Ho an’ny vahoaka maro an’isa – Tsy maintsy hihodina ny kodiaran-tsarety

Sôh’son

Maneho ny heriny sy fahefany ary ny volany ankehitriny ry Rajoelina Andry sy ireo miray petsapetsa aminy rehetra nampandany azy, tamin’ny fifidianana amboletra teo, izay tsy madio ary tsy eken’ny rehetra. Nampiasain’izy ireo ary natao fitaovana araka izay nitiavany azy ny zandary sy ny polisy ary ny miaramila, mba hamoritra ny vahoaka nitaky ny hamerenana an’ity firenena ity ho tany tan-dalàna. Dia niharihary tsara ireny ny fihetsik’ireto tsy afaka hisaina afa-tsy ny baiko omena azy, ka nampiasa hery niharo habibiana mihitsy tsy hiahotra na handratra na hamono na hisambotra sy hanagadra.

Ankoatra ireo fanimbana fitaovan’olona izay hetraketraka fotsiny izao, ary tsy toy ny Malagasy intsony tao anatin’izany ny tenan’izy ireo. Tsy teto an-drenivohitra na Antananarivo ihany no nisian’izany fihetraketrahana izany, fa hatrany amin’ny faritra samihafa nanerana ny Nosy. Ny tanjon’izy ireo amin’izany, dia ny hibeda mandrakariva ny fahefana sy ny fitondrana amin’ny alalan’ny famoretana ny vahoaka malagasy, indrindra ireo manohitra izao fakàna fahefana ao anaty tsy fahamarinana izao, ka manao izay fomba rehetra hampangina azy. Anisan’izany ny fanaovana ramatahora ireo mpitarika sendikà eto amin’ny firenena, dia ireny nisy fampiantsoana sy natao fandihadiana teny amin’ny tobin’ny zandary manadihady ny heloka bevava ireny, sy taorian’izany nampiakarina fitsarana mihitsy. Hatramin’ny mpitondra tenim-bahoaka aza, solombavany, noritina sy nosamborina toy ny jiolahy sy notanana teny amin’ny tobin’ny zandary nandritry ny andro maro, kanefa ao anaty fotoam-pivoriany, sy ireo tranga maro samihafa izay niaraha-nahita sy niaina.

Mihevitra tanteraka Rajoelina sy ireo mpomba azy rehetra, fa azy ireo ny hery sy ny fahefana ary ny vola, ka tsy misy mahatohitra azy. Afaka manao izay maha diavolana ny sainy sy ny danin’ny kibony izy ireo ao anatin’izany, ary atao izay hampanarahana ambokony ny vahoaka ka tian-kano, tsy tian-kano, fa efa voageja tanteraka, sy efa voasaratsaraka amin’ny resaka politika. Heviny manokana izany, fa an’ny vahoaka ny teny farany, satria izy no tompon’ny fahefana. Mihevitra sy manao izay hitoerana eo amin’ny fitondrana ireo olom-bitsy ireo, kanefa tsy ho mandrakizay izany. Toy ny kodiaran-tsarety izy ity, izy ireo eny ambony, fa ny vahoaka tsy manara-dia sy indrindra ireo manohitra azy eny ambany. Tsy maintsy hihodina io kodiarana io na tiana na tsy tiana, fa tsy kodiarana mihitsoka akory io. Tsy azo amboamboarina ho lasa efamira, ohatra io. Tsy maintsy hivadika ny rasa, satria tsy mbola izao no farany. Ary raha mbola misy koa ny farany tsy ho foana ny fanantenan’ny maro. Misy fotoanany ny zava-drehetra.