EDITO 7 Desambra – Ho fametrahana amboletra an-dRajoelina – Hiverina ho zanatany amin’ny endriny maoderina i Madagasikara

Isambilo

Hiverina ho zanatany amin’ny endriny maoderina i Madagasikara, raha ho tafapetraka amboletra amin’ny fomba ofisialy ihany ny filoha napetraky ny CENI sy ny HCC tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna Andry Rajoelina, amin’ny 16 desambra ho avy izao. Ny antony dia satria olona tsy mizaka ny zom-pirenena Malagasy intsony no ho filoha.

Araka ny lalàna misy eto amintsika tokoa ary efa averimberina hatrany, very ny zom-pirenena Malagasin-dRajoelina, satria ninia nangataka zom-pirenena Frantsay izy. Ny fitsarana misy eto amintsika dia ninia nikimpy ka mbola namela ny Vazaha Andry Rajoelina nirotsaka hofidiana ihany tamin’iny fifidianana amboletra vita iny. Ny ankamaroan’ny Malagasy mpifidy dia tsy manaiky an’izany, nasehony izany tamin’ny tsy fahatongavana nifidy tamin’iny andron’ny 16 novambra lasa teo iny. Vitsy ny taha-pandraisan’anjaran’ny mpifidy manerana ny Nosy, saingy nabontsin’ny CENI sy ny HCC izany tamin’ny alalan’ny rindram-baiko, izay fitaovana efa nentin’izy ireo hanovana ny tena vokatra marina tamin’iny fifidianana filohampirenena fihodinana voalohany iny.

Amin’ny vondron’ny kandidà 11 toy ny tsy misy iny fifidianana iny ary mitohy ny tolona hoy izy ireo hamerenana ny fahamarinana sy ny tany tan-dalàna eto amintsika. Ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna tanteraka tokoa ny firenena amin’izao fotoana, raha tsy hilaza afa-tsy i Andry Rajoelina any Dubai, mbola tsy vita fianianana akory dia efa misolantsolana tonga any amin’ny fihaonambe iraisam-pirenen’ny COP 28 any amin’ny Emirat Arabo Mitambatra izy, milaza fa mitarika ny delegasiona Malagasy hono.

Amin’ny maha-Frantsay taratasy an-dRajoelina amin’izao fotoana, tsy hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy izany mihitsy ny tenany, fa ny tombontsoan’ny firenena nanome azy zom-pirenena no tsy maintsy lolohaviny an-tampon’ny loha. Tsy hanaiky izany Vazaha Frantsay hitondra azy izany ny Malagasy rehetra tia ny tanindrazany, sy manaja ny tolona nataon’ireo ray aman-dreny tamin’izany fotoana tao amin’ny Jina, ny Panama, ny VVS, Ny Menalamba, ny MDRM,…