Rina N°2 Antananarivo – Efa mandresy fa na izany aza mila mailo

Niaina

Ny boriboritany voalohany, faha-3, faha-4 ary faha-5 indray no notsidihan’ny kandidà ben’ny tanàna Rina eto Antananarivo laharana faha-2 amin’ny biletà tokana omaly. Nisongadina tamin’ny fihaonana isam-baravarana mihitsy izay nataony tamin’ny vahoaka nandritra izany, fa efa mandresy ity kandidà ity amin’io fifidianana ny alarobia ho avy izao io, na izany aza mila mailo ny rehetra fa ny ratsy tsy kely lalana amin’ny hala-bato sy ny hosoka amin’ny fifidianana. Tao amin’ny Boriboritany voalohany sy faha-4: nafana ny fandraisan’ny mponina Ampefiloha Ambodirano, sy Ilanivato ny kandidà ben’ny tanàna, laharana faha-2 Rina RANDRIAMASIONORO afak’omaly. Kopa-tanana, antsoantso, hiaka sy hiram-pandresena , tso-drano, famporisihina an’i Rina hiroso amin’ny fikasany hanarina an’Antananarivo, ireo no re nanakoako raha ny teny amin’ireo fokontany 2 ireo. Raha vao Ampefiloha Ambodirano no resahina, dia ny dibo-drano isaky ny andro fahavaratra avy hatrany no mby ao an-tsaina. Ranobe hatrany an-tokan-trano, miaraka amin’ny loto no iainan’ny mponina eny rehefa mijojo ny orana, tsy misy ny tatatra fivoahan’ny rano araka ny fitarainana nataon’ny mponina tamin’ny kandidà Rina. Tsy niandry ela ny kandidà Rina, namboarina natao rarivato avy hatrany ity lalankely anaty tanàna ity, izay tena mampijaly ny mponina, indrindra fa ny mpianatra. Asa ho vita tsy ho ela. Fa isan’ny hatahoran’ny mponina amin’ny faritra iva, indrindra eny Ampefiloha Ambodirano, ny fandravana trano sy ny fanilihina azy ireo amin’ny toerany.

Nifanome toky ny kandidà laharana faha-2 Rina RANDRIAMSINORO sy ny mponina fa hiara- hiasa ary hifampiaro, hamahana ny olan’izy ireo sy hanatsarana ny fiainany eo amin’ny toerana misy azy tsirairay avy. Isan’ny miandrandra an’i Rina ihany koa ny tanora eny an-toerana, namaly avy hatrany ny hetahetan’ireo tanora i Rina vantany vao nahare ny fangatahana fanohanana sy fanampiana amin’ny lafiny fanatanjahantena, i Rina rahateo mpanao fanatanjahantena ary olona tena akaiky ny tanora.

Mbola nanamafy izay handresen’I Rina izay koa ny teny amin’ny Boriboritany faha-3 sy faha-5. Efa tsy isalasana intsony fa i Rina RANDRIAMASINORO no ho Ben’ny tanàn’Antananarivo, efa resy lahatra tanteraka ny mponina eto an-drenivohitra hifidy azy, isan’ireo efa babon’ny hevitra sy ny fandaharan’asa azo tanterahina tsara atolotry ny kandidà laharana faha-2 ny mponina Ankadindramamy, Ambatobe, Ankazomanga, faritra notsidihin’ny kandidà Rina omaly. Tsy vitsy ireo olona niteny nandritra izany: “efa lany ianao, ianao no ho ben’ny tanàna”.

Anisan’ny mampiavaka an’i Rina ny fitiavany mihosina amin’ny vahoaka, fihetsika tsy noforonina efa vohajanahary ao aminy, noho izy olona nivoaka avy amin’ny fianakaviana sahirana, mahatsapa ny jaly sy ny fahoriana iainan’ny ankamaroan’ny mponina eto an-drenivohitra. Tsy misalasala ny lehilahy mandroso ao an-tokantranon’ny olona mampandroso azy, mitety ireo elakelantrano, mijery, mitafa sy mifanakalo hevitra amin’ireo olona rehetra any anaty tanàna. I Rina ihany no hany kandidà ho ben’ny tanàna tokana afaka mamaly ny hetahetan’ny mponina eto an-drenivohitra, miaraka amin’ireo mpanolotsain’ny tanàna nantolotry ny TIM izay laharana faha-4. Kandidà tanora, mahalala ny olana mianjady, manana ny fahalalana hoenti-mamaha ireo olana samy hafa, manana traikefa ampy, ary kandidà sahy sy vonona hiaro ny vahoaka eo amin’ny taniny sy ny fonenany. Efa mpandresy isika hoy ny antsoantson’ny mponina, tsy maintsy mailo anefa isika hoy i Rina, ny ratsy tsy kely lalana amin’ny fanodinkodinana ny safidimbahoaka, mila mandray andraikitra ny tsirairay hoy i Rina nanentana ny mponin’Antananarivo.