25 C
Antananarivo
Thu 28 May 2020 15:01

LAHATSORATRA FARANY

TOETRANDRO ANDROANY

Antananarivo
few clouds
25 ° C
25 °
25 °
44 %
2.1kmh
20 %
Thu
25 °
Fri
23 °
Sat
25 °
Sun
22 °
Mon
21 °

Ao @ MBS ny fotoanan-tsika @ 7h30 eo ho eo.Hitafa aminareo mpiray tanindrazana aho. Ny alakamisy 28 Mey 2020 no fotoanantsika. ... TohinyFintinina

3 ora lasa

Ao @ MBS ny fotoanan-tsika @ 7h30 eo ho eo.

Rovan’Antananarivo – Colisée – Miaka-pofona ny zafin’ny mpanjaka Ranavalona III farany
28/05/2020

Aoka tsy ho sarangan’olona rehetra milaza azy ho taranak’andriana izao no hiara-hiasa amin’ny fitondram-panjakana.

“Amin’ny maha-zafin’Andriamanjaka ahy dia tsy nieràna aho nanao an’io… izay olona nanorina an’io, dia tsy mitovy hevitra aminy aho… marina fa ny fitondram-panjakana no mandidy manapaka, fa mbola razambenay no eo”, hoy i Me Christian Raoelina, zafin’ny mpanjaka Ranavalona III farany.

“Tondroiko ho tompon’andraikitra manao zavatra tsy mety, izay nanapa-kevitra nitondra ny fitondrana nanao an’io”, hoy koa izy.

Vaovao MBS

youtu.be/WB48fpA_mYQ?t=637

www.gvalosoa.net/2020/05/28/rovanantananarivo-colisee-miaka-pofona-ny-zafinny-mpanjaka-ranavalona...
... TohinyFintinina

6 ora lasa

 

Comment on Facebook

Tsy momba ny fanjakana nanangana an'io zahay. fa mampihomehy enareo milaza ho andrina reto hatrami zao tsis andevo s andrina @ zao fa ef fanjakana repoblikana.ampiasao n saina fa mapalaelo nareo.

Taiza daholo zany ianareo miso ho manampahaiza sy be saina be reo hatrizay naha may ny rovo no tsy nampiseo ny maha izy anareo ka!! Tsarovy tsara fa na ny taninao ao am vil be io aza ka tsy misy in2 eo amboniny ( terrain nu) de aza adino fa azon ny fanjakana anovana foto-drafi-trasa soamatsara de atovy ze ataonao fa izy koa manao ze ataony eo 😷😷😷😷

Inona ary ty mapme ty e, Alefa Président a

Mety daholo izay rehetra atao rehefa ifanarahana. Mety izao ny tsy milevina am-pasan-drazana rehefa alevina ao amin'ny Mausolée Fasan'ny Mahery fò. Ndao hifanaraka @ izay ho atao eo dia mandefitra izay vitsy mpandàny ny heviny ary tsy manakora izay maro mpandàny ny heviny. Antsika io dia izay tapatsika no hitondràna ny raharaha.🇲🇬

May vava bé tony nefa tsy hita mints hatramin Zay naha may n'y rova , de refa amboarina s'y hatsaraina Mbola wawawa bé , tsssss

Mitaraina no azo atao eee fa tss afaka hanohitra ni hevini fitondrana zany na mety na tsy mety de efa io izy alo inon n wataonw eo na taranak'andrina aza enao mionona fa zay

Raha ireo mpanohana be fahatany ny fanovana tsy miraharaha akory izany rakitry ny ela izany dia efa fantatra fa tsy taranaka andriana aloha ireny,faharoa, tadidio fa nisy lapa tao aorinan io Rova be io,naorina sy nomen i Radama ny Ndrenogny tany @ Antemoro ary nipetrahan ny vadin i Radama avy tany Sakalava dia Rasalimo izany,taty aoriana dia natao lapa fandraisana ny vahiny manana ny hajany avy taty t@ côtiers io lapa io,tena nanana ny lazany sy ny hajany io lapa io ,fa rehefa maty Radama dia narodan ny Ranavalona io lapa io taty aoriana,fa naninona ré mba io no naverina dia niverina koa ny hasin ny fampihavam pirenena teto Mcar,sur zah fa raha io lapa nanana an io tantara io no naorin ny Pdt,sur zah fa nihoby azy izao tontolo izao,fa tsy culture avy t@ latine izay tsy nisy hifandraisany akory @ io tantaran ny Rova io no aorina eo.

Tokony mba mandeha any @ TVM na @ Tv hafa ireo manazava zavatra toy itony fa lasa maro ny tsy maharaka

Izahay zafikelin'i Ranavalona an-tsisi-tosy d tena manaiky ny hanamboarana an'io, izahay tsy misora-tena ho Ngahindriana fa manaiky fanatsarana.Tohizo ny Colisée

Zafindravalo😂omeo nono izy e😂😂

Mialona namana mahay gitara izy manao anio ALEFA PREZIDA

Maninona koa no tsy mivoaka daholo ianareo milaza fa taran'zatsy sy zaro ireo e!!!! Aiza koa ny zafin'ny RASOERINA, hatr@ ny zafin'ny zanabadin' ANDRIANAMPONIMERINA e??? Mitondra fotsiny taratasy fanamarihana!!!!!

Tsaho ve sa tena marina fa toa hoe nisy namindra antsokosoko eny @ Rovan'Ambohimanga ny ampahana Taolambalo tao anaty Rova Manjakamiadana? FANONTANIANA NY AHY.

Ts anny Mpanjaka ny Rova fa zavatra eto @ taninny Repibklikann I Madagasikara ataoko angamba fa tsitako izay ierana @ zay hilaza ho zafin dranavalona aiza ny titre na kadasitra mahanareo io no hie hiera amibareo vo hanamboatra nyRova simba io ela be ts nanamboatea ianareo ka zao vo we zafindranavalona 2 eise e

Alefa coliseeeeeee

MBA niteraka vé io Rasalimo io MBA valio izay mahafantatra

MILAZA AZY HO ZAO SY ZAO DAHOLO ! MBOLA ZAFY ZANY WERAWERA TSY MAINTSY MANDEHA OK

Tsara ve tompoko?

Tsy azoko.

Iza ko tony miseho ho tompony tony e? Fa taiza fona ono izy no nisitrika atramizay

ingahy zafipanjaka na iakapofon eo az ianao d anin?fohazo tan ny razanlisan d ra miten iz we ajanon d ajanon io.

Mankasitrak tompoko, sady taranaka Mpanjaka ianao no manampahaizana fa tsy toy ny sasany!!!!!!!!!

Zany ve ny toetsaina tony , fa ialahy no izy ,

aiza lo ny kadasitr'io Rova io ? efa mba notondroina ko ve le naka ny razanareo tao?

Lapa ny Rova fa tsy fananan'ny mpanjakan'Imerina. I andafiavaratra zany an'ny taranak'Hova koa? Sa an'ny taranak'i Ratsimandrava?

+ View more comments

Manasa antsika rehetra !Haneho hevitra noho ny zava-misy eto amin'ny firenena ny filoha Marc Ravalomanana ny Alakamisy 28 Mey 2020. ... TohinyFintinina

16 ora lasa

Manasa antsika rehetra !

 

Comment on Facebook

Miandry anao izahay mianakavy kely taranaky Rafaliarivo tsitoaina Dada Marc R8 a☺️

TIM FOREVER , TIM DYNAMIC Alefa DADA a

Fa mbola ts fantatra ve ny ora??

@ firy zegny??

Be indray ny fake atsioatsy !

Amin'ny firy azafady?

