Kandidà Rina N°2 – Manana vinam-piarahamonina voahevitra sy mamaly ny filan’ny mponina

Stefa

Mitohy ny fidinana ifotony eny amin’ny faritra iva eto Antananarivo Renivohitra ataon’ny kandidà Rina N°2. Notsidihany tamin’izany omaly ny teny Ampefiloha, Antetezana afovoany, Andavamamba, Anatihazo, Manarintsoa, Andavamamba Anjezika, nijery ny olana mianjady amin’ny mponina any amin’ny faritra iva ity kandidà ho ben’ny Tanàna ity sy ny kandidà mpanolotsaina TIM. Nihaino ny hetahetan’izy ireo ary mandroso vahaolana avy hatrany. Voatetin’i Rina avokoa ireo elakelantrano anaty tanàna rehetra ao amin’ny boriborintany voalohany.

Manana vinam-piarahamonina voahevitra sy mamaly ny filan’ny mponina i Rina. Harovana ny tany sy ny toeram-ponenan’ny mponina, hatsaraina mba hananan’izy ireo fiainana mendrika. Hatsaraina avokoa ireo lakandrano mamakivaky ny tanàna hahafahan’ny rano mikorina tsara, vonona hiara-hiasa amin’ny fanjakana i Rina amin’ny fanatanterahana izany ho an’ny tombotsoam-bahoaka. Mbola betsaka ny mponina mivelona amin’ny fambolena sy ny fiompiana eto andrenivohitra, tsy maintsy harovana izy ireo, hoy i Rina, nandritra ny fitsidihany teny amin’ny fokontany Ankeniheny, Ampandriambehivavy, Ambaravarankazo, izay nojereny koa omaly, ao amin’ny boriboritany faha-6.

Ny sabotsy izao etsy Ambohijatovo ny faradoboka ho an’ity kandidà natolotry ny antoko TIM sy ny filoha Marc Ravalomanana ity, hisy ny carnaval hiainga etsy Ankorondrano hihazo an’Ambohijatovo mandritra io fotoana io. Sabotsy tontolon’ny andro izany mifankahita etsy Ambohijatovo.