Nosy-Be – Hanohy ny tolona nataon’i Ninie Donia ny zanany

Stefa

Nanambara ny zanak’i Ninie Donia tao amin’ny kaontiny amin’ny tambazotran-tserasera sosialy, fa hanohy ny tolona nataon’ny reniny. Tolona ho an’ireo vahoaka nalain’ny sasany ny taniny no ho tohizany amin’izany, tolona iadiana amin’ny tsindry hazolena mahazo ireo mponina any amin’ny Nosy Manitra ataon’ny mpanambola vahiny sy tompon-tany miray petsapetsa aminy any an-toerana. Nanambara i Jean de Dieu zanak’I Ninie Donia fa: “nianiana teo anoloan’ny fasan’i Mama aho ho tohizako ny tolona izay nataony, hamafisiko fa hiasa aho hamita izay natombony. Tahaka ny reniko, ny fahafatesana ihany no mahasakana ahy. Ho avy tsy ho ela aho ry vahoakan’i Nosy-Be. Mitohy ny tolona”, hoy ny fanambarany.