+ View more comments

Manasa antsika hanaraka ny resaka mafana!Ho vahinin'i GASCAR Fenosoa anio Alarobia 27 Mey 2020 @ 8 ora sy 45 min alina ao @ Fandaharana ༺L’INVITE DU JOUR༻: i Atoa. Mejamirado RAZAFIMIHARY - Président du comité national du Patrimoine - Association Fanarenana ny ROVA.

Arahanao mivantana ao @ Canal TV 30UHF/543.25Mhz, ny Onjampeo Real94 FM, ny WEB Radio Real FM ary eto @ Pejy Facebook Real TV Madagasikara aorian'ny fampahalalam-baovao.
Anasàna anao hanaraka izany.
... TohinyFintinina

20 ora lasa

Manasa antsika hanaraka ny resaka mafana!

COVID-Organics na CVO – Nahafaty vehivavy 42 taona tao Toamasina ny 24 mey 2020
27/05/2020

Nisotro ny COVID-Organics na CVO ary nanaraka ny toromarika nomen’ny fitondram-panjakana ity vehivavy 42 taona monina ao Toamasina ity hisorohana ny valan’aretina coronavirus na COVID-19. Zavatra hafa anefa no nitranga fa fanaintainana no nahazo azy nandritra ny herinandro ary niafara tamin’ny fahafatesana.

Nijoro vavolombelona ny rain’ny maty ary nitantara ny zava-nisy.

Nihinana nanao “traitement” an’io CVO io ry zareo mianakavy tao. Ary rehefa nahalany teo amin’ny fito tavoahangy ny zanany vavy dia nanakotsako ny lelany, araka ny filazany, ary dia najanony ny fisotroana CVO. Ny andro faha-efatra, nitombo ny aretina ary dia notsaboin’ny dokotera mpanara-maso. Ny andro zoma dia nanapa-kevitra ny dokotera fa ahiditra hopitaly. Nolazaina àry fa diabetika ilay vehivavy ka tsy tokony hisotro CVO. Dia namoy ny ainy ny alahady 24 mey.

Ny hevitro manokana raha io CVO io dia tsy tokony hihinankinam-poana. Nahitàn’ny fianakavianay faisana ilay izy”, hoy i Badetsy, dadan’ny maty.

Nitranga ity ny zavatra nahiana mikasika ny fampisotroana ny tambavy COVID-Organics na CVO izay nindrahindrain’ny ny filoha hajaina Andry Rajoelina fa misoroka sy mitsabo tsy ankanavaka ny aretina coronavirus na COVID-19. Voaporofo ankehitriny fa misy izany ny toe-pahasalamana izay tsy mifanentana amin’ny fampisotroana azy.

Tsy mba nisy ny fampitandremana tany am-boalohany momba ny fampisotroana ity tambavy ity ary goragora ny fomba nizaràna azy teny amin’ny toerana sasany, toy ny tazana tamin’ireny siny be mahazaka 200 litatra ireny. Tsy nisy fampitandremana ny fisotroan’ny ankizy mpianatra izay mety marefo na noana fa fanerena amboletra hisotro ny tambavy no natao. Toa zary izay hampandeha ny tambavy fotsiny no nobanjinin’ny fitonfram-panjakana.Satria ve misy tombontsoana mpandraharaha ao?

Raha tena miaro tokoa mantsy ity CVO ity, dia tsy ilaina intsony izany ny fepetra fiarovana toy ny aro vava, ny elanelana, ny fihibohana; tsy ilaina intsony ny fepetra fanidina ireo tsena.

Atao kilalao àry ve ny aim-bahoaka ho tombontsoan’olom-bitsy?

Vaovao nangonin’i Lanzelo

youtu.be/Uyx078CLazg?t=398

www.gvalosoa.net/2020/05/27/covid-organics-na-cvo-nahafaty-vehivavy-42-taona-tao-toamasina-ny-24-...
... TohinyFintinina

1 andro lasa

 

Comment on Facebook

Efa nazaivany Professeur t@ TVM, zay misy aretina mitaiza tsy tokony hisotro cvo , mila mandeha @ docteur alohany hisotro .Ohatra Diabete, Rein allergique.

Samy manana ni vintany sy anjarany zany kou . Sady efa impiry ambara zany hoe tsy misotro ny manana aretina mitaiza, sns .. Avy nisotro v enao vao nilaza ny doc we diabétique enao, an'iza ny tsiny Sady nlza b io pub io no nanabara n havan maty fa tsy cvo zan d iza no mandaiga zany ?

Mampalahelo izany maty zany fa Zaho de diabétique , nisotro CVO , Nefa tsy narary ,tsy maty. De nisy chauffeur taxi zay ety aminay, nanontany ahy Ahoana Dokotera fa za te hisotro nefa zaho fantatrao fa diabétique, mety misotro ve? Ze tianao io hoa fa za efa nahavita 7andro zaho io ka ze tianao. Nisotro koa io ranga io fa tsy maty, tsy narary. Ka tsy haiko

Sarotra atao mihitsy ny gasy faly manohitra fotsiny Ela be isika vao tafavoka aleo zany ny any ivelany no makamamy ny voaritsika Fa isika faly sy lanihandro mifanaratsy eto fotsiny Mahatra enao ry taniko Tena mampalahelo

Ts aiko we ts mb niaino na nijery tv v fa za aloh d naheno tsara fa ts tokony hisotro cvo n oln diabétique fa ny anaratsy fitondrana iany no mahamasina ny sasany.

Zaho marary vavony nefa nisotro CVO fatra aradalàna 7andro izahay mianakavy ny zanako farany 7taona ny azy moa in- 3 tanatin'ny 7andro Salama tsara zahay tsisy maninona zany hatreto

Ny CVO mandaitra fa fomba nampiasana azy nety nisy tsy nety. Na dia efa misy anti paludisme aza mbl miala miarotena FOANA. Toy zay koa ny ady am covid-19.

De iza indray no omenao tsiny @ izany ??Efa nambaran'ireo proffesseur rhtr izay nandalo tao @ haino amanjery rehetra fa ny olona misy areti-mitaiza tsy misotro ko inona no mbola nisotrony,?

Za vita traitement d tena otrany reraka b mitsy otrany oe voany courbatures b zany

Tsy azo sotrona fahatany nie io e!!! Ny misy tension sy marary rein ,ny bevoka sy diabétique tsy mahazo misotro anio

Misy olona fantatro akaiky nisotro cvo 2 jours de lasa any am hopitaly fa lasa marary kibo mafy de misy mifandrirotra ny tratra ny orona tsy maheno fofona. Misy in ary nefa nisy olona fantatro nisotro cvo de nilaza hoe 2e jours narary mafy de nisotro ihany de tany am 5e kours nihatatsara ny fahasalamany

Aza mba matoky fanjakana zan mits wa,na maty ny fianakavinao an,ts hiasanjare loha zan satri tsy havany ianao,tongava saina! !!

tsy mba mihaino radio na tele kosa nareo efa notenenina oe ZAY MANANA ARETINA MITAIZA AOKA TSY HANDRAY NY TAMBAVY ORGANIC

efa niteny kosa izy oe raha vao misy aretina mitaiza de tsy tokony ihinana

Efa tenenina foana fa eee! Anarina foana fa èee! Henoy tsara ny fanazavan'ny @ Télévision Malagasy sy ny RNM fa misy professeur 3 ao mitatatata sy manazava ny diabetika TSIMETY.

Izahay indray nisotro , fa salama tsara hatramin'ny ARETINA hafa !!! Mety aminay ny tambavy Malagasy .

afaka tsara zay ny hadalan badetsy...aza miala zmin treize dia ndana ndray milahatra injection mety amin moitindra miints zany mpanaradia vita lavazy tsy aneritreritra izany.... mitovy amin tangena io...

