Antananarivo Renivohitra – Mirona mankany amin’i Rina ny fon’ny mpifidy

Rajaonarimpanontsana

Angaredona, tambabe, kibay ary teny ratsy sisa no tsy nivoaka. Izany ny kisary hitan’ny mponin’Antananarivo Renivohitra ampiharina amin’ny Kandidan’ny TIM, Rina Randriamasinoro amin’izao fifidianana Ben’ny Tanàna ho avy izao, ataon’ireo mpifanandrina aminy. Na eny amin’ny sehatry ny gazety, haino amanan-jery isan-tsokajiny na eny amin’ny tambazotra izany. Mandany vola amina miliara mihitsy ireo mpifanandrina aminy. Ampiasain’izy ireo ny vola sy fitaovana anaratsiana ity kandida heverina fa atahorany ity, ka dia atao avokoa izay fomba rehetra handotoana azy.

Mety handaitra amin’ny ampahany angamba izay amin’ireo takon’ny volabe, fa ny mponin’Antananarivo kosa, efa resy lahatra fa tsy handairan’ny fampanantenana poakaty. Tokana ny safidiny, dia i Rina Randriamasinoro no Ben’ny Tanàna eto an-drenivohitra. Ny fihetsika ivelany, toy ny fisehosehoana Makety, fizarana vola na zavatra etsy sy eroa; raisin’ny olona tokoa ireny, fa indrindra ireo mpomba ny IRD miaradia amin’ny Andry Rajoelina sy ireo mpitady seza ary mpila ranondranony, efa jamban’ny fampanofisana isan-karazany. Tsy atao mahagaga raha mivoaka avokoa ireo fitaovana raitra, vokatry ny fampiasam-bola goavana, hambaboana ny vahoaka izay efa tena latsaka anaty fahasahiranana lalina. Ireo mpanao politika sasany aza moa voaraviravin’ny volan-dRampanana, ka vao mainka fa ireo olona efa nampahantraina, nanomboka hatramin’ny Tetezamita no ho mankaty?

Tsy ny tsangan-kevitra izao no fifidianana ataon’ny IRD fa tsangan’olona. Ny fanontaniana apetraka dia ny hoe: rehefa lany eo àry ilay Rampanana, dia inona no ho azonao eo? Sarotra ny inoana fa olona tsy mahafantatra na inona na inona amin’ny zavatra tena ilaina sy hampandroso ny mponina eto Antananarivo Renivohitra akory no hitondra azy mandritra ny efa-taona eto. Sarotra amin’ny olon-droa no hiaraka, raha olona tsy mifankahafantatra, tsy mifankahalala akory no ho lasa mpivady. Tsy mety mihitsy izany . Olona tsy mahalala afa tsy ny harembe eo anivon’ny fianakaviany sy ireo mpanefoefo miaraka aminy ve no hahalala izay tena ilain’ny vahoaka?

Fa Inona loatra moa no anton’ny fanenjehana ny kandida Rina Randriamasinoro, laharana faharoa ao anatin’ny bileta tokana, hoy ianao? Efa fantatra ankehitriny fa mirona mankany amin’i Rina avokoa ny fon’ny mpifidy eto an-drenivohitra. Kandida matanjaka, manana hery sy vahoaka maro ao an-damosiny ny kandida atolotry ny TIM. Olona avy any amin’ny vahoaka madinika ny tenany ary efa niasa sy hiasa hoan’izany vahoaka izany hatrany. Kandida mifanohitra tanteraka amin’ny mpiara-dia amin’ny fanjakana rahateo ny tovolahy, fa sady tanora manana traikefa, manam-pahaizana no tanora mahalala tsara izay tena mahasoa ny mponina. Tsy olona notoloram-potsiny tamin’ny alalan’ireo harena be nolovaina, toy ny an’ny hafa, fa mahay, mahalala ary mahafantatra tsara izay hampandroso ity Renivohitra iombonana ity i Rina.

Koa sokafy amin’izay àry ny masontsika ry Iarivo, Rina N°2 sy ny mpanolotsaina TIM no vato harotsatsika ny 27 novambra ho avy izao.