Tsy vitan’ny ven’ny tanàna Vazahabe – Mantsina tsy laitra iainana Antananarivo Renivohitra

Helisoa

Nandritra ny fitondràn’ny ben’ny tanàna Vazaha be Naina Andriatsitohaina, nandritra izay 4 taona izay dia miaina ao anaty fako misavovona Antananarivo Renivohitra. Hafa anefa ny teny natao nandritra ny propagandy tamin’ny fotoan’androny, fa sahy nilaza ampahibemaso fa tompon’andraikitra ny ben’ny tanàna raha misy fako eto andrenivohitra. Nilaza mihintsy izy tamin’izany fa atero any amin’ny lapan’ny tanàna ny fako raha toa ka misy. Antananarivo madio sy milamina no ataontsika rehefa tonga eo amin’ny fitondràna aho hoy izy. Inona no misy ankehitriny? fako masiso tsy laitra iainana no misy manerana ny faritra maro .

Izay andehanan’ny mpitondra teo aloha mba nesorina ihany ho takon-kenatra, fa ny any amin’ny tsy hita maso dia tena mampiteny ny moana. Nisy ny mpanao politika efa nitondra fako teny amin’ny lapan’ny tanàna, fa valy boraingina sy teny mamazivazy no nambaran’i Vazahabe tao amin’ny tambazotran-tseraserany. Izao milaza hitondra fako eny amin’ny lapan’ny tanàna koa ny Apostoly Tsaratsara, ka asa izay ho fandehany? Nandritra ny fitondràn’i Vazahabe dia toy ny tsy misy mpitondra Antananarivo Renivohitra, nefa samy volomboasary ny mpitondra foibe sy ny tenany. Toa manome lalana ho an’i Andry Rajoelina amin’izay tiany atao sisa ny andraikitra ataony, fa tsy misy mihitsy ny fampandrosoana ny tanàna. Izao ka lasa Antananarivo “masiso” no teny filamatra ilazan’ny maro ny Renivohitr’i Madagasikara. Resin’ny ben’ny tanàna teo aloha Lalao Ravalomanana mihitsy amin’ny lafiny fampandrosoana ny amin’izao, na vehivavy tsy mba nahazo famatsiana ara-bola tamin’ny fitondràna foibe aza ny tenany tamin’izany.