Mankahery ny fianakaviana. Taorian'ny resabe tamin io vo nivoka kosa efa nisy fampianarana ihany d tsara raha mba manaraka ihany ny rehetra e.

Efa ela no nisy io fa ts cvo fotsiny ny anarany... tao @ ratsimamanga filaharan be nanomboka @ 5 maraina....

Tsy teo aminao le toerana

Cvo mints n nahafaty az? Voa marin mpitsabo v fa cvo n naafaty az?

Olona firy no misotro d ol firy no maty !izay lany andro ihany no maty e

ko ef oe vevav diabetika ko ..lol

Efa anjarani ni ofati

Zange EFA miteny fona oe tsy mafôka oa ra io

+ View more comments

MBS – Dinika – Arphine Rahelisoa, talen’ny famoahan-gazety Ny Valosoa Vaovao
27/05/2020

(version française ci-dessous)

Noraisin’i Germain Nomenjanahary hivahiny ao amin’ny fandaharana Dinika i Arphine rehefa tafavoaka ny fonjan’Antanimora, izay nitanana azy nandritry ny iray volana.

Mizara ny fotoana sarotra nolalovany Arphine, mijoro vavolombelona mitantara ny fahasarotan’ny fiainana any am-pigadràna. Mitantara ny antsipiriany ny tenany nanomboka ny fanadihadiana teny amin’ny BC ( Brigade Criminelle) Anosy ka hatramin’ny nampidirana azy tany Antanimora, notronin’ireo namana mpanao gazety maro. Nanazava koa izy momba ny tsy naha-tompon’andraikitra azy tamin’ny famoahana ny lahatsoratra tao amin’ny tranonkala.

Notsindriany manokana ny fanaparitahana vaovao diso mikasika ny tsy maha-mpanao gazety azy izay novoizin’i Fanahimanana Tiaray, talen’ny serasera ao amin’ny ministera.

Nisy ny hafatra nentin’i Arphine manokana mifandraika amin’ny tontolon’ny figadrana:
– mba ho jerena ny lafiny ara-pahasalamana hitsinjovana ny fotoan-tsarotra, ohatra tokony hisy ny “ambulance”: nisy tranga iray izay nitaky fitondràna gadra tany amin’ny hopitaly noho ny “asthme”, nangatahana tsipaipaika ny gadra hahafahana mitondra ny marary, ary rehefa voaangona ny vola dia nafarana ny fiara, saingy vao tsy tonga tany amin’ny hopitaly ilay marary dia maty teny an-dalana;
– mba jerena akaiky ny LP (ndlr, liberté provisoire): nampanantena ny fitondram-panjakana handinika akaiky ny LP faobe; sarotra ny fifandraisana amin’ny fianakaviana; misy ny miandry fitsaràna efa ho roa na telo taona, miaraka amina taiza kely;
– ho an’ny olompirenena mpitory, raha mba azo ifanamboarana dia tokony ezahina satria sarotra ny fiainana any am-ponja: misy noho ny “brushing” iray no mampigadra mpianaka roa, maro ny mpiasa an-trano nangalatra vola kely.

Fisaorana no atolotr’i Arphine:
– ny mpitondra
– ny mpanohitra
– ny mpanao gazety
– ny olompirenena
– ny mpanao fesiboky
– ny fiarahamonim-pirenena
– ny iraisampirenena
– ny MBS
Nangonin’i Lanzelo

(traduction libre)
Invitée de Germain Nomenjanahary dans l’émission du dimanche Dinika sur la chaîne MBS, Arphine Rahelisoa, directrice de publication du journal Ny Valosoa Vaovao revient sur les péripéties ayant conduit à sa mise en détention et les expériences vécues dans la prison d’Antanimora qui aura duré un mois.

Elle raconte les différents moments depuis son interpellation pour un interrogatoire à la Brigade Criminelle (BC) d’Anosy, suivi d’une comparution immédiate au Parquet le lendemain. Jusqu’alors, elle n’avait pas eu d’inquiétude particulière, ne se sentant pas responsable de la publication citée et parue sur le site web éponyme dont elle n’est pas responsable. Expéditif, le procès décide d’une mise sous Mandat de Dépôt (MD) et Arphine est conduite à la prison d’Antanimora.

Arphine dénonce la tentative de désinformation sur sa qualité de journaliste orchestrée par le directeur général du ministère de la communication, Fanahimanana Tiaray.

De son expérience vécue au sein de la prison d’Antanimora, Arphine fait part de quelques messages:
– aux responsables des conditions de santé pour la prison d’Antanimora, d’examiner les mesures pour cas grave: un cas d’asthme a nécessité une cotisation entre détenus afin de pouvoir transporter le malade à l’hôpital, une fois la somme collectée et le véhicule mis à disposition, le malade a succombé avant d’arriver à l’hôpital;
– d’examiner également les mesures promises de liberté provisoire (LP): les visites familiales sont devenues particulièrement difficiles; des femmes sont en attente de jugement depuis 2 ou 3 ans, dont certaines avec des nourrissons;
– aux citoyens plaignants, d’envisager autant que possible des solutions à l’amiable car les conditions en prison sont rudes; certaines s’y retrouvent pour une affaire de “brushing”, ou pour des employés à domicile, coupables de larcins.

Arphine tient à remercier:
– les responsables du pouvoir
– les personnes de l’opposition
– les journalistes
– les citoyens
– les facebookers
– les sociétés civiles
– les personnes à l’international
– MBS

youtu.be/pNQ9bRiG6lM

www.gvalosoa.net/2020/05/27/mbs-dinika-arphine-rahelisoa-talenny-famoahan-gazety-ny-valosoa-vaovao/
... TohinyFintinina

2 andro lasa

MBS – Dinika – Arphine Rahelisoa, talen’ny famoahan-gazety Ny Valosoa Vaovao
27/05/2020

(version française ci-dessous)

Noraisin’i Germain Nomenjanahary hivahiny ao amin’ny fandaharana Dinika i Arphine rehefa tafavoaka ny fonjan’Antanimora, izay nitanana azy nandritry ny iray volana.

Mizara ny fotoana sarotra nolalovany Arphine, mijoro vavolombelona mitantara ny fahasarotan’ny fiainana any am-pigadràna. Mitantara ny antsipiriany ny tenany nanomboka ny fanadihadiana teny amin’ny BC ( Brigade Criminelle) Anosy ka hatramin’ny nampidirana azy tany Antanimora, notronin’ireo namana mpanao gazety maro. Nanazava koa izy momba ny tsy naha-tompon’andraikitra azy tamin’ny famoahana ny lahatsoratra tao amin’ny tranonkala.

Notsindriany manokana ny fanaparitahana vaovao diso mikasika ny tsy maha-mpanao gazety azy izay novoizin’i Fanahimanana Tiaray, talen’ny serasera ao amin’ny ministera.

Nisy ny hafatra nentin’i Arphine manokana mifandraika amin’ny tontolon’ny figadrana:
– mba ho jerena ny lafiny ara-pahasalamana hitsinjovana ny fotoan-tsarotra, ohatra tokony hisy ny “ambulance”: nisy tranga iray izay nitaky fitondràna gadra tany amin’ny hopitaly noho ny “asthme”, nangatahana tsipaipaika ny gadra hahafahana mitondra ny marary, ary rehefa voaangona ny vola dia nafarana ny fiara, saingy vao tsy tonga tany amin’ny hopitaly ilay marary dia maty teny an-dalana;
– mba jerena akaiky ny LP (ndlr, liberté provisoire): nampanantena ny fitondram-panjakana handinika akaiky ny LP faobe; sarotra ny fifandraisana amin’ny fianakaviana; misy ny miandry fitsaràna efa ho roa na telo taona, miaraka amina taiza kely;
– ho an’ny olompirenena mpitory, raha mba azo ifanamboarana dia tokony ezahina satria sarotra ny fiainana any am-ponja: misy noho ny “brushing” iray no mampigadra mpianaka roa, maro ny mpiasa an-trano nangalatra vola kely.

