Rajoelina tsy tena izy tany Morondava – Nanala-bara-batana ny ministra, ny olom-boafidy ary ireo olom-boatendry

Niaina – Rajepa

Fitsenana an-dRajoelina tsy tena izy, na Kopie kole Andry Rajoelina ny sabotsy lasa teo teto Morondava renivohitry ny faritra Menabe, nanala-bara-batana, izay no azo ilazana azy nandritra izany, ny ministra Tinoka Roberto, ny senatera, ny depiote Tsiliva ary ireo olom-boatendry aty an-toerana. Nandaniana vola be sy nampiasana fitaovam-panjakana ny fitsenana ity Rajoelina tsy tena izy ity, mba tsy hilaza hoe Rajoelina fôpla, tamin’ny fitsenana azy ny sabotsy hariva teo teto an-drenivohitr’i Menabe.

Gaga ny rehetra satria olona nilalao tamin’ny fifaninanana tamin’ny haino amanjery iray teto Madagasikara, nanao kopikole ny filoha dia noraisina toy ny filoha, toy ny olom-panjakana, ka nanaovana hetsika fandaniambola be sy nampiasana fitaovam-panjakana, nanafarana artista maro ary araky ny kabary nataon’ny minisitra Tinoaka Roberto dia fantatra fa ny artisita tian’ny tanoran’i Morondava dia tsy maintsy natao izay niaviany nanafana iny hetsika iny, eny fa na dia efa nanana contrat tany an-tany hafa aza ry Kaka Joh sy Wendy Cathalina dia tsy namelany raha tsy tonga teto Morondava. Izany hoe nisy mpikarakara hetsika sy mpankafy ireto artista ireto koa izany tany, tratran’ny tsindry mba hitondrana ireto artista ireto taty Morondava, nalahelo sy nangahiahy sisa nataon’ireo atlheta izay nitondra avo ny anaran’i Menabe, izay nisy no nitondra médaille d’or nody nefa nangatsika ny fandraisana azy, anisan’izany ireo mpiangaly ady totohondry izay voahosotra ho tompon-dakan’i Madagasikara vao tsy ela akory izay, nefa tsy nisy fitsenana akory fa ity iray ity izay tsy nisy vokatra azo, tsy nanday amboara akory, nefa dia ireny no natao azy!

Tezitra ny rehetra raha ny fanehoan-kevitra hita amin’ny tambazotra sosialy, zavatra tsy manan-danja akory iny hoy izy ireo nefa dia hita daholo ireo tomponandraikitra hatramin’ny minisitra mpiahy ny faritra Menabe, sy ry ingahy senatera sy depiote, fa ny olan’ny tsy fandriampahalemana sy délestage ary ireo rehetra mamparary ny vahoaka tsy hita sady tsy tazana hoe: misy tomponandraikitra ve eto? Raha tsy hiresaka ihany koa afa-tsy ny raharaha nahafaty ilay Zazalahy kely tao amin’ny hotely fandraisam-bahiny iray vao tsy ela akory izay, tsy hita ihany koa ireo tompon’andraikitra eto an-toerana, ny filoha Marc Ravalomanana indray no tonga nidodododo naneho fiaraha-miory tamin’ny fianakavian’i Fleurys ny sabotsy teo, tena ray aman-drenin’ny rehetra tokoa izy.

Fampielezan-kevitra no tanjon’ireo nanao ny hetsika momba an’ilay Rajoelina tsy tena izy teto Morondava ny sabotsy teo, natao fitaovana politika ilay kopikole, satria dia kabary politika sy fandrangitana ny filoha Marc Ravalomanana, izay nandalo teto Morondava tamin’io fotoana io, no nataon’ireo nandray fitenenana. Nanome baolina sy maillot moa ingahy minisitra, saingy ny birao politika ny TGV no nasaina nitsinjara azy, toa mahalasa saina ny maro ihany hoe hanaovana propagandy ve ireny, sa ho an’ny fampandrosoana ny baolina kitra ato Menabe, satria raha ny tokony ho izy dia tokony ho ny fitaleavam-paritry ny tanora sy fanatanjahantena ato Menabe, no nanolorany ireo fitaovana ireo, izay fitaovana mandatsa ihany satria ny kianja aza tsy misy satria hatramin’izao dia tsy mety vita ilay kianja manarapenitra.

Kivy tanteraka ny vahoakan’i Menabe, izay milaza sy miteny fa tsy misy hantenaina amin’ity fitondrana ity, izay tsy manao afa-tsy fetifety. Noho izany hoy ireo sendra ny mpanao gazety tany an-toerana, ny fanalana izao fitondrana Rajoelina izao ihany, no haha-voavaha ny olon’i Dabarà sy ny SUCOMA, izay fototry ny fampandrosoana sy vahaolana ho an’ny fahasahiranan’i Menabe. Mitaraina koa ireo mpiasa ao amin’ny fitaleavam-paritry ny tanora sy fanatanjahantena ato Menabe, fa tsy misy mihintsy ny fijeren’ny minisitra azy ireo, matetika hoy izy ireo ny minisitra no avy aty Morondava, fa tsy mbola nandalo na dia nijery ny biraon’izy ireo akory aza, fa ireo mpikatroka politika ihany no avoriny, fa ny mpiara-miasa aminy adinony sy tsy raharahiany.