Nanao ny nataony ny herim-pamoretana – Voatohintohina indray ny fahalalahana maneho hevitra tany Diégo

LW

Voatohintohina indray, ny fahalalahana maneho hevitra tany Antsiranana faritra Diana ny alahady teo. Voasakana tsy afaka nivory tao amin’ny foiben-toeran’ny Tiko Antsiranana ny Jeune TIM any an-toerana. Rakotra mpitandro filaminana ny foiben’ny TIKO Place Kabaro Diégo, izay misy ny Radio MBS Antsiranana ihany koa ny alahady tolakandro teo. Nikasa hivory tao ny Jeunes Tiako i Madagasikara Antsiranana, saingy tsy afaka nanatanteraka izany izy ireo. Fanampenam-bava izao hoy ny mpitarika ireo tanora any an-toerana, satria samborina izay mihetsika, sakanana ireo manao fivoriana politika nefa amin’ny toerana mifefy. Noho izay antony izay voasakana koa ireo olona tokony handefa annonces na filazana samy hafa, dédicace na hira namelan-kafatra, publicité na dokam-barotra tao amin’ny Radio MBS Diégo. Voabahana tanteraka ny vavahady fidirana tao amin’ity onjampeo tsy miankina akaiky ny mpanohitra ity, saingy misokatra amin’ny sokajin’olona rehetra.