Fisaorana no atolotr’i Arphine:
– ny mpitondra
– ny mpanohitra
– ny mpanao gazety
– ny olompirenena
– ny mpanao fesiboky
– ny fiarahamonim-pirenena
– ny iraisampirenena
– ny MBS
Nangonin’i Lanzelo

(traduction libre)
Invitée de Germain Nomenjanahary dans l’émission du dimanche Dinika sur la chaîne MBS, Arphine Rahelisoa, directrice de publication du journal Ny Valosoa Vaovao revient sur les péripéties ayant conduit à sa mise en détention et les expériences vécues dans la prison d’Antanimora qui aura duré un mois.

Elle raconte les différents moments depuis son interpellation pour un interrogatoire à la Brigade Criminelle (BC) d’Anosy, suivi d’une comparution immédiate au Parquet le lendemain. Jusqu’alors, elle n’avait pas eu d’inquiétude particulière, ne se sentant pas responsable de la publication citée et parue sur le site web éponyme dont elle n’est pas responsable. Expéditif, le procès décide d’une mise sous Mandat de Dépôt (MD) et Arphine est conduite à la prison d’Antanimora.

Arphine dénonce la tentative de désinformation sur sa qualité de journaliste orchestrée par le directeur général du ministère de la communication, Fanahimanana Tiaray.

De son expérience vécue au sein de la prison d’Antanimora, Arphine fait part de quelques messages:
– aux responsables des conditions de santé pour la prison d’Antanimora, d’examiner les mesures pour cas grave: un cas d’asthme a nécessité une cotisation entre détenus afin de pouvoir transporter le malade à l’hôpital, une fois la somme collectée et le véhicule mis à disposition, le malade a succombé avant d’arriver à l’hôpital;
– d’examiner également les mesures promises de liberté provisoire (LP): les visites familiales sont devenues particulièrement difficiles; des femmes sont en attente de jugement depuis 2 ou 3 ans, dont certaines avec des nourrissons;
– aux citoyens plaignants, d’envisager autant que possible des solutions à l’amiable car les conditions en prison sont rudes; certaines s’y retrouvent pour une affaire de “brushing”, ou pour des employés à domicile, coupables de larcins.

Arphine tient à remercier:
– les responsables du pouvoir
– les personnes de l’opposition
– les journalistes
– les citoyens
– les facebookers
– les sociétés civiles
– les personnes à l’international
– MBS

https://youtu.be/pNQ9bRiG6lM

http://www.gvalosoa.net/2020/05/27/mbs-dinika-arphine-rahelisoa-talenny-famoahan-gazety-ny-valosoa-vaovao/

 

Comment on Facebook

mankaditraka

Mankasitraka e !

Izay ataonareo ao fa ny fantatray dia: « TSY MILA AN’ IO COLISÉE IO NY MALAGASY ».📣PATRIMOINE - Démission refusée du Pr Rafolo Andrianaivoarivony du Comité scientifique pour la réhabilitation du Rova d'Antananarivo

Antananarivo, 26 Mai, 6h25 - La présidence de la République annonce que "le Professeur Rafolo Andrianaivoarivony demeure membre du Comité scientifique" pour la réhabilitation du Rova d'Antananarivo. Reçu par Andry Rajoelina pour un entretien de 2h à Ambohitsorohitra, l'ancien représentant de Madagascar au sein du Comité du patrimoine mondial s'est vu refuser sa démission du Comité scientifique, rapportée par le journal "Le Monde" lundi après-midi.

Lors de son entretien avec le journal français, le Professeur Rafolo Andrianaivoarivony regrette que les autorités aient "fait endosser aux scientifiques une décision politique relevant de la prérogative régalienne". Il précise que "le dossier du Colisée [Kianja Masoandro] n'a pas été soumis aux scientifiques".

Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, ministre de la Communication et de la culture, avait martelé que « le président de la République n'aurait jamais fait bouger même une seule brique au sein du Rova sans l'aval du Comité scientifique et de la cellule technique », vendredi devant le Palais de Manjakamiadana.

Retrouvez l'actualité et l'évolution du Coronavirus à Madagascar sur notre site web 2424.mg
... TohinyFintinina

2 andro lasa

Izay ataonareo ao fa ny fantatray dia: « TSY MILA AN’ IO COLISÉE IO NY MALAGASY ».

 

Comment on Facebook

Mille milliard de mille sabords

Ils ont réussi à le convaincre de rester...

Miala bala amzay fa te ahazo 19 foana,

Ahoana izany professora a tssss

Être un scientifique et travailler pour un connard pareil? Jamais de la vie. Pour ensuite subir humiliation, culpabilisation, intimidation, menace, voire élimination physique. Jamais de la vie. En tout cas, stop au put... de Colisée de ce blasphémateur.

+ View more comments

Mampiahiahy izao fomba nahafatesan’ny Dr Daniel izao. Olona miha-salama ve handeha hananton-tena tampoka eo?

Real TV Madagasikara
25 Mai 2020 - Toamasina: Tsipahan'ny vady aman-janak'ilay mpitsabo nararin'ny coronavirus hita nihantona
tao amin'ny hopitaly manarapenitra ny alahady 24 Mai ny filazana fa namono tena ny havan'izy ireo
... TohinyFintinina

3 andro lasa

 

Comment on Facebook

Milaza ny mpitsabo fa tsy afaka ho fatin’ny tuyau sérum hahantona izany. Noho izany nisy namono. Ny hoe Inona no antony no mampametra-panontaniana. Fa apetraka fotsiny ny fanontaniana hoe iza no mahazo tombony amin’izao loza izao dia mazava fa ao ny mpamono.

Hafahafa be...Mystère...

tsy milamina ny tany ...makaery ny fianaviana fa Andriamanitra tsy manary anareo

Mety sanatry nis namono v?

Colisée ao amin’ny Rovan’Antananarivo: “Fanolanana no nisy”
25/05/2020

Tsy mahafehy ny tena kolontsaina malagasy ny mpiandraikitra ny kolontsaina eto Madagasikara, hoy i Hemerson Andrianetrazafy, mpahay vakoka sy tantara malagasy manoloana ny fananganana kianja na ny Colisée ao amin’ny Rovan’Antananarivo eny Manjakamiadana. Manazava ny heviny ny tenany.

Tohana tanteraka aho. Hatezerana ve ? Haromontana ve ? Alahelo ve ? Mitambatra daholo izany. Ny antony dia endriky ny fahavendranana faobe ilay izy ; fahavendranan’ny tompon-kevitra, fa fahavendranan’ny fiaraha-monina koa.

Rariny sy hitsiny raha misy manampahefana manamboatra zavatra, saingy ilay izy mandrava toy ny voalavo. Ao anaty habaka iangonana vakoka ifotorana tantara no tonga dia simbaina. Misy tandrozotrany ny fitantanana sy fikajiana ny vakoka, ary isan’izany ny fitahirizana sy fikolokoloina ny efa misy. Ary izany dia tsy manakana ireo izay te-hanao fa mba any amin’ny toeran-kafa. Fa ny fandravana ny efa dia sangy mihoatra ny loha.

