra ny toerana ka tsy sahy manasoa sy manatsara ho an’ny mpiara-belona, fa dia manohana amin’ ny tsy rariny ny fitondrana eny fotsiny hatrany, tsy mahafantatra izay laharam-pahamehana mety sy sahaza, fa dia mitarika amin’ilay velirano diso adiresy tsy manara-penitra.

Ny fikasana saika hanisa mpifidy eny amin’ny orinasa dia mbola fikasan’ny fitondrana amin’izao hangala-bato ihany, porofo ny hanaovana “doublon” indray raha natao, satria efa ho voaisa any an-tranony ireny olona mpiasa amin’ny orinasa ireny, dia avy eo mbola ho voaisa any amin’ny orinasa iasany indray raha natao ihany izany. Soa fa nihemotra tamin’ny fanapahan-keviny ny CENI. Izany no manaporofo fa fitondrana manao dia miverina hatrany izao fitondrana Rajoelina izao, mba tsy hilazana hoe mandroso mihemotra toy ny foza orana!

Ny fanaovana karapanondrom-pirenena maimaimpoana faobe koa dia mbola ao anatin’izay tetikady ho fangalaram-bato izay, hampidirana tanora maro mpifidy izay tratra, mba hahafahana manodina indray ny safidim-bahoaka. Izany rehetra izany no tsy eken’ny maro, ka tokony hanaovana ny fikaonandoham-pirenena, mba hisorohana ireo halatra kasain’ny fitondrana hatao ireo, tsy misy afa-tsy ny fifampidinihana ihany, no hampisy ny fitoniana, ny fifidianana mangarahara sy eken’ny rehetra amin’ny fifidianana ho avy eo. Izany fikaonandoha izany, no hamahana ireo olana rehetra manodidina ny resaka fifidianana, ny hevitry ny maro tokoa maha-taka-davitra, ka asakasaky ny mpitondra mbola hiziriziry. Tsy hirotsaka ny famatsiam-bolan’ny mpiara-miombon’antoka amin’izany fifidianana izany, raha tsy ho tontosa io fiaraha-midiniky ny hery velona rehetra eto amin’ny firenena io. Tsy ho an’ny mpanohitra ihany, na ho an’ny fiarahamonim-pirenena ihany, fa ho an’ny mpitondra indrindra indrindra koa, mba hahafahany hahavita ny fotoam-piasany. Ny tsy fanaovana izany dia mety hanafohy ny fotoam-piasan’izy ireo ihany koa.