Kandidà filoha Rajaonarimampianiana – Mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona

Niaina

Manoloana ny sarintsarina voka-pifidianana navoakan’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny herinandro lasa teo, nisy ny fanambarana nataon’ny kandidà filoha Hery Rajaonarimampianina, izay ao anatin’ny vondron’ny kandidà 11 ihany koa. Mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona hoy izy. “Anjarantsika no mametraka lova tsara ho an’ny taranaka, mametraka Firenena vanona ho lovain’izy ireo. Tsy hiray tsikombakomba amin’ny famotehana ny Tanindrazana, tsy ho mpiray antoka amin’ny fanimbana ny hoavin’ny taranaka sy ny Firenena isika, fa hijoro hatramin’ny farany, hiady sy hitolona, hanavotra sy hanarina ny Tanindrazana sy ny Taninjanaka. Antsika malagasy i Madagasikara fa tsy an’olon-tokana. Mitohy arak’izany ny tolona ataontsika, koa miantso ireo hery velona rehetra eto amin’ny Firenena hitsangana sy handray ny andraikitra tandrify azy avy. Tsy maintsy mandresy isika ary tsy maintsy firenena tena mahaleotena amin’izay i Madagasikara.’’ Manana 11 andro ny vondron’ny kandidà sy ny tolom-bahoaka hatao, ka ho hitantsika eo ny ho tohin’izany.