Ilay vina apetraka dia anapotehana miampy fanapotehana. Ny Rovan’Antananarivo moa oviana no tsy nandalo loza, fa loza ampiana loza. Tokony fanarenana no natao, kanefa tonga dia fanolanana no nisy.

Nisy hono izany komity siantifika izany fa kely finoana aho. Raha mpanao tantara mpikajy vakoka dia tsy ho tonga amin’io. Tontolo fantatro loatra io ary ny ankamaroan’ny olona ao mifanerasera amin’ny tenako. Tsy mino aho. Fa ilay izy ve fanapahan-kevitro izaho lehibe ity dia atao ilay izy satria izay no reviko. Afaka manao an’izay izy fa ny alahelo mitoetra.

Be dia be ny ota fady atao. Tokony isika no manangana hoe ity mba fady kosa.

Ao anaty fananganana kolontsaina dia misy ny traikefa tovozina. Ny lalana diso azahoana lesona hananganana ny ho avy. Soa koa angamba nisy an’io mba ahafahan’ny ady hevitra hisongadina. Ny haba-piarahamonina na ny « espace publique » iseraseràna rehetra hoatrany tonga dia tototra daholo. Lasa tontolo mampihomehy isika fa manaotao foana. Mahazo aina mihitsy ny mpisalovana sy mpisoloky ao anaty rafitra hoatran’izao.

FB Real TV
www.facebook.com/666125253836846/posts/914813902301312

www.gvalosoa.net/2020/05/25/colisee-ao-aminny-rovanantananarivo-fanolanana-no-nisy/
... TohinyFintinina

4 andro lasa

Tandindomin-doza ny Anatirova
25/05/2020

MBS – Tafa tamin’i Mejamirado Razafimihary, filohan’ny Comité National du Patrimoine (CNP)

1 – Inona avy ireo dingana tsy maintsy narahinareo mialoha ny nanaovana ny asa lehibe tao amin’ny Rova ?
Ny lapan’i Manjakamiadana aloha ? Olana efatra no nisy : politika, ara-bola, ara-teknika sy ara-drazana. Ity farany no sarotra vahana indrindra. Tsy maintsy natao foana ny fifanarahana.

2 – Inona avy ireo nifanarahana raha nanao ny lapa ianareo ?
Tsy maintsy natao ny fanamafisina. Misy tsatoka 25 izay nalevina any ambany tany any ary mahatratra 23 metatra ny halalany, misy ny 60cm, misy ny 120cm de diamètre.
Tsy maintsy hajoro araka ny endriny teo aloha ny lapa. Mahatratra any amin’ny 160.000 ny isan’ny vato, misy ny azo najanona, misy ny nosoloina, ary amin’ny fomba siantifika no namerenana ny vato, araka ny Chartre d’Athènes sy ny Chartre de Venise.

3- Firy isan-jaton’ny asa ny efa vitanareo ? Dia inona no asa niandry ireo nanohy ny asa ?
Efa vita ny lafiny mahasarotra ny asa, eo amin’ny 80%. Sisa tafajanona dia ny famerenana ny ao anatiny amin’ny endriny teo aloha, ohatra ny fitadiavana sy ny fikajiana karazan-kazo.

4- Ary ahoana indray ilay hoe hipetraka ao Ravalomanana ?
Ny Chartre dia mitaky ny fametrahana rafitra hahafahan’ireo kilemaina na tsy dia afaka mandeha, hahafahana mitsidika ny toerana, ka hatrany ambony ohatra. Noresahina tamin’izany ny « ascenseur ». fa tsy mbola nisy ny fanapahan-keivtra. Dia tamin’izay no novoizina ny resaka fa hisy ny efitra hipetrahan’i Ravalomanana. Fa tsy nisy an’izany.

5- Iza no tena tokony hanapaka ny fanamboarana io lapa io ?
Marina fa manam-pahefana ianao mpitondra fa tsy anao irery io, ary tsy an’ny Merina irery io. Manankarena io toerana io, ary ny tantarantsika manomboka any Avaratra ka hatramin’ny Atsimo dia ao. Antsika Malagasy manontolo io ary ho fanajana ny ara-drazana sy ara-tantara dia isika samy isika aloha, ary izay vao entina any amin’ny Unesco araka ny ambarantonga samihafa.

6-Inona no tena antony lehibe namindrana ireo razana ?
Tsy nieran’ny mpanjanaka ny nakana ireny nofo sy vovoky ny mpanjaka ireny sy nametrahana azy ao amin’ny Rova, niniana natao mba tsy iankohofana amin’ny mpanjaka izay notompoina tamin’izany andro izany. Isika taty aoriana dia mamerina ny tantara.

7 – Ohatrinona ny vola niodina tamin’ny nanamboarana ny Rova ? Aiza ireo voahangona tamin’ilay hoe mametraha kely hananganana ny Rova ?
Mahatratra any amin’ny 20 miliara ariary raha ny ambaratonga nanaovana azy no jerena. Ao amin’ny tranonkala www.cnp-madagascar.org ahitàna ny antsipiriany.

8- Aminao mbola azo sokajiana ho vakoka ve io Anatirova io raha eo ilay « colisée » ?
Tsia tompoko.

9-Fa ahoana no ambara fa tandindomin-doza ny Anatirova ?
Rehefa tsy manaja ny fitsipika iraisampirenena eo amin’ny asa fanavaozana dia tandindomin-doza. Tsy tao anaty ny tantara ny « kianja masoandro ».

youtu.be/vnLrjq3BkVg

www.gvalosoa.net/2020/05/25/tandindomin-doza-ny-anatirova/
... TohinyFintinina

4 andro lasa

 

Comment on Facebook

Ovina ity fandaharana ity azafady ooh

Inona moa no iraharahian'ny sasany izany atao hoe fahamarinana. Ny fankalazana ny tsaho, fanosoham-potaka, ny fangalarana ary tsy famerenana zavatra na volan'olona no fomba vaovao entina miaina nanomboka ny taona 2009. Dia ny lainga no lasa fahamarinana, ny jiolahy no mitantana ny firenena. Manahy aho ho ratsy fiafara ny taranaka Malagasy.

Loza io ,mitsangana ry malagasy aza avela lalaoviny olona na otana fady ny hasina

" Colisée sa tsy Colisée e ?"

Fa iza no tena vendrana eto e? Ny filoha Andry Rajoelina sa ny ministry ny serasera Lalatiana Rakotondrazafy?

Fa na Colisée io na tsy Colisée dia tsy ilaina fa hajanony izao dia izao io!
... TohinyFintinina

4 andro lasa

 

Comment on Facebook

Hajanony io d ampy fa tsy lovanareo mianakavy manokana ; vakoka sy soatoavina maha malaga s'y ny malagasy io;ka tsy azonareo hovaina ny tantarany MAdagasikara

D iza zany no nanely tsaho, na le nanaparitaka ? Sy ianreo tao ihany raha izao resaka nareo zao ... Mifanaraha tsara aloha nareo zay vao miteny ee

KO LE RAY LAVA NIFY NY IARAY LAVA MOLOTRA!!

Samy hafa lazainy tandrametaka

Ny zava-misy any Toamasina. Mampalahelo!📣CORONAVIRUS - Des habitants fuient Toamasina pour rejoindre Antalaha
Antananarivo, 15h34 – Des habitants de la ville de Toamasina mettent le cap sur la région de la Sava, plus particulièrement à Antalaha, ces derniers jours, selon la Gendarmerie. Ils quittent la capitale de la région d’Antsinanana, par bateau ou par voie terrestre à travers la forêt. Certains partent à pied, à bicyclette ou à moto, selon les trajets choisis.

