EDITO 9 Desambra – Mila sakanana ny hilentehan’i Madagasikara

Sôh’son

Mitohy hatrany ny fanilatsilahana ny vahoaka ka manamafy ny fipatitahany. Efa nandritry ny taona maro no nisian’izany, niha-nibaribary tamin’ity taona 2023 ity nialoha sy nandritra ny fifidianana amboletra natao teo iny ka mandraka ankehitriny. Niseho izany tany amin’ny fotoanan’ny fihanaky ny valanaretina teto amin’ny firenena ka nanomezana tolotra ireo nambara ho sahirana ara-pivelomana kanefa tsy izay loatra no nitranga, fa nisy aza fianakaviana tena sahirana sy nila fanampiana mafy tamin’ireny fa tsy nisitraka izany. Efa teo rahateo moa ny natao anjorombala sy nailika noho ny tsy fitoviam-pijery ara-politika eto amin’ny firenena sy ny amin’ny tokony hitantanana ny firenena. Efa nandritry ny taona maro no nisy fizarana roa ny lalana nalehan’ny mpiray firenena, fa tsy iray dia hany ka tsy atao hahagaga raha tsy tratra izay tanjona nambara sy niedinedenana hatrany ivelany. Tsy atao hahagaga raha toy izao no manjo ny firenena sy ny toerana misy azy satria tsy maintsy misy voka-dratsiny ny politikan’ny fiheverana, fa mety ny hizarazarana ny vahoaka ka misy omena tombon-dahiny manokana satria misolelaka sy manasohaso ny mpitondra sy mety aminy.

Dia ireny niaraha-nahita sy nandre ireny indray ny vao nitranga ny alakamisy lasa teo. Dia misy faly ery amin’izany sy mihoby ny mpanome zavatra azy, kanefa asa raha mba fantatr’izy ireny ny ho vokany, izay efa misy mitranga amin’izao fotoana izao. Toy ilay sambo lehibe “Titanic” nidona tamin’ny vaingan-dranomandry lehibe i Madagasikara ny zava-mitranga ka tsy avy dia ho vaky tanteraka sy hiditra ny rano, ary ny farany ho rendrika tanteraka. Mila fanafodiny haingana ny zava-misy raha tsy tiana ny ho tonga amin’izany. Kanefa raha mbola mikiry biby manohy ny ataony ny eo amin’ny fihazonam-pahefana sy fitondrana dia tsy maintsy ho izany ihany no iafaràny. Sa efa izay no tiana ho tonga eto? Sanatriavina izany, ary mbola misy ireo olom-pirenena miezaka mifofotra mafy hiaro ity firenena ity na nioezahina notakonana, notampenam-bava sy natao izay hiforetany eo.