Rina N°2 Kandidà tokana hanatanteraka asa miantraika amin’ny vahoaka

Isambilo

Ny faritra Andranomahery, Ankazomanga, Ankorondrano, ao amin’ny Boriboritany faha-3 indray, no nanohizan’ny kandidà RINA Randrimasinoro N°2, kandidà ben’ny tanànan’Antananarivo, ny fampielezan-kevitra, nazavany ny fandaharan’asany omaly. Tsy misy ady hevitra intsony ny fandresen’ny kandidà ben’ny tanàna laharana faha-2, vahoaka sesehana hatrany no nitsena azy tamin’ireo lalana rehetra nodiaviny.

Raha ny mponin’Andranomahery sy Ankazomanga manokana dia anisan’ny efa resy lahatra amin’i Rina sy ny fandaharanasany. Tsotra ny an’ny kandidà Rina Randriamasinoro ny resany manoloana ireo olona marobe nifanakalo hevitra taminy; tsy ny olona na ny antoko politika no ho fidiana, ary tsy tokony ho sodokan’ny tolotolotra mandritra ny fampielezankevitra, fa izay kandidà maharesy lahatra, ka heverina fa hahavita mamaha ireo olana samy hafa mianjady eny ifotony, ary vonona hiasa hoan’ny vahoaka no fidiana.

Nohamafisin’i Rina fa izy ihany no kandidà tokana vonona hanatanteraka ny asa manakaiky ny vahoaka, sy asa miantraika mivantana amin’ny vahoaka, toy ny fanadiovana ny tsena sy ireo lalana, ny politika hitantanana ny fako ary anisan’izany koa ny fanaovana toeram-patsakana, na borne fontaine vaovao, indrindra amin’izao fisian’ny olan’ny rano misy eto amintsika izao.

Fahombiazana lehibe ho an’ny kandidà ho ben’ny tanàna Laharana faha-2, Rina RANDRIAMASINORO sy ny kandidà mpanolotsaina TIM, ihany koa ny filaharambe namakivaky ny tanànan’Antananarivo, na carnaval niaraka tamin’ny mpitatitra, notanterahina omaly alahady, niarahana tamin’ireo vondron’ny kopêrativa fitaterana eto an-drenivohitra. Ny mpitatitra ihany koa dia efa resy lahatra, anisan’ny manantena fiaraha-miasa sy fanatsarana ny asan’izy ireo rehefa tonga eo amin’ny toerana maha ben’ny tanàna i Rina.