Ady hevitra nokarakarain’ny FES – Ho voafidy Rina a !

Isambilo

Notanterahana tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely omaly ny ady hevitra andiany faha-2 eo amin’ireo kandidà miisa 5 mifaninana ho ben’ny tanànan’Antananarivo. Nikarakara izany ny fondation allemande: Friedrich Ebert Stiftung na FES. Fahefana tokana, kandidà 5: vina, hevitra, tetikasa ho an’Antananarivo Renivohitra no loha-hevitr’izany ady hevitra izany omaly.

Nizara roa ny ady hevitra, ny tapany voalohany dia ady hevitra teo amin’ireo kandidà niaraka tamin’ny mpanentana, ny tapany faharoa kosa dia afaka nametraka fanontaniana ireo mpanatrika. Samy manana ny paikadiny ireo kandidà ho ben’ny tanàna ireo, fa tokana ny tanjon’izy ireo dia ny ho ben’ny tanànan’Antananarivo, hitondra fampandrosoana ho an’ny tanàna, sy ny mponina ao aminy. Samy nitondra ny vinany tamin’izany ireo kandidà, samy nitondra ny maha-izy azy, ny politika sy ny paikadiny, ny programan’asany sy ny ho fanatanterahana izany.

Anisan’ny loha-hevitra novahavahan’ireo kandidà koa ny ho fandraisan’anjaran’izy ireo amin’ny toetra vaovao tokony hananan’ny mponin’ny Renivohitra. Ny ho fifandraisana eo amin’ny ho ben’ny tanàna vaovao sy ny mponina. Ny vina eo amin’ny fifandraisana eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny fitondrana foibe, ary ireo tetikasa vaovao hoentin’izy ireo avy ho fanavaozana ny ao anivon’ny fiadidiana ny tanàna. Niavaka Rina Randriamasinoro N°2 nandritra izao ady hevitra teo amin’ireo kandidà izao, manana vina lavitra izy, manana programanasa mitombina sy tena azo tanterahana fa tsy manidina sy misavoamboana toy ny an’ny sasany ary hahazo tombontsoa amin’izaany avokoa n any vahoakan’ny Renivohitra, na ny tanàna, na ny mpiasan’ny kaominina, ireo rehetra mivelona sy miaina eto amin’ity Renivohitr’i Madagasikara ity.

Raha ny notarafina tamin’iny ady hevitra omaly iny, sy toy ny tamin’ny herinandro lasa teo, tamin’ny Donakafon’Antananarivo dia ho voafidy Rina a! latsa-bato sisa handrasana ny alarobia 27 novambra ho avy izao.