Rina N°2 Antananarivo – Programa mitombina fa tsy misavoana sy mampanonofinofy

Isambilo

Fokontany maromaro tao amin’ny boriboritany faha-2 sy faha-3 indray, no nanaovan’ny kandidà ben’ny tanàna avy amin’ny Tiako i Madagasikara (TIM) eto Antananarivo Renivohitra Rina N°2 fampielezan-kevitra omaly sy afak’omaly.

Nihaona tamin’ny mponina teny amin’ny faritra Ambohitrakely, Avaradoha, Besarety ao anatin’ny boriboritany faha III indray ny kandidà Rina RANDRIAMASINORO sy ny kandidà mpanolotsaina TIM omaly. Nafana aoka izany no nandraisan’ny olona azy teny an-toerana. Maro tsy tambo isany ireo olana mampijaly ny mponina ao amin’ny boriboritany faha III, toy ny lalankely, ny tatatra tsentsina, ny fanasan-damba sns… Mamaly ireo olana tena mianjady amin’ny mponina ny fandaharanasako hoy Rina nifampitafa tamin’izy ireo, fa tsy tetikasa misavoamboana sy mampanonofy. Tsy ambaka amin’izany ihany koa fa dia nifanotofan’ny olona i Rina nandritra ny fandalovany teny amin’ny faritra Ambohitsoa, Ankazolava Ambohibary, Ampamantanana ary Androndra teny amin’ny boriboritany faha-2 afak’omaly. Ny olan’ny fitobahan’ny fako eny amin’ny dabam-pako, ny fahatapahan’ny jiro ary ny tsy fisian’ny rano, ireo no fitarainana nampitan’ny mponina tamin’i Rina teny an-toerana.

Tsy hiandrasana fanjakana intsony ireo olana mbola azo vahana hoy i Rina, fa efa misy ireo paikady matotra hiatrehana izany. Mbola nanome toky ny mponin’ny boriboritany faha 2 ny filohan’ny TIM Marc RAVALOMANANA, fa olona azo antoka i Rina ary mahavita mamaha ny olana mianjady, amin’ny alalan’ny fandaharanasa harosony. Mametraka ny fitokisana amin’ny Kandida ho ben’ny tanàna laharana faha-2, Rina RANDRIAMASINORO ny mponina eto andrenivohitra, mila manova fijery isika, tsy ho voasanda vola na zavatra mandritry ny fampielezankevitra fa hijoro amin’ny tena safidy, havitrika amin’ny fandehanana mifidy ary hifanome tanana amin’ny fiarovana ny safidy hoy ny kandidà Rina tamin’ireo olona maro nihaino azy.

Anisan’ny fandaharan’asan’i Rina rehefa lany ben’ny tanàna soa aman-tsara izy ny fanazàvana ny tanàna sy ny elakelan-trano, ny fanangànana bassin- lavoir na toeram-panasan-damba sy toeram-pidiovana.