Le Centre de commandement opérationnel Sava renforce les dispositifs sécuritaires sur les points d’entrée à Antalaha, selon le Lieutenant-Colonel Hajatiana Ralaikoto, commandant du groupement de la Gendarmerie dans la Sava.
... TohinyFintinina

6 andro lasa

Ny zava-misy any Toamasina. Mampalahelo!

 

Comment on Facebook

Tsy misy fandraisana andraikitra koa

Manasa antsika e!Ny namana mpanao gazety ARP HELISOA no vahin'ny fandaharana TAFA eto @ radio mada 100.8fm ny sabotsy 23 may 2020 @3ora sasany folakandro.
Hiresaka manokana ny zava-nisy niainany tany amponja(antanimora) ny 4 april katr@4 mey 2020.
TAFA:isaky ny sabotsy @15h30
Famerenana ny alahady ariva 18h
Mpanatontosa:MALALA TSAROANA
... TohinyFintinina

6 andro lasa

Manasa antsika e!

 

Comment on Facebook

Finaritra. Tsikera manatsara tompoko raha sitrakareo indrindra: *vahinin'ny *am-ponja *Antanimora (A) *hariva Ny ora vahiny azo ihafiana ihany nefa koa somary mavesatra ara-pihainoana rehefa afangaro amin'ny teny Malagasy eo alohany. Am-pitiavana!

Fitondrana Mpanimba vakoka – Destructeur de patrimoine – Heritage destroyer
21/05/2020

#Rajoelina #Vakoka #Rova #Patrimoine #Destruction
(Version française, ci-dessous)

Voahitsaka ny hasin’ny vakoka malagasy ary voahitsaka ihany koa ny ambopon’ny Malagasy. Izay ve no tian’ity fitondran’i Andry Rajoelina ity hahatongavana? Ravàna sy ovaina amina endrika tsy misy fifampidinihana na mangarahara ireo vakoka maro, raha tsy hilaza fotsiny ny amin’ny Lapan’Ambohitsirohitra, ny Rovan’i Manjakamiadana, ny Paositra ao Antaninarenina.

Mampametra-panontaniana hoe lasa adala ve ny filoha sa tena fanahy iniana izao fanovàna sy fandravàna rehetra mamoa fady miseho izao? Mbola tsy ampidirina àry izany ny tetikasa fanotofana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka na ny fandrodànana ao amin’ny kianjan’i Mahamasina, izay sady misy fanimbàna ny lafiny maha-vakoka azy no tsy mitombina raha ny laharam-pahamehanana ho an’ny vahoaka malagasy no jerena.

Ny firenena eran-tany dia manao izay itahirizana ny vakoka nolovaina ara-tantara ho tombontsoan’ny firenena sy ny taranaka, ary raha toa ka misy ny tetikasa fanavaozana dia tandrovana mafy ny tsy hampiova ny endrika na ny rakitra ara-tantara voizin’ilay vakoka. Ary izay koa no hahafahan’ireo mpampizahantany mirehareha mitondra sy manazava ireo vahiny ny harena raiketin’ilay vakoka.

Ankehitriny dia sady tezitra no malahelo ny tena fa sendran’ny mpitondra adala, be setrasetra sy tsy manaja izany hasina izany intsony, na vakoka io, na andrimpirenana io, na lalampanorenana, na ny maha-olona, na ny manam-pahaizana… Maizina ny lanitra ary na ny tany aza nitaraina nihovotrovotra andro vitsy lasa teo. Soa fa mbola tsy azo foanana ny fananan-kevitra na dia misy aza ny ramatahora ataon’ny mpikarama an’ady sy mpisolelaka rehefa te-haneho hevitra tsy mety amin’ny fitondrana. Saingy ny zavamisy aloha dia tsy azo sakanana intsony ny fivezivezen’ny vaovao.

Raha idirana amin’ny antsipiriany ireto vakoka vitsivitsy ireto dia izao no zavamisy:

Ny lampan’Ambohitsirohitra dia noravàna ireo trano roa andaniny sy ankilay eo amin’ny fidirana.

Ny Rovan’i Manjakamiadana dia tefy voretra tsy manaja ny firafitra sy ny haingony teo aloha no nanaovana ny ao anatiny, ary noravàna ny dobo-dranon’ny mpanjaka Ranavalona III hanamboarana « Colisée ».

Ny Paositra Antaninarenina dia ovaina amin’ny endrika toy ny tranombaratra rehetra eny

Aleo àry hiteny ny sary !

Lanzelo

(Sary La Tribune de l’Art)

(Sary Hery Zo Rakotondramanana)

(Sary FB Rakibolana Malagasy)

(Sary MBS)

(Sary Musée de la Photo)

(Version française)
Que dire d’un président qui défigure un monument classé patrimoine national de son pays? Mais encore plus, un président mégalomaniaque qui contribue à des destructions patrimoniales volontaires sur des bâtiments officiels.

Des menaces pèsent actuellement sur le patrimoine de Madagascar, notamment sur celui de la capitale Antananarivo (Tananarive) et qui, elles, ne doivent rien à un accident. Il s’agit bien de destructions patrimoniales volontaires, menées sous la direction du gouvernement, sur des bâtiments officiels. Interrogée pour connaître les justifications de ce vandalisme, la présidence de Madagascar n’a formulé aucune réponse.

Le Palais d’Ambohitsorohitra
Une résidence présidentielle édifiée à la fin du XIXe siècle par l’architecte français Antony Jully, un beau bâtiment néo-XVIIe qui est – ou plutôt qui était – formé d’un corps principal et de deux ailes indépendantes, situées sur la rue de part et d’autre de l’entrée, et reliées l’une à l’autre par la grille d’entrée.
Les deux ailes sur rue viennent d’être détruites sans autre forme de procès, pour des raisons qui restent mystérieuses.

Le Rova de Manjakamiadana
Edification en deux étapes au XIXe siècle, d’abord construit en bois par l’architecte français Jean Laborde à la demande de la reine Ranavalona I, puis habillé d’une façade de pierre par l’architecte écossais James Cameron. Victime le 6 novembre 1995 d’un incendie dont la cause n’a pas été identifiée. Vol de la couronne de la reine Ranavalona III sous le régime de transition d’Andry Rajoelina.
Hideux bétonnage en règle avec un simili plafonnage et mural en bois industriel avec des motifs imitant grossièrement des figures artisanales de la marqueterie traditionnelle.
Construction d’un « Colisée » en place du bassin de Ranavalona III.

La Poste d’Antaninarenina

Très bel exemple d’architecture Art déco, pratiquement intact avant les travaux, édifice construit par l’architecte Jean-Henri-Alexandre Collet de Cantelou.
Les travaux en cours vont avoir pour effet de totalement supprimer le caractère Art déco pour transformer cela en… rien du tout, au mieux un édifice à l’esthétique de centre commercial.

Liens:

Liens:

La Tribune de l'Art
www.latribunedelart.com/le-patrimoine-d-antananarivo-en-danger

Le Rova d'Antananarivo
labodiplo.wordpress.com/2018/07/19/le-rova-dantananarivo-1ere-partie/

Rakibolana malagasy
www.facebook.com/100024998297580/posts/680469139463023

www.gvalosoa.net/2020/05/21/fitondrana-mpanimba-vakoka-destructeur-de-patrimoine-heritage-destroyer/
... TohinyFintinina

7 andro lasa

 

Comment on Facebook

Miasa RADAMA III

Tena filoha fahavalompirenena mihitsy fa tsy vitan’ny hoe adala fotsiny intsony. Raha fahagola izao efa notapahan-doha na nampisotroana tangena.

