IREO MPITANDRO FILAMINANA

Raha tsaraina ny asa vitan’ny mpitandro filaminana,
Dia ho maro, tena maro ireo tsy ho afa-panadinana,
Fa ny fomba amam-panaony, tena mahavaky vava,
Tsy sokajin’ny mpandamina fa ny sefon’ny mpandrava!

Ireo heverina ho lohany sy miravaka girady
No mazàna misy toetra hita ho mamoafady.
Ilay « ho an’ny tanindrazana », tena zary tsy ao an-tsainy,
Fa ny hanompo mpanambola, izany izao no tena hainy!

Raha ireny no miteny hoe ‘ndeha lelafo ny maloto,
Dia manaiky an-tsitrapo ireo efa zatra lohamboto!
Ny hany masaka ao an-tsainy,vola ihany, vola hatrany,
Tsy ahoany ireo vahoaka efa mandady amin’ny tany!

Mihamitombo tsy mijanona ireo dahalo sy malaso,
Misy ireo mangala-taova sy manendaka voamaso.
Tena ilaina ireo bebasy hiaro ny eny ambanivohitra,
Saingy Analakely no hitany hihazàna ny mpanohitra!

Tsy ny hiaro ireo vahoaka, tsy izany velively
No manesika azy hijoro raha ny feo sy sary miely,
Fa ny hiaro ireo mpitondra efa tsy manana fanahy,
Ka indro miaraka mitsindroka amin’iretsy jiolahy!

Tsy ny « ho an’ny tanindrazana », tsy izany intsony aloha
No tarigetran’ireo sasany efa tena maivan-doha,
Fa ny hiray tsikombakomba dia hiaraka hihinana,
Izany sisa ankehitriny ireo mpitandro filaminana!

DADAN’i ZINA (03-12-23)