MATAHOTRA ADINA AM-BAVA ?

(sary Tia Tanindrazana)

Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Ka dia matahotra hadinina am-bava?
Sa tena governemanta miveraka
Sy efa tsy zatra ny lala-mazava?

Ireo olom-boafidy no tena atahorana
Fa maro loatra ireo ratsy efa vita?
Mampiaiky ny lotonareo fozaorana,
Ka dia afenina mba tsy ho hita?

Dia any amin’ny adina an-tsoratra sisa
No indreo mifanoro, manomana paika,
Mba hoenti-manarona ny disadisa,
Sy ny fanakianana mahery vaika?

Kanosa daholo ireo mpanatanteraka
Nony mba mihaona amin’ny olom-boafidy?
Sa be ny natao ka manomboka ho reraka,
Dia mitsoatsoaka mandositra adidy?

…Jereo i Gasikara fa io miady gisitra,
Ny olana koa dia tsy misy voavaha.
Mba mieritrereta ianareo ry minisitra,
Sy ny mpanohana filoha vazaha!

IRINA HO TAFITA (06-12-23)