Aiza ireo zavatra nalaina tao @rova nentina fiara andro alina. Mbola masina ve ny toerana noho io fanimbazimbana io?Sa efa naverindreo amin'ny toerany ? Miaro ny vakoka fa tsy miaro an'i gasikara sy zeparsa. Ataovy sérieux. Avereno lay zavatra ho anizay namindra ireo fanahy ireo

Marary lotra ny fo manoloana izao fanapotehina ny tanindrazana izao...ka sarotra ny hipetra potsiny @zao , mba miangavy anareo ampita izao message izao ho @President Ravalomanana fa te hanolotra sosokevitra efficace entina andravana tanteraka izao adalana izao ny tenanay ! Efa maro ny antso avo nalefa....misaotra betsaka !

Tsy fantany angamba fa tsy fanao izany manimba vakoka izany...

+ View more comments

Androhibe - Laboratoara CDC lasa LA2M - Mamofona fifanolanana ara-tombontsoa na "conflit d’intérêt"

Notokanana tamin’ny taona 2018 ary niaraka tamin’ny tsangambato mihitsy ny Laboratoara CDC na Control Disease Centre Madagasikara eny Androhibe, ary fanananam-panjakana. Ny profesora Yoël Ralantomalala no angady nananana sy vy nahitàna azy ary tokony ho ivo toerana natao fanarahamaso ny aretina mifindra, toy ny pesta, ny raboka, ny vih/sida, ny filariose.

Ankehitriny anefa dia novaina ny anarana ka nanjary LA2M na "Laboratoire d’analyses médicales malagasy", ary dia verenana ho tokanana indray.

Fantatra ihany koa fa efa nisy laboratoara fanaovana "test PCR" tao amin’ny HJRA izay niandry fitokanana, ary efa vonona ihany koa ny teknisianina, saingy tamin’ny ora farany dia tsy tanteraka ny fitokanana.

Izao dia fantatra fa nafindra any amin’ity LA2M ity ny fanaovana "test PCR". Ary dia izao vonona handray fitokanana faharoa izao.

Ny mahagaga dia ivo toerana efa an’ny fanjakana tanteraka ity CDC ity, ka inona no antony nanovàna ny anarany ho lasa LA2M sy ny nandokoina azy amin’ny lokon’ny fikambanana misy ifandraisany manokana amin’ny filohampirenena.

Izay ve no antony nisian’ny disadisa teo amin’ny fanjakana sy ny Institut Pasteur (IPM), izay mbola tsy niravona hatramin’izao? Manao ahoana ny saran’ny fitiliana ato amin’ity laboratoara LA2M ity? Ny saran’ny fitiliana coronavirus dia 20$ na 80.000Ar. Ny IPM dia nanao ny fitiliana maimaimpoana hatreto ary tsy mbola nisy ny famatsiambola azony.

Vaovao MBS

youtu.be/VuJIAR1hwV4?t=331

www.facebook.com/MalagasyBroadcastingSystem/videos/671251067064903/

www.gvalosoa.net/2020/05/20/androhibe-laboratoara-cdc-lasa-la2m-mamofona-fifanolanana-ara-tombont...
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Vo ovina no nahazo famotsorankeloka d efa ndao sahady

Ataotaovy ao daholo ry zareo a!!!! Ianareo manko ilay race hijanona mandrankizay eto amin'ity tany ity dia amboary tsara fa avenir anareo io. Avy dia soraty amin'ny anaran'ny taranakareo sy ny fianakavianareo mianakavy koa ny zavatra tsara rht misy eto toy n hopitaly sns ...😂😂😂

Miezaka fona mamafa ny trace Pdt Hery Rajaonarimampianina ny mpitondra ankehitriny fa ts mahafafa.Ny antony ny marina dia ts ho voafafanao izany, ary hafa ihany ny mana-pahaizana toa an'i pdt Hery R. manangana tetikasa fa tsapanao mihintsy fa manana vision. Io lay vision 2030 !!! Merci RAJAO !!!

Za mo zany Tonga de tsy niteny tsony eh! za mba nanokatra fb kay nisy nahakobo le fika😂😂😂

Tsy handroso mihintsy ity firenena ity

ataovy iany e !!! tsy misy ho eo mandrakizay .....

kolikoly kolikoly. .

Vola, vola ......

Djoar Ramanankalahatra aty ny maso

+ View more comments

Fiarovana tombontsoana havana solombavambahoaka kestora, izay nahazo ny tetikasa fanamboarana ny tsena manara-penitry ny filoha hajaina mamimbahoaka, tokony hirefy 33mx25m; izany no nampiasàn’ny prefe herisetra, ka nandrodanana trano maro niorina tamina tany 2ha, izay nojarian’ny mponina amampolotaona, ary indrindra nahafatesana olona notifirina ankitsirano. Fanamparam-pahefana, fanabotriana olona, fanalàna ain’olona, izany no afitsoky ny prefe any Berary Ambovombe Androy.

Takiana amin’ny filoha hajaina mamimbahoaka araka’izany ny fampiatoana ny prefe izay nanome baiko hamono, ary handray ny fepetra handevenan’ny fanjakana ny maty satria izy no namono. Angatahina koa ny fanalàna ny governora. Hatramin’izao aloha dia fanambaniana ny amin’ny faritra no fandraisana ny tsy fisian’ny teny na kely momba ny zava-mitranga any an-toerana. Raha mbola mitohy ny tsy fihainoana ireto fangatahana ireto dia hazava fa firaisana tsikombakomba amin’ireto mpandrava, mpampaory sy mpamono olona.

Very trano ny olona, tsy misy hatoriana, miaina anaty tebiteby, rava fitaovam-pianarana ireto ankizy hanala fanadinana cepe, bepc sy bacc, ny fanampiana tsy misy. Miantso ny fifandraisantanan’ny rehetra amin’izao tsy rariny mianjady amin’ireto mpiray tanindrazana ireto, ary miantso koa ny fandraisan’ny BNGRC anjara amin’ny famonjena ireto fiankaviana ory.

youtu.be/cjBcBtjKOJ8

www.facebook.com/1089951131159908/posts/1670509693104046
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Tska rehetr afak manampy fa ts BNGRC irery iany

99 andro an-drizareo, fa ny 1andro ho an'ny larefo.Sokafo ny maso !!!

Miaiky aho fa tena matanjaka ianareo. Mahasahy mitifitra olona tsy manana basy, miaro ny fananany. Asanareo ny miaro ny vahoaka izao ianareo indray no mamono. Fitondrana inona re ity e?

Loza inona ty rey olona a?Mbola olombelona ihany ve reo mpanampatra fahefana reo e?

Fidio fon le num 13 fa masambtra ku

Loza

+ View more comments

Mankasitraka! Sady tsy mitangorona no tsy reraka. Tsara ianaran’ny mpitondra izao.Mbola mitohy hatrany ny fizarana vatsy hoan'ireo Zokiolona eto amin'ny Boriborintany fahatelo izay avy amin'ny Solombavambahoaka Feno Ralambomanana
Zokiolona miisy 67 indray no nisitraka izany vatsy izany androany ary hita fa tena faly tokoa izy ireo raha nandray izany.
Marihana moa fa haterina eny amin'ny tokantrano izay misy azy ireo ny anjarany ary nosokajiana manokana ireo Zokiolona hita fa tena marefo sy sahirana
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

zao no mety ,,

Sady tsy misy fahamatorana no mamono ny hasin’ny asa fampianarana ny fanapahankevitra raisin’ny fitondrana Rajoelina.

Samy iharan’ny fahasahiranana daholo na ny mpampianatra, na ny mpitarika posy na ny mpivarotena vokatry ny aretina mandoza, saingy ilaina fandajalanjana ihany ny fanapahankevitra raisina.

24.000 ariary izay efa zon’ny mpampianatra dia mbola gidragidra ny fandraisana azy. Tsy vitan’ny sarotra fa raha ampitahaina ny 100.00 ariary nampanantenaina ireo mpivarotena, dia mampametra-panontaniana eo amin’ny lanja sy hasin’ny fampianarana ampitahaina amin’ny filàn’ny nofo.

Tsy misy hatakandro no tokony isitrahan’ireo mpampianatra ny 24.000 ariary satria efa zo io.

youtu.be/HqVFmUkh_I0?t=1264
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

 

Comment on Facebook

Mahamenatra!

Fitondrana tsisy cerveaux

Ka ireny olona makorelina mpanenjiika boîte ireny no nihazakazahana nomena fanapina mialoha ny fotoana.Ts mahagaga mihintsy raha toy izao ny fandehan-javatra eto Dago...

Indrisy

Angamba anisany nividy teny izy fahiny dia tsy mba adinony satria nisy nitatara olona angamb i kala hany rhf nitindr izy dia la laharam_ pahamena ny mpivarotena

Normale f diniho lalina dia lalina anie maha tonga anzany eh!?satria izy tsy......

mpivarotena laharam pahamehana

+ View more comments

Ho sahin’ny filoha hajaina mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina ve ny hamela ny solombavambahoaka TIM Fidèle Razara Pierre haneho ampahibemaso fa mpanao politika maloto sy mpanoso-potaka ireo mpanohana azy?

Hisafidy ny marina izay hanala baraka sa hanao sary tsy maheno hiarovana ireo maloto saina?

bit.ly/3g2nWz2
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Ho sahin’ny filoha hajaina mamimbahoaka Andry Nirina Rajoelina ve ny hamela ny solombavambahoaka TIM Fidèle Razara Pierre haneho ampahibemaso fa mpanao politika maloto sy mpanoso-potaka ireo mpanohana azy?

Hisafidy ny marina izay hanala baraka sa hanao sary tsy maheno hiarovana ireo maloto saina?

https://bit.ly/3g2nWz2

 

Comment on Facebook

TOKON DIA VAKIO SARIMBILAN DEP FIDL

Mba azavao kely misimisy azafady

Mise en scène

Alefaso Del rehefa hanendrikendrik'olona ah !

Alefaso hohenoina e ampahafirin NY fandikana lalana vitan ireo izany alefaso ledel a

+ View more comments

Zava-doza ny kolikoly (tohiny).

Transparency International Initiative Madagascar
⚠ ZARAZARAO sy AMPITAO ARAK'IZAY TRATRA ity VIDEO kely fohy ity. 🎞

Amin'izao ady amin'ny Coronavirus izao,
Ny tsy fisian’ny mangarahara sy ny tamberin’andraikitra dia mety hampiroborobo ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefana.
Zonao ny mitaky izany na anaty hamehana aza.
Tandremo ihany koa ny vaovao sandoka ary aza manaiky rebirebena fa fakafakao tsara.
Ry mpitondra sy manam-pahefana isantsokajiny :
Tandrovy ny mangarahara! arovy ny fahafahana sy ny zon’olombelona!
Ianao Olompirenena (ihany) koa:
Raiso ny andraikitra!
Raha sendra kolikoly ianao :
Antsoy na mandefasa sms aty amin’ny Transparency International Madagascar amin’ny laharana 034 17 562 75
Tadidio fa “Virus” mahafaty toy ny covid-19 koa ny kolikoly!
Meteza hiambina hiaraka aminay

#COVID19
#Mangarahara
#MiambinaIzahay
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Zava-doza ny kolikoly.Mahafaty toy ny covid19 koa ny kolikoly!
Namolavola Boky kely "Torohay ho an'ny olompirenena iadiana amin'ny kolikoly ao anatin'ny covid-19" ny Transparency International - Initiative Madagascar, tohanan'ny Masoivoho Soisa. Nampafantarina ny daholo be izany androany teto amin'ny biraon'ny TI-MG, tamin'ny alalan'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ary nozaraina teny an-dalambe ho ampiasain'ny rehetra.

Ity ny rohy ahazoana ilay "Torohay". Afaka manantona ety amin'ny biraonay ihany koa ianao raha mila izany.
www.transparency.mg/assets/uploads/page_content_document/torohay-ho-an-ny-olompirenena.pdf
---------------------------------------
La corruption est invisible, tout comme le covid-19. Pourtant, ces deux fléaux produisent l’un comme l’autre des effets dévastateurs sur les sociétés qu’ils rongent. Madagascar n’y fait malheureusement pas exception. Il faut donc redoubler d’efforts pour venir à bout de cette double menace qui pèse sur le pays. Soucieuse du fait que l’état d’urgence sanitaire dans lequel se trouve aujourd’hui le pays puisse attiser l’appétit d’individus peu scrupuleux, désireux de s’enrichir à tout prix en profitant de la situation, Transparency International – Initiative Madagascar (TI-MG) a décidé d’agir, avec le généreux soutien de l’Ambassade de Suisse. L’association a élaboré un Guide anti-corruption dans le contexte du covid-19 à Madagascar. Une conférence de presse s'est donc tenue aujourd'hui dans les locaux de TI-MG afin de présenter ce Guide aux citoyens.
www.transparency.mg/guidecovid19

#COVID19
#AdyAmin_nyKolikoly
#Soisa
#Torohay
#TransparencyMG20Years
#Mangarahara
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Seho teto Antananarivo androany maraina 18 mey 2020.Vao minitra vitsy.
Lehilahy mitsirara amin' ny tany eo anoloany Pharmacie de la Capitale ( Ankazomanga) . Sempotra ary tsy azo kitihana hoy ny mpitandro filaminana
... TohinyFintinina

1 herinandro lasa

Seho teto Antananarivo androany maraina 18 mey 2020.

 

Comment on Facebook

Nga lany sahady ary ny tambavy e!

Refa sempotra zany de oe covid19 foana?? Lol

Enga anie ka tsy hitovy 31 janvier 2020

Ny pharmacie ve na ny hafa tsy mba afaka maka fepetra miantso BMH na pompier?

+ View more comments

Nisy olona iray matin’ny Covid-19 tany Toamasina.MATIN'NY CORONAVIRUS : Olona iray no matin'ny Coronavirus tany Toamasina ny sabotsy hariva.Lehilahy 59 mpiasan'ny fahasalamana,izy ity . Mpiambina parking tao amin'ny hopitaly Toamasina.Fantatra fa nisy tosidra sy diabeta ratompokolahy, ary anisan'ireo narary mafy na tratry ny forme grave notsaboina tao Toamasina.Ity lehilahy ity izany no voalohany matin'ny Coronavirus teto Madagasikara.

TRANGA VAOVAO
Nisy tranga 21 vaovao kosa tamin'ny fitiliana natao omaly ka ny 15 hita teto Antananarivo,izay marihana anefa fa olona avy any Toamasina avokoa no tonga teto Antananarivo, hoy ny Pr Vololontiana Hanta.Ny 6 kosa dia tranga hita tamin'ny fitiliana natao tany Toamasina.Miisa 304 izany no voan'ny Coronavirus eto Madagasikara nanomboka ny 19 martsa ka hatramin'ny 16 mey tamin'ny 6 ora hariva.
... TohinyFintinina

2 herinandro lasa

Nisy olona iray matin’ny Covid-19 tany Toamasina.
Load more