MADAGASIKARA AN’NY MALAGASY

Hiverina ho zanatany indray i Madagasikara,
Io no sary mahonena izay manomboka ho tazana.
Efa indreo mihirahira ny olona tsivalahara,
Efa indreo mitehatehaka ny mpivaro-tanindrazana!

Miomankomana daholo iretsy mpiaraka miletra,
Ny mpanohana andry boboka sy ‘reo olona voavidiny,
Ary hitohy ny asa maloto sy ny bizina voretra
Ka vao mainka hitombo isa ireo mahantra faraidiny!

Tsy ny ho an’ireo vahoaka na ny hikendry izay hiadanany
No imasoan’ireo mpitondra sy ireo manan-toerana avo,
Fa dia tena ny hampitombo ireo harena sy fananany,
Ka handeha indray ny herisetra miampy ny tsindrio fa lavo!

…Hiverina ho zanatany indray i Madagasikara
Ka dia miantso anao izay mbola mihevi-tena ho malagasy.
Mijoroa f’aza matory, ‘ndao hanova ny tantara,
Na hidoboka ny baomba, na hirefotra ny basy!

Na hitohy ny herisetra sy karazam-pandrahonana,
Na hiseho ny fanambazana sy ny fividianana olona,
‘Ndao hanandratra ny marina, ao ve ny fahavononana?
Aoka tsy hikoso-maso, ‘ndao hiaraka hitolona.

Firenena tan-dalàna, miaina anaty fahamarinana,
Izay no ‘ndeha hiombonantsika ka mifanolora tanana.
Aoka tsy hitazam-potsiny, ampy izay ny fahanginana,
Fa i Madagasikara firenena iaraha-manana.

Ka holavina tanteraka ny olon’ny mpanjanatany,
Tsy hisetrasetra intsony na hibahana eto an-dasy.
Raha izay hoe filoha vazaha dia tena tsy azo ekena izany.
Isika tsy baikoin’ireny, olona afaka ny gasy!

TSIMIMALO (